Traditions et perspectives théologiques
   
 
 
 


 
Rubrique malgache
 
  

Mondialisation

Ny kristianina eo anonoan’ny fanotontolona

Les chrétiens face à la mondialisation

 

Muhlbach-sur-Munster - 20.05.18

 

Ny tanjona iriako ho tanantsika eto, dia tsy ny hitanisa ka hahita valiny ho an’ireo fanontaniana sady maro sy mampisalasala, ary indrindra saro-pantarina, mikasika ny ara-karena (économique), ara-pitondrana (politique), ara-tsaina (culturel), eo anoloan’izao mondialisation iainantsika izao.

Ny irina dia, ny hitarika antsika hievitra izay anjara sy andraikitra tokony ho raisin’, ny tsirairay eo amin’ny fiaraha-niaina tsy nohon’ny maha-kristianina ihany fa amin’ny maha-mponina (citoyen) antsika koa.


Hozaraintsika efetra ny fitondrana ny resaka

(1) Ny mondialisation dia filamatra (processus) naharahin’ny olombelona hatramin’ny nisehony teto ambon’ny tany, nataony mba hifanampiana, hifankalalana, hifampizarana, hampandrosoana ny toe-piainany. Raha lazaina tsotra dia ADN ao amin’ny olombelona ny mondialisation.

(2) Taty aorina ny famoronana ny vola nanova izany filamatra izany ary niseho ny varotra (marchandisation) teo amin’ny ankamaroan’ny fifanankalozana maro, dia niely teo amin’ny fifanankalozana rehetra. Atramin’ny zava-madinika teo amin’ny andavanandro dia tonga novidiana daholo ; koa dia nialana ny troka (troc) - zavatra takalo an-javatra, matetika dia tsy mitovy lajan-bidy ny takalo atao.

(3) Ankehitriny ny vola dia tonga tompo-toerana, irery manjaka eo amin’ny fifandraisana sy ny fifanankalozana maneran-tany ; indro izy mitroka (vampiriser) ireo kely fananana, fa mamporisika sy maneno paosy kosa ireo efa manambe, mitady tombony tsy misy fetra amin’izay rehetra ataony satria ny vola no tompo mandidy.

(4) Inona ary no azo atao hiarovana ny olombelona sy ity tany ity manoloana izany hery goavan’ny vola izany izay mitondra fandravana tsy misy mpanohitra afaka handresy azy.

Ilay fihaonana nitondra fiovana tsara maro tery, am-piandoana, ho an’ny an-kilany avy, dia lasa fiaraha-monina maheri-setra izay manababo (mépriser) ny olombelona ary mandevona tsy misy hisalasalana ny zava-mboary rehetra manodidina.

Izany no lava, izany no fohy nefa tsy azo nodinganina satria tetezana mampita idirana eo amin’ny resaka ivorian-tsika eto.

 

1. La mondialisation, vocation de l’humanité


1.1 Raha ny tantara mikasika ny fielezan’ny olombelona voalohany teto an-tany no haraina dia niainga tao Afrika (Maroc), tamin’ny taona 300000 av. J.-C. ny migrateurs voalohany. Nisy fivezivezena sy fifandraisan’ny mponina tamin’izany nitondra fivoarana maro tsara teo amin’ny fomba fiainan’ny ankilany avy araka ny fotoana sy ny toerana samihafa.

 

Andeha ho raisina ho ohatra ny mikasika antsika akaiky dia ny tantara ny ponina Malagasy. Ny ponina voalohany arakin’ny tantara dia Austronésiens (venus d’Indonésie). Niala tamin’ny lakana mozana (pirogues à balancier) teo amin’ny toerana nisy azy izy ireo, nohon’ny ady, na mosary na antony hafa dia tonga teo amoron-tsiraka i Madagascar. Nisy nijanona teo an-toerana, nisy nanohy ny diany an-tongotra, nijanona tamorin’ala ary nisy ireo nanaraka renirano an-dakana ary niditra lalina anaty tany. Izy reo no antsoina hoe Vazimba araka ny tantara, 2000 taona lasa izay. Nohon’ny toerana vaovao nofidiany dia lasa pihaza sy pioty (chasseurs-cueilleurs) izy ireo. Nisy koa ireo tonga tany amorontsiraka atsimo nijanona ka namorona ny tananany teo amoro-dranomasina. Izy ireo no razambe ny Vezo, izay nanohy ny fanjonona (pêcheurs). Tonga tao Madagascar koa ireo migrants afrikan na asiatika na european tamin izany fotoana izany.

 

Nisy angamba niray fiteny sy fomba tany aloha ; nosarahin’ny toerana raha tonga tao Madagascar taty aorina anefa dia niahona indray rehefa samy niova kely avy raha hoharina teo amin’ny fanaony teo aloha. Dia mitohy maro ny fihavian’ireo (immigrants) samy nanana ny fomba aman-panaony avy. Ny fifampikasoana sy ny fanambadiana teo amin’izy ireo no niteraka ny teny sy ny fomba aman-panao Malagasy.

1.2. Ela taty ahorina ny fitondram-panjakana Roman izay nandresy ny ankamaroan’ny firenena manodidina ny ranomasina Méditerranée dia tsy nanana tarigetra afa-tsy ny hampihatra fitondrana tokana eo amin’ireo firenena ireo na ara-panjakana izany na ara-karena (économique) na ara-tsaina (culturel), na ara-taozavatra.

1.3. Ny finoana Kristianina tato aorina dia nanamafy izany fitondran-panjakan’ny empire roman izany satria nifanaraka tsara tamin’ny fampianarany izany, dia fampianarana « mpanontolo » (universaliste) indrindra nandritra ny fanjakan’ny empereur Constantin tamin’ny IVe siècle izay, nampihatra ny lalana hampitovy tanteraka ny fomba fiainan’ireo firenena teo ambany fahefany.

1.4. Ny vokatrin’ny fitadiavana (recherche scientifique et culturelle) maro, mbola niafina tamin’tsika taloan’ny XVe siècle dia nanamafy orona ny mondialisation : fahitana tany vao tany Amérique, Asie, Afrique, ny asa natao teo amin’ireo finerenana ireo, indrindra ny asan’ny missionnaires (asa fanasoavana ary fanampiana nampiseho fitiavana avy amin’ny ponina avy aty Europe (pays du Nord).

 

Ny alavan’ny andro-piainan’ny olona tamin’ny 1900 dia 31 taona, ankehitriny izany dia mihoatra ny 70 taona, nefa izany koa dia miova araka ny toe-karena sy ny firenena misy azy ; ohatra : ankehitriny dia 70 taona any Bangladesh ary 83 taona eto France.

Ny mosary be sy ny aretina manafo-tany (épidémies) tamin’ireo taon-jato maro teo aloa dia mihemotra koa tsy toy fiveriberenany teo aloha.

Mikasika ny fampianarana indray : nandroso niroborobo nandritra ny 50 taona faharoa tamin’ny XXe siècle. Ohatra : tany Inde ny tsy nahay namaky teny dia 88% tamin’ny taona 1940 (taonan’ny Fahaleovantenany) nihena ho 26% izany ankehitriny. Na izany aza anefa dia mbola maro ireo firenena any Afrique sy Asie du Sud Ouest izay mbola 1/3 eo amin’ny tanora no tsy mahay mamaky teny ary 2/3 amin’ireo dia vehivavy.

 

Azo lazaina fa atreo dia zava-mahasoa sy nitondra fanavaozana tsara sady nilaina ny mondialisation teo amin’ny ankapobehany. Ny firenena nampiana dia afaka niaina teo amin’ny fomba amam-panaony nahazatra azy ary nandroso teo amin’ny fomba vaovao na dia tao aza ny didy boraingona indraindray sy ny zava-tsarotra tsy azo nioarana nefa tsy maintsy diavina raha te-hivoatra.

Tiako ny itanana ao an-tsaina ireo tombo-tsoa maro sy ireo tsiary ho tanisaina eto nilaina sady tena nahasoa tokoa nohon’ny mondialisation satria ato ahorina isika raha iresaka mikasika ny fisavororotanana ankehitriny dia mety hisy hevitra azo tsohaina fa ny mondialisation dia tsy ratsy daholo, fa ny fampiasana azy no nivaona tamin’ny filamatra niorenany, ka ny vola tonga tompo tokana manjaka ary ny olombelona sy ny tany dia voababony ho amin’ny fahaverezana.


2. Fanjakan’ny vola sy ny varotra maneran-tany


Teo amin’ny fiainana fahizay dia tamin’ny fifanankalozan-javatra no nanaovana ny fifanankalosana rehetra teo amin’izay nilaihina. Tamin’ny VIIe siècle av. J.-C. no fotoana niseoan’ny vola ho fomba nanomezan-bidy voafetra ny arena mba handaminana sy hampiely ary hahamora ny fifanankalozana.

Ankehitriny ny vola dia arena tokana lazaina fa ho fampiraisana izao tontolo izao, mampin’tsiriritra ny rehetra satria mahazo sy afaka manana azy daholo, hono, ny vahoaka ; ny varotra hampanan-karena izay rehetra te-hividy na hivarotra koa.

Mifanohitra amin’izany ny miseho sy iainana : tsy mitovy vintana daholo ny rehetra. Ny fananan-karena (capitalisme) ankehitriny dia vokatrin’ny fananaraotan’ny panankarena eo amin’ny asan-barotra satria ny tombo-barotra azony amin’ny fandri-bola (spéculation) dia volabe raha hoarina amin’ny karaman’ireo mpiasa sy ny reni-mbola (capital) teo am-piandohana.

Ireo tsy sahy (tsy ho an’ny mahantra ny fisamboram-bola, hoy ny fitenenana) dia hitoe-dava eo amin’ny fiankinana. Ny fifaninanan’ireo vonon’kiady (les battants) dia mifanohitra am’reo resi-mpiainana (les perdants - loosers) dia ireo tsy manan’asa, ny ponin’ny banlieues, ireo mpirenireny (SDF), ireo mpitady toerana hifindrana fonenana nohon’ny antony maro samihafa, sarotra hasiana faritra ; raha fehezina dia ireo ratsy vintana satria na ny kely tokony ho anjarany aza lasan’ireo efa manambe.   

Teo amin’ny XIXe siècle no azo lazaina ho fiandoan’ny mondialisation amin’izao toetra sy heriny ihainantsiaka izao : fielezana tena manerantany tokoa no hitantsika ankehitriny eo amin’ny asa-barotra sy fifanankalosana isankarazana rehetra, atrany amin’ny fitondra-panjakana. Izay zava-dehibe rehetra miseo ankehitriny dia eo ambany fifehezan’ny vola, tompo tokana, masi-mandidy ny fiainan-pirenena rehetra.

Ny fanatsarana ny fitadiavana (recherchescientifique sy technologique) dia mitondra tombo-barotra be dia be ; ny famokaran-bokatra industries alimentaires sy ny asa isan-karazany sakelen’izany dia mampiditra tombo-barotra koa.

Ny mpiandraikitra ny fitadiavana fandrosoana no miadidy ny fananan-tany sy ireo ho tompon’ny arena ao ambany ny tany (richesses minières, gaz, pétrole, ressources en eau).

Ny hitoizan’ny asa fitadiavan’pandrosoana dia mila fahombiazana mivoatra tsy mitsahatra eo amin’ny ara-toe-karena (économique), koa dia olona manana toe-tsaina mafy orona anatrika ireo ady saina maro ampifanaraka ny fandavorariana ny hevitra tapaka rehetra (PDG : ambony karama no ho eo amin’izany toerana izany). Vola be koa no tsy maintsy ho lany hanaovana propagandes ; ny politica dia ho eo ambany fahefan’ny vola, toy izany koa ny fampielezan-mbaovao (médias) izay hasesika hanova ny fomba fievitrin’ny vahoaka (ny fampielezan-mbaovao rehetra dia efa eo ambany fitondran’ny panankarena 3 na 4 izao). Izay mbola te-hiady hevitra, na henahena eo amin’ny fomba teo aloha, na te-hihemotra kely hitady hevitra fotsiny ihany aza, indrindra moa ireo te-hanohitra dia omen-tsiny sy henatra eo imaso-ny vahoaka ka maro no mihemotra sy manaiky ores itsy hiady. Ireo izay manaiky ny fanoavana ny fitiavan-tena vaovao kosa  (izay lazaina fa loharano-pahasambarana) dia afaka anao izay rehetra mahafaly ny fony (ho dian-tsy hita ny tsy fanaja-dalana ataony). Noho izany dia hamafisina ny lalana maro tsy hahazona mandray afa-tsy ny migrants tsara. Ao koa ny varotra marché de l’armement, resaka sarotra hiadihan-kevitra satria mampiasa olona maro sy mampidy mbola be, toy ny industries maro.

Izany toeran’ny vola eo an-tampony indrindra izany dia heverin’ny maro fa lalana tsy azo hidivirana : tsy misy sosoka hafa “There is no alternative” (“Il n’y a pas d’autre solutionpossible”) Margareth Tatcher. Ho an’ny vahoaka dia tery vay manta tian-kano, tsy tian-kano ; ny vola no mpanjaka tsy refesi-mandidy.

Raha fehezina izay voalaza dia ny tany sy izay rehetra eo aminy na ny jeren-ny maso na ireo mbola any amban’ny tany ary atramin’ny vahoaka dia tonga zavatra azo hamidy sy vidina daholo. Ny fampielezana mba hampaharitra izany fomba amam-panao izany dia ny fandokafana mihoam-pampana atao amin’publicité. Tsy mijery ny lany ny pamandri-mbola satria ao amparany ny tombo-barotra amin’arivony miandry azy ireo.

Pour les enterprises cotées au CAC 40, la repartition des profits a été à peu près la suivante en 2017 : les 2/3 aux actionnaires, seulement 5% aux salariés qui ont fourni le gros du travail, et 1/4 de réinvestissement (en net recul par rapport au pratiques antérieures).

Dokaina am-pahaizana sy am-pahafetsena ny vahoaka hanaiky fa ny fahazakantena dia fanaovana izay tiana atao ihany rehefa eo ny vola.

Ny fomba fiaraha miaina teo aloa dia tsy maintsy ialana hono fa lany andro ; ny fiainana ankehitriny eo ambany faneva ny vola sy ny varotra dia atao tsara doka satria araka ny safidy malalaka (pseudo-démocratique) teo amin’ny vahoaka. Vokatry izany ny fitadiavan-mbola dia lasa karazan-pinoana eran-tany (religion universelle) ary dia, fitondrana faran’izay jadona indrindra, manetry kokoa isan-andro ny ankamaroan’ny ponina indrindra ny mahandra fa mameno ny paosy ny reo efa manambe.

 

3. Mondialisation jamba sy pandrava


Ny fomba  fiasan’ny mondialisation dia fiaraha mandinika, fikirizana ary latsa-bato, hivohahan’izay hevitra tsara indrindra mifanaraka hahazoana tombo-barotra be ho an’ireo pamandri-mbola, kely dia kely an’isa eo amin’ny firenena nefa dia izy ireo no piadidy (qui détiennent et contrôlent les circuits financiers) sy panara-maso ny ara-politika sy economika amin’ny fampiharana ny hevitra tapaka rehetra mikasika ny varotra manerantany. Ny fitadiavana tsy mitsahatra, ny fahitana ary fampielezana zava-baovao na an-tany, na an-dranomasina, na zavamaniry, etc., dia andry mafy azo toky iankinan’ireo pitan-karena ireo satria tombo-barotra be no azo avy amin’izany.

Ny mahantra aty Europe toy ireo any Afrique, manoloana izany fandrosoana rehetra izany dia mihonona amin’ny anjaran’ny zara raha manana na eo amin’ny lafi-mpiainana rehetra.

Eo amin’ny mondialisation koa ny antokon’olona salasala classes moyennes dia very toerana tsikelikely ary misolo toerana azy ireo ny panambola vaovao, mety ho ela hihany anefa vao ho tonga amin’izay kendreny izy ireo satria sady mafy no sarotra ny dingana tsy maintsy hihoarany.

Ita izany farany teo tamin’ny hasaranan-tsaina ny pitondra erantany tamin’ny nialan’ny États-Unis teo amin’ny COP 21 (Traité de Paris sur le climat, 2015).

 

4. Maika dia maika no tsy maintsy hivoiran’ny mondialisation


4.1. Ny mondialisation dia atao hampandroso ny olona tsirairay, ny vahoaka manontolo. Izay tadiavina dia ny ho fanatsarana ny fiainan’ny olona, fizarana ny aren-ny tany, izay arenan’ny rehetra, tsy misy ankanavaka. Izany anefa tsy ho tratra raha tsy ny rehetra no tapa-kevitra sy haharitra hihady amin’ny tsy faharamarinana izay mampisaraka.

Ny fanorenana tetezana mba hahazona sy hiaraha-mandroso niaraka daholo ho eo amin’ny tsara kokoa dia hahazoana tombony ho an’ny rehetra, nohon’ny fanorenana tamboho na fametrahana fil de ferbarbelé hisarahana amin’ireo mahandra. Ny fiaraha-monina amin-panajana dia mampitovy saranga ny rehetra ary ny fandraisana ny zafindraony dia fanomezana voninahitra an’ireo tsy mitovy amin’ny tena.

Ny fanajana ny tsy fitoviana sy ny faha-samihafana isan-karazany dia lalana mitondra ho eo amin’ny fahamendrehana, ny fahendrena, ny fahamarinana ary ny fandriam-pahalemana, izany notokony ho kendrendra sy ho tratrarina.

4.2. Ny mampiavaka ny afatra ao amin’Évangile. Ny olona rehetra dia mpirahalahy avokoa, iray fiaviana, noho izany dia tokony hitovy ny antsaraham-piainany eo amin’ny ankapobeany na aiza na aiza tany sy toerana misy azy.

Ny mahandra, ny lavo nohon’ny tsy fahamarinana na ny hery teri-setra dia ireo no hialoa ny mpanankarena sy ny panara-dalana rahatrizay any am-paradisa hoy Jesosy satria izay nataonareo tamin’ireo kely ireo no efa nataonareo tamiko koa.

Raha raisina arak’izany voalazan’ny Tompo izany, ny Filajantsara dia manambara fanonganana tanteraka ny fahazaran-tsika eo amin’ny fanaovana ambaratonga ny asa atao, hevitra tsy mahazatra antsika anefa izany satria mandrava atrany amin’ny fakany ny fomba politika sy fomba-mpivavahana eo amin’ny tantaran’ny olombelona.

4.3. Ady mba hisin’ny mondialisation marina. Eo amin’ny fiainan’ny tsirairay : manao izay rehetra azo atao amin’ny fahalalana onony sy ny fizarana ka manohitra mafy ny fananan-karena tafaoatra sy fahazaka-manana (jouissance) na dia izany aza no heverin’ny maro ho tsara ; tsy anao tetik’ady mitady fitarihina na fitadiavam-pahefana araka ny fanirian’ny ankamaroan’ny olona, fa manampy sy mizara kosa tsy mitady valiny afa tsy ny ihiara-mifaly sy ampifaly.

Tsahivina eto nifitenenana i Pierre Rabhi “sobriété heureuse”.

Eo amin’ny mikasika ny politika : mampahafantatra ary miady hanohitra ny fitondrana tsy marina mampiasa na mandroaka ireo mahandra na eo amin’ny manodidina ankaity na ireo any lavitra.

Eo anivon’ny Fiangonana ho ampiarin’ireo mpitondra Fiangonana eo amin’ny fiainany izay lazainy indrindra eo amin’ny fitantanany ny raharaha ; ary tokony ho fakan-tahaka ny fiangonana eo amin’ny fahamarinana sy ny fahitsina, ny fahasahina ilaza ny heviny mikasika ny fiaraha-miaina sy ny fitondrana fa tsy hienahena fotsiny eo an-toerany eo hitana ny tombo-tsoa azo avy amin’izany sy ny tombo-pahefana noho ny maha-mpitondra azy.

Fikomiana ara-panahy sy ara-politika no voatery tsy maintsy ho atao raha tiana ny mbola hiaro ity tany ity sy isika olombelona eo aminy manoloana ireo mpitondra sy panao lalana mandrava sy mambabo ankehitriny amin’ny fomba fampiasana ny vola hiandraketany.

Ho famaranana dia satriko ny hamerina eto ny lohateny ity lasin-tsika eto ity : “Ary aoka isika hifampidinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”Misaotra Tompoko.

 

Jacqueline Rasoazanany Kohler    

 

 

 

 

 
What do you want to do ?
New mail
 
What do you want to do ?
New mail
 
haut

 

   
 
© Copyright 2007  [ Recherche Plurielle - Kohler ]  Tous droits réservés -
Recherche plurielle Libre réflexion sur l’héritage chrétien Parcours sociologique