|
Rubrique malgache |
|
Sont reproduits, sous cette rubrique (en cours de reclassement), deux ensembles de textes produits par Jacqueline Rasoazanany Kohler dans le cadre des deux institutions suivantes :
- FPMA : L'Église protestante malgache en France - Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy
- FI.MPI.MA : Association des orateurs de Madagascar - Fikambanan'ny Mpikabary eto Madagasikara
Le premier ensemble comprend des sermons, des études bibliques et des analyses d’ordre social et éthique. Le second est composé d’exercices de rhétorique et de discours conformes aux règles de l’art oratoire malgache.
Ces textes sont classés par ordre chronologique avec mention des questions traitées.
|
FPMA Sermon avril 2016
1. Dieu ne préfère-t-il pas les miracles de l'amour aux louanges ?
Introduction : Les quatre textes bibliques que nous venons d’écouter ont en commun d’insister sur la puissance et la gloire divines, sur les miracles que Dieu accomplit pour révéler cette puissance et cette gloire, et sur les louanges que cette puissance et cette gloire appellent.
1. Dans cette prédication, je pourrais donc insister sur le devoir religieux de nous associer aux créatures célestes pour chanter la puissance et la gloire de Dieu – « myriades de myriades, criant à pleine voix … la puissance, la richesse, la sagesse, la force, l’honneur, la gloire la louange… à celui qui siège sur le trône, ainsi qu’à l’Agneau, la louange, l’honneur, la gloire et la puissance dans les siècles des siècles… et les Vieillards se prosternèrent pour adorer ».
Mais je me pose et je vous pose trois questions : Dieu veut-il vraiment cela, et qu’est-ce que cela peut lui apporter ? Ces louanges sont-elles vraiment ce qui nous rapproche le plus de lui ? Cette sorte de religion est-elle audible et crédible pour nos enfants et nos contemporains ?
2. Je pourrais aussi insister sur les miracles - l’apparition de Jésus après sa mort par crucifixion, la pêche miraculeuse (153 gros poissons après une nuit de pêche infructueuse, sans que le filet ne se déchire) ; les apôtres transportés au Temple à travers les murs de la prison à l’insu de leurs gardiens !
Mais ces récits sont-ils vraiment au cœur du message évangélique, sont-ils « bonne nouvelle » pour nos enfants et nos contemporains ?
Pour comprendre ces récits, il faudrait les replacer dans la culture de ceux qui les ont rédigés, qui étaient persuadés de l’intervention permanente de Dieu dans le cours des choses et des affaires des hommes, mais nos enfants et nos contemporains ne peuvent plus croire la « bonne nouvelle » en ces termes-là. Sujet de réflexion en groupe biblique.
3. Alors ? Il serait également possible de parler de nombreux autres éléments compris dans ces textes – par exemple de Pierre qui n’a pas réussi à marcher sur les eaux du lac, ou de la parole que Jésus lui a adressée pour lui annoncer que la vie le mènera au-delà de ce qu’il veut par et pour lui-même, etc.
Mais je vous propose de méditer sur les trois petits mots qui terminent le verset 22 : « Toi, suis-moi ! »
Jésus ne se présente pas comme le détenteur de la puissance et de la gloire de Dieu, mais comme solidaire des plus malheureux et des exclus – les infirmes et les malades, les publicains et les prostituées, les prisonniers - cf. la prophétie d'Isaïe qu'il cite pour éclairer sa mission.
Pour annoncer aux humbles la libération de leurs maux et l’inauguration du Royaume de Dieu, il prêche la miséricorde et le pardon, et il accomplit humblement les gestes les plus modestes – en prenant la place des serviteurs, en lavant les pieds de ses disciples.
Mais surtout, il enseigne que le « suivre », c’est le reconnaître et le servir en portant secours aux plus démunis – Mt 25 : j’avais faim, j’avais soif, j’étais nu… Cette évocation du Jugement dernier, qui est en réalité la vérité de Dieu qui nous juge dès à présent dans notre quotidien, ne fait pas la moindre allusion au contenu doctrinal de la foi religieuse, ni aux pratiques religieuses comme les louanges adressées à la divinité.
Conclusion : La seule puissance vraiment divine que nous sommes appelés à reconnaître et dont nous pouvons nous réjouir, c’est la puissance de l’amour. Une puissance qui, en acceptant l’impuissance au yeux des hommes, est capable de réaliser les miracles de l’amour. Il n’y a pas d’autre salut. Une révolution religieuse et sociale !
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary 15 février 2019
2. Famangina mana-manjo
Vangina : Mandrosoa ary Tompoko
Mpamangy : Manankory avy ianareo Tompoko
Vangina : Indreto izahay eto daholo Tompoko
Mpamangy : Mamangy amin’ny fahoriana Tompoko
Vangina : Misaotra Tompoko
Mpamangy : Ry izy mianankavy, indreto izahay trano atsimo sy avaratra aminareo, dia ireo mpirara-monina rehetra eto an-tanana izany, avy manoloana anareo amin’izao fahoriana lehibe nandaozan’ny Ray aman-drenin-tsika – ingahy Razafitoa-antrsika izao, ary dia maneo ny fiara-miory aminareo.
Vangina : Misaotra Tompoko amin’izao fidododonareo izao, maneo firaisana aminay. Mafy tokoa ny fisarahana, nefa izao no lahitra sy tendrin’Andriamanitra, koa na dia mangidy sy sarotr’entina aza ny fahoriana dia ankivnina aminy ny fiainana ho avy.
Mpamangy : Eny, Tompoko-Dadabe Razafitoa-raha ny marina no ho lazaina, dia lehilahy tiana sy nohajain’ny be sy ny maro tokoa teto anivon’ny vohitra manotolo ; olo-marina nahavita ny adidy rehetra izay nomena avy-na ny kely izany na ny lehibe dia nandaniany hery sy saina ary vola aman-karena koa. Ny mpiara-monina rehetra dia mahalala izany. Sitraka enti-matory, telina enti-mifoha, ka ho tsaroana mandrakariva ny asa vitan’IngahyRazafitoa.
Eny Tompoko, trano nivoahana ny anareo fa ny fahoriana dia iarahantsika rehetra mitondra. Tombon-dalan ihany ny azy satria ao ny finoantsika kristianina dia ilahy fananyenana fa ho avy ny fotoana ihaonana amin’ireo hava-malala rehetra efa lasa nialoha antsika. Koa mahaiza mionona Tmpoko, fa ny mpanao soa na maty aza dia eo ny asa navelany mampatsiay amin’ireo niara-belona taminy ny taona maro niaraha niriariana.
Vangina : Misaotra Tompoko. Mampafan fo tokoa izao fojoroanareo maro eto anoboanay izao. Tsy mana-panotrona sy tsymanam-pampionona ary, hono, Tompoko, tsy maintsy mionona, ka maika ve fa manana anareo toy izao, hionona ny fo Tompoko. Ity no tonga amin’ny feten’drazana hoe : ny entan-jray mora zaka. Ary dia mbola saotra feno no atolotray ho anareo.
Mpamangy : Arakin’ny fomba-drazantsika ihany koa, izay fantatra ny maha-tsara azy, ka tohinzantsika ankehitriny, dia misy fao-dranomaso kely avy aminay izahy eto izao. Kely dia kely tokoa izany toy ny tsintsina mitondra voni-tenona kany kely zaka’ny vava no nentina fa ny fo manolotra no mameno. Aza misoso-pahoriana intsony Tompoko.
Vangina : Misaotra Tompoko. Ny tenanareo efa tonga mijoro eto, nefa dia mbola arahinareo vola aman-karena indray izany, dia tsy misy azonay lazaina afa-tsy ny saotra eram-potokoa. Dia honera be ny lany Tompoko ; sitraka tokoa izao ataonareo izao.
Mpamangy : Tsy misy hisaorana, Tompoko, fa dia ho lasan’izay anie ny ratsy ary aza misoso-pahoriana intsony.
Raha ny tokony ho izy ry izy mianankavy dia ny mbola hiara-mipetrapetraka aminareo etoana no itsiny tokony ho ataonay. Maro anefa ireo havana sy mpifankalala aminareo miandry ao antokotany, ary maniry koa hijoro haneho firaisana aminareo, koa dia hangata-dalana izahay handeha hitsaitsaika,. Tsy hiampy, tsy hisosoka intsony anie ny manjo Tompoko.
Vangina : Dia mbola maneo ny fisaorana anareo Tompoko.
Mpamangy : Aza misosoka alahelo intsony Tompoko.
Misy maromaro aminay eto, dia ny lehilahy sy tovolahy hijanona ao ivelan’ny efi-trano, ho amin’ny fiandrasana ny razana amin’ ny alina. Ny vehivavy dia hialan-tsiny fa ao ny adidy any an-tonkantrano, ireo Ray aman-dreny zoky olona koa dia hialan-tsiny fa tsy ho afa-kijanona hanotrona ny fianakaviana amin’izany fiandrasan-drazana izany.
Vangina : Tsy misy tsiny Tompoko. Fa heni-kaja ny maty ary satroinareo vononahitra ny velona, koa dia mankasitraka tokoa ny fianakaviana. Fisaorana feno no atolotray ho an’ireo izay hiari-tory. Ary ny adidy any an-tokatrano dia iara-mahalala, ka tsy hisy izay hifanomezan-tsiny, Tompoko.
Mpamangy : Aza misoso panoriana intsony Tompoko.
Jacqueline Rasooazanany Kohler
|
FIMPIMA juin 2017
3. Tenin-dreny, tenin-drazana
Ohabolana sy hain-teny
(St Marc, 24 juin 2017)
Tompokolahy, Tompokovavy,
Ny havozo, hono, hanitry ny ala, ny rambiazina hanitry ny tanety, ny voasary hanitry ny saha, ary ny ohabolana kosa hanitry ny teny. Ny teny tsy voahangy tsy mandry lalana : apetraka izy ravaky ny trano, entina izy endriky ny dia.
Raha misy tono-kevitra tiana ho aroso na soso-kevitra tiana ho toanana, dia manomboka ilay olona hiteny hoe : « Hoy ny ntaolo hoe… » na « Araka ny tenin-drazana hoe… ».
Ny ohabolana dia fehezan-teny voarafitra tsy mahazatra satria tsy fampiasa mahazatra loara andavanandro ; ny hainteny koa dia fiteny misy angolangolany koa, tsy fandre-matetika ihany koa.
Fomba fitenenana fohy ny ohabolana sy ny haiteny, nefa enti-milaza hevi-dehibe koa sady mafonja izany no atao ampiheritreritra.
Ny teny ifamaliana no mahatsara fiavanana. Koa aza mikombo-mbava fa samia mamoaka ny heviny. Ataovy tera-bary, samia mamoaka ny ao am-poany, fa izay tsy miteny, hono, no diso, nefa kosa izay to-fo mpamosavy.
Tsy hevitra tonga teo no hoe izany ny ohabolana na ny hainteny fa fehezan-teny vokatry ny fanarahina akaiky ny fiainana andavanandro ny be sy ny maro, fisainana lalina mikasika izay niseho, fandalalina maharitra ny hevitra nifanakalozana : izany rehetra izany mitambatra no anantsoaina fehiteny ho ohabolana sy hainteny. Taona maro sy fiainam-bahoaka marobe no tehirizin’ny ohabolana sy ny haiteny. Ka ny tenin’ny ntaolo dia tsy hasiana ady hevitra fa mipetraka ho eken’ny maro ary ho ankatoavin’ny rehetra, mandresy lahatra ny mpiteny sy ny itenenana. Raha tsorina ny ohabolana dia fomba atao ahababo fo ny ambanilanitra manontolo.
« Teny tsara lahatra ny ohabolana dia toy ny olona misakelika fary, mibaby akondro, ary miloloha tantely, izay entiny mamy avokoa. »
Ny ohabolana koa dia toy ny tany ketsa ka izay mahalana sosohana, ary toy ny atody raha fohy manan’elatra.
Ny ohabolana sy ny haiteny koa dia teny feno fahendrena satria vokatry ny « maintimolaly » na ireo ela niainana nanao hoe : ny nify aloha no hitsako aloany ny vazana ! Samy manana ny laharana sy ny adidy tandrifiny azy avy ny tsirairay ka izany no hahalavorary ny fiaraha-monina. Koa teo amin’ny ady hevitra mikasika ny fiaramonina no ampiasaina matetika ny ohabolana.
Isika malagasy araky ny fantasika dia feno fanajana ny ray amandreny sy ny zoky olona.
« Tiavo sy hajao ny ray sy ny reny fa ireo no nahitana masoandro, solon’Andriamanitra tsy hita ny maso, nahandro nahamasaka.
Aza manao teny fosa ny mpiray monina, ao an-trano vaky vovonana mitondra niteny ivoaka ka ho afa-baraka eo amin’ny manodidina.
Ny teny maro tsy ilaozan’ota koa tandremo ny teny lava toria sao maningotra ny tena.
Mahaiza ary mandinika sy misaina vao mandefa ny teny atao. »
Ny ohabolana sy ny haiteny raha fomba fitenenana mampibaribary fahendrena feno dia rariny sy hitsiny raha ho atao raki-mbolamena ho lovay ny taranaka mifandimby. Ny firenena rehetra samy manana ohabolana avokoa ary mandrakariva dia fahendrena no tehirizin’ireo ohabolana ireo. Noho izany tsy tokony aha-mena maso antsika ny hitandro ny tenindrazana fa hanome hery indrindra kosa ho an-ireo taranaka ho avy. Na ao aza ny tsy fahaizana miteny malagasy, aoka ho tsaroana lalandava fa ny fahalalana ohabolana sy haiteny dia arena lehibe tsara sady soa tokony ho ananana ho enti-miaina na aiza na aiza tany ho aleha.
Voninahitra ifanomezana ny fahaizana teny mpirenenana hafa, fa ny fitenin’drazana mamy koa raha mamy koa fokary fa aza adinoina fa soa ho anao. Nefa aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika, fa ataovy fitia-ketsa ka izay amindrana azy aniriany avoko.
Tadidio koa fa ny teny toy ny zipon’ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony koa mahaiza mahalala ny fetra tsy azo ihoarana raha tianao ny ho tafita ny ony.
Ho faranako ny dinika : tiavo re ka tsinjovy tsy ho very ny ohabolan-tsika fa arena tsy voavidy bola amankarena ireo, fa ny olon-ory, hono, tsy an-olo-tia, ny omby mahia, hono, tsy lelafiny ny namany.
Tsarovy koa fa lakalaka ny fiainana, tsy misy manan-aina tompo ny ampitsony nefa ny aina tsy mifametra koa ataovy am-pahendrena izay rehetra atao fa izany no antoka mafy fototra sy tsara indrindra.
Misaotra Tompoko.
Jacqueline Kohler Rasoazanany
|
FIMPIMA Takalo février 2016
4. Takalo : Fandraisana mpianatra tonga
avy any Madagasikara
Ny teny tonga ao am-bava amin’izao fifankaitan-tava izao dia : « Arahaba tonga soa ! » Tsy sanatria, finiavana hiataka amin’ny fomba mahazatra raha kabary no resahina, fa « arahaba tonga soa » no mameno ny fo satria niampita ranomasina be ianao, namakivaky rahona ka mihaona soa aman-tsara eto isika ankehitriny.
Hoy ny ohabolan-drazana hoe : « Izay adala no toa an-drainy ». Tsy nianina tamin’izay azo tao an-tanindrazana ianao fa nanapa-kevitra hitady sy hanamafy fahaizana ama-pahalalana aty an-tany lavitra aty.
Raha hiteny aho dia manao aza tsiny, manoa aza fondro fa nomena ahy ny fitenenana ho fandraisana anao, fa raha tsy nomena izany dia mahajoko fa nomena ka mahasolanga ; ary ny tsy afa-tsiny hono arahan’doza amin’izay rehetra ataony koa dia halako ny tsiny tsy ho amiko, tsy ho aminao.
Andriamanitra no nitantana ny dia ka toha izao andro anio izao. Isaorana Izy ary ho henin-kaja mandrakariva anie ny anarany. Ny fanomezan-tsoa avy aminy tsy anam-pitsaharana eo amintsika rehetra.
Tonga eto ianao nandao tany nahazatra, nandao ray-aman-dreny naha-lehibe, nandao havana aman-tsakaiza maro nizarana ny tsara sy ny ratsy, ao koa ireo andry nahatoky teo amin’ny sokaja-mpiainana samihafa. Tsy ho voatanisako eto avokoa ireo fomba niainana nahazatra, nozakaina, nahitana fahafinaretana na indraindray nampitomany koa aza. Nilaozanao daholo izany. Indro ianao aty an-tanin’olona : fiteny samihafa, fahazarana samy manana ny azy, ny tany itoerana no iraisana fa ny fomba amam-panao toa mifanalavotra avokoa. Aty an-tanin’olona ianao nefa tsy maintsy hihezaka hanakaiky ny tompo-tany fa izany no hahamora ny fihezahanao hanatanterahana ny fianarana kasainao.
Mbola lavitra koa ny tanjo banjininao ho tratrarina ka ho feheziko ny hafatra irinay ampitaina eo aminao arakin’ny fiteny ny razantsika, zary vazivazy manao hoe : « Izay maharitra vadin-andriana, izay tsy maharitra vadin’i Ikotokely ». Koa mahaiza maharitra. Mitomboa faharetana sy finiavana fa tsy misy, hono, mafy tsy laitrin’ny zoto. Tadiavo ao an-tsimo, ndeha mandoa-baravarana ao avaratra raha sendra ny mafy toa tsy ho zaka irery fa ny mita-be, hono, tsy lanin’ny mamba. Ary raha sendra ny tena mafy tsy azo idifirana satria fantatra fa tsy ho lavorary izay atao dia ataovy toy : « Ny ovy am-bato, tsy ho voasaka-mbato fa haniry ihany na tsy ho tomombana aza. »
Ataovy ho tarigetra ny fahaiza-niara-monina fa io no voaloham-pahendrena satria ny diavolan-ko lava, ny kilalao mbola ho ela, ary ny anaovana ny nongonongona ho avo, hono, hitsinjovana ny iva. Atsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby, atsipy ny teny ho eny am-po ny mana-mpanahy
Efa lava izay voalazako rehetra izay, ka ny tsodrano dia : « Tongava amin’ny ambony indrindra, hitondra avo ny anara-ndray, tsy hahamena maso ny anara-ndreny, ho rehareha ny firenena » ; dia isika rehetra hiara miredona hoe :
« Aza mba manadino ny ray sy reninao, fa ireo no nitaiza sy nahabe toy izao.
« Aza mba manadino ny tanindrazanao, tsarovy ny tanana izay nahabe anao.
« Aza mba manadino Ilay Nahary anao, dia ho tony sy sambatra ny fiainanao, satria tsara tsodranon’Ilay avo indrindra. »
Soava dia Andriamatoa.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Rencontre 16 mai 2015
5. Rencontre FIMPIMA à Oberdorf, 16 mai 2015
Kabary d'accueil
Ramatoa filoha isany,
Ry namana tia sy lian-kabary,
Tompokolahy sy Topokovavy,
Ny akoho tsy mba fihinana amam-bolony, ny koba tsy fitsako aman-kodiny, ary ny lanonana tsy fanao tsy tarihina.
Tsy sanatria fisoko nilaozan’akoho, na kijana nilaozan’omby ny Fikambanan’ ny Mpikabary Malagasy aty amin’ny Sampana Atsinanana aty Frantsa, fa manoloana maro eto ianareo avanana sy tsara laza raha kabary no resahina. Ny tenako izay mijoro eto ankahitriny tsy aviavy ravakin’ny vohitra fa songosongo fanao antsim-boly ihany. Nefa nomena ahy ny fitenenana ka mahamailamalaka, fa raha tsy nomena mahasakodiavatra.
Koa raha salovanin am-pitenenana ianareo Tompokolahy, raha seranina am-pivolanana ianareo Tompokovavy, dia ianareo indrindra koa no mendrika omen-kaja, hitsiny omem’boninahitra, koa hangata-dalana aho, ary manao ny azafady raha hiteny eto anoloanareo.
Arosoko manaraka izany koa ny fialan-tsiny noho ny fiambakavakako am-pitenenana sy ny fahavotsavotsana raha mivolana. Miala tsiny aho satria toy ny mitafy lamba imason’ny tompony raha handray fitenenana eto. Ny tsiny mantsy maivana am-pilazana fa mavesatra am-pitondrana ary ny olona andrian’ny tsiny, hoy ny razantsika, savihin-doza amin’izay rehetra atao.
Koa sorohiko ny tsiny hisitaka amin-tsika amin’izao korana mpianakaviana izao. Tsy ny tsiny ho ahy ihany anefa no ahiliko, fa ny ho an’izay rehetra mbola iteny aho aoriana koa. Hanao maro vava tahaka ny sodina aho ka ho esoriko sy ho ariko ny tsiny tsy hiatra amiko ary tsy hianjera aminareo.
Noho izany andeha ary ny faniriana hanao ny marina mandrakariva sy ny fanaovana ny marina amin-izay rehetra atao no ho tarigetra ho tratranina fa ny asa atao no mahasoa na maharatsy ny fiaraha-monina. Raha afaka ny tsiny dia tsara antoka ny fifanajana ary dia ho mora am-panaovana ny fiavanana.
Afaka ny tsiny fanalan’ny vava, ny fondro fanalan’ny molotra dia ho mazava ny lala-kizorana ary dia ho maivana ny teny ambara.
Raha efa izany, dia atolotra anareo Andriampanana azy avy ny hasina sy ny arahaba fa tsy ho, kobonina anaty ankajo na ho fonosina anjoron-damba.
Ny zava-drehetra samy manam-tompo sy ny toerany avy ; ny loha samy manana ny azy, ny aina dia avy amin’Andriamanitra Irery ihany ; koa andeha ary ho atolotra azy ny laza , ny dera ary ny voninahitra ambony indrindra. Ka izy no hitantana hahatomombana izao lanonana anio izao.
Hitodika amin-tsika vory eto aho, tsy ho asina an-kolafiny tahaka ny akondro na hasikasinana tahaka ny voasary fa ho toy ny molo-bilany iray mihodidina ihany eo anivon’ny fianakaviambe ny pirahy tanindrazana malagasy aty am-pita, koa tolorana ankapobe ny arahaba voadinidinika sy ny akory voafantimpatina. Arahabaina manao ny soa, ho asoavina ; arahabaina manao ny tsara ho tsaroana. Tsy ho dila ny asambarana anie ny tsirairay avy, ho manan-jara tsara mandrakariva, ho feno fahombiazana amin’ izay rehetra atao.
Tompolahy sy Tompokovavy,
Izay no ela, ela saran-ny lalana sy voha-vavahady ela naha lehibe ny kely, ela nahamasaka ny manta, Raha nifampitaona isaka nandritra ny fotoan-mpiofanana fa hiara-paly anio ary dia tomombana antsakany sy andavany ny kinasa rehetra dia hafalina lehibe sy voninahitra ho antsika izany ka tsy ho atao ampatram-bary ary ilo mby an-doha ka tsy ho araraka antany.
Tonga eto ianareo havana sy namana hizara hafaliana aminay, tsy nataonareo toy ny antso an’efitra ka ako no ho namaly ny fanasanay fa tonga ianareo mira-tava ary baliaka fo, tonga ianareo tsy nasesikin’ny taotra, na ny enatra fa tonga nasesi-pitiavana ; faly sy ravo izahay mianankavy nomenareo voninahitra amin’izao fiara- mikorana izao ; satria hoy ny ohabolan-drazantsika hoe : ny mikalo irery manjoretra, ny mikialo tsy am-baliha tsy manga, ny mandihy tsy amin’aponga maivana ary ny lanonana tsy hatrehinareo tsy ho lavorary. Koa makasitraka sy mankateline indrindra Tompoko.
Maneo koa ny fisaorana ho anareo mpanpiofana aho : tsy ho avakavahana toy ny voly na ho soritsoritana toy ny volo ianareo. Nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ; ny azo hono no vanon-ko lakana dia ny tany naniriany no tsara ; telina avokoa izay nomenareo ho tsaroana atrany. Andriamanitra anie hanome andro lava ho anareo hifanatitra amin’janaka aman-jafy.
Ny fisaorana, hono, Tompoko, toy ny fary lava vany ka tsy lany amamiana koa hampitao ho amin’ireo tompon’andraikitra isan-ambaratongany sy isan-tsokajiny ny fisaorana azy ireo noho ny finiavany nahatomombana ny hetsika tao Châtenois sy tao Paris. Sitraka sy telina ny asa lehibe vita noho ny fanda-vatena nizy ireo
Hitodika amin-tsika mpikabary vao aho : ny zavatra ananana hono mitaky adidy, koa raiso ary ny adidy sy ny andraikitra mpiray dia tsy azo sarahina amin-ny fahalalana : « Hiaro, hanondrotra, hampiely ny fomba sy ny fahendrena malagasy ». Tsy adidy ny samy irery izany na ny samy manana ny azy, fa adidy tsy mainty iraisana, andraikitra hiaraha-mitondra raha tiana ho lavorary.
Ny andraikitra tsy an’olon-dradsy fa an’olon-kendry ary marikin’ny maha olom-banona.
Raha to izany dia isika rehetra no hiara-miredona hoe : « Izay tia ny tenin-drazany, tia ny Tanindrazany ».
Mankasitraka Tompokolahy hajaina,
Mankatelina Tompokovavy fanaja,
Misaotra Tompoko.
Hiroso amin’ny lanonana isika koa mandroso fa ho hery sy tompo-kafaliana daholo isika mianankavy amin-izay rehetra ho atao.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary mars 2015 (1)
6. Fisaorana farany
Izay Tompoko no masaka azo naroso, natao ifalian-tsika mianakavy. Tsy ho lavorary anefa ity andro anio ity raha tsy ho efa ny fisaorana fanehoam-pankasitrahana anareo.
Tosaky ny fo, teraky ny fitiavana koa raiso am-pitiavana koa Tompoko.
Am-panetre-tena sy fanajana feno no hijoroko eto, hangata-dalana raha hiteny ; hiala tsiny raha hitafa fohy satria ny fotoana tsy azo iamparana.Tsy aviavy ravakin’ ny vohitra aho, fa songosongo fanao sisim-boly ihany, koa atao ny azafady, aroso ny aza-tsiny ary iriana ny aza fondro Tompoko.
Isaorana Andriamanitra nahatontosana ity andro anio ity.
Zava-dehibe no tanteraka androany. Avy lavitra tsy nahalala fahalavitan-tany ianareo, tsy nanao ny hasasarana ho afa-nitana, nandao tonkantano, nandao fahazarana. Noho ianareo no hitohizan’ ny fitiavana sy ny hiroborobohin’ ny hatsaran’ ny fiteny malagasy : asa goavana tokoa no hiantsoro-anareo. Mahafeno talanjona sy fahankasitrahina tokoa ny finiavanareo Tompoko. Hampitao eo amin’ ireo mpiray andraikitra sy mpiara-miasa aminareo, eto Frantsa sy any an-Tanindrazana ny fisaorana sy fankatelemana atolotray ho azy ireo koa-ny lehibe ho voatehitehikia, ny kely ho voasafosafo-tsy hisy ho diso anjara eo amin’ ny valin’ asa izay nataonareo.
Inreto koa ianareo mpampiofana. Ny adidy tsy an-olon-dratsy, ny andraikitra tsy an-olo-malaina. Sitraka enty-matory ny fanomezan tenanareo Tompoko ho tsarona raha mifoa. Ho ela velona anie ianareo, hizara hasambarana amin-bady aman-janaka.
Dia inreto koa isika mpiara-niofana. Naharesy ankiviana. Ny tavan’ ny rahalahy, hoy ny fitenenana, maharanitra ny tavan-tsakaiza. Nifankahery, nifampitsinjo ka tonjo tamin’ izay nihezahana. Ho ela velona anie ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana teraka teo amin’ izany fotoana niarahana izany.
Andriamanitra anie homba ny asan’ ny Fimpima, hampitombo ny antso eo amin’ izay manan-talenta rehetra, hampiroborobo sy hampiely ny fahalalana ny kabary sy fiteny malagasy.
Izy hiany koa Ilay manan-karem-pahasoavana, tsy misy fetra am-pitiavana no mbola hiaro sy hitarika ny tsirairay hampahatanteraka izany faniriana izany.
Misaotra Tompoko
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary mars 2015 (2)
7. Ianao no mpitondra tenin’ ny fianakaviana amin’ny fiarabahana taom-baovao ny Ray aman- Dreny
Eny ry Dada sy Neny malala, nahitana masoandro,
Arahaba notahin’ Zanahary.
Andriamanitra be fahasoavana, loharano-pahendrena sy fitiavana, nitantana antsika mianankavy hiara-paly amin’ izao Asaramanitra izao.
Hoy ireto zandriko : « Ny manan-joky afak’ ola-teny ». Nekeko izany fa teny nomena ka mahasolanga, fa raha tsy natolotra mahajoko. Hiondrika hanao azafady, hangata-dalana raha hiteny mialoha anareo. Ekeo re ny fangatahan-dalana Tompoko.
Miala tsiny ihany koa fa toy ny mitafy lamba eo imason’ ny tompony aho raha hitafa eto anoloan’ anareo ray aman-dreny. Ny teny maro tsy ialan-diso ary ny mihinam-bary aza, hono, misy latsaka. Koa handeha ho arian-tsika ny tsiny ho entin’ Ikopa any an-dranomasina ka tsy hahavoa ahy, tsy hikasika anareo. Ary ny fitadiavana ny marina sy ny hitsiny kosa no ndeha ho hihezahana ho mari-piainana mandrakariva.
Dia mbola mameri-pisaorana an’ Adriamanitra ihany noho izao andro anio izao : andro mpiaonana sy fifaliana.
Indreto izahay zanakareo ry Dada tsy foy, ry Neny malala, tonga eto tsy noterena fa tonga an-tsitrapo, nasesim-pitiavana. Faly sy ravo tokoa mahita anareo feno fahasalamana. Raha izay rehetra mametsovetso ao am-po no hoborahina etoana dia arain’ andro eto isika. Koa ao ny mbola iaraha-misakafo hitohizan’ ny tafa sy ny anatranatra, ary ireo zafinareo dia nanoman-korana ihany koa.
Hohafohizoko ary ny teny.
Ho mari-pisaorana sy fahatsiarovana ity Asaramanitra ity dia manolotra fanomezana kely ho anareo izahay. Tsy araka ny faniriana no vita, nefa ny fo manolotra sy ny hafaliana no mameno azy fa tsintsina mitondra vonin-tenona ihany, ka izay eran’ ny vava no nentina.
Hoy ny faniriam-pon-ireto zanakareo : ho mamy tian-tsoa, ho mangity lavitry ny ratsy, anie ianareo mivady ; dia ho taom-panambinana sy ho taom-pinjijana ity taona vaovao ity.
Tsofy rano ireto zanakareo - ny tso-drano zava-mahery – mba hahatontosa izay ho kasahina atao ka ho to ilay fiteny hoe ny saobakaka aza mampidi-ndrano an-ketsa raha mety ny atao fa raha midila ny anjara ny ronono aza mahakofona.
Andriamanitra hanome taona maro hiaraha-mirisarisa, hahatratrarana tsingeri-taona maro hanaraka.
Ho ela velona, hifanatitra amin-kafaliana amin-janaka aman jafy anie ianareo.
Mankasitraka feno ry Dada sy Neny.
Ho an’ Andriamanitra ny saotra sy ny haja lehibe indrindra.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary mars 2015 (1)
8. Fampafantarana ny tena
Andriamatoa sy Ramatoa tompon’ andraikitra isantsokajiny sy isan’ ambaratonga eto amin’ ny Fimpima,
Tompokolahy sy Tompokovavy :
Ny zava-drehetra misy fiandoana sy fiafarana avokoa,
Ny faran-ny taom-pianarana dia ny fanadinana
Tonga amin-ny fotoana nifanaovana isika dia ny fiantsana amin’ izany fanadinana izany.
Koa manao azafady aho raha hiteny manoloana ny haja aman- boninahitrareo. Manao aza tsiny koa satria mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra teny.
Ary misaotra an’ Andriamanitra lehibe isika satria raha tsy ny fahasoavany sy ny fandaharany tsy ho tomombana izao fihaonan-tsika izao.
Koa manolotra ny arahaba vaventiventy sy ny manakory voafantimpatina ho antsika rehetra.
Ny tenako izay mijoro manoloana anareo dia :
- Jacqueline Rasoazanany Kohler
- Mpiofana ho mpikabary avy ao amin’ ny sampana Strasbourg (rantsana Mulhouse)
- Andia : Soimanga.
Ny nanosika ahy hiofana ho mpikabary dia :
- Atrin’ ny ela dia efa lian- kabary tokoa aho, nefa tsy afa-nanoatra noho ny fotoana sy ny antony maro
- Tamin’ny faran' ny taona lasa iny dia nanolo-kevitra hanokatra rantsana tao Mulhouse ny sampana Fimpima tao Strasbourg
- Akaiky ny toerana misy anay i Mulhouse koa tsy nisalasala ao nisoratra anarana anaraka izay fampiofanana omena ao.
Ny fiantsana izay anjarako sy nofidiako dia :
Ianao no ho mpitondra teny ny fianakaviana amin’ ny fiarabahana taom-baovao ny Ray aman-Dreny.
Koa am-panetre-tena lehibe no hanaovako izany manoloana ny haja aman-boninahitrareo.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary Asamanitra janvier 2016
9. Asaramanitra : 13 janvier 2016
(Saint-Marc, Mulhouse)
1. Sava-ravina
Andro fito mifanohy tonga herinandro, ny herinandro mitambatra ho volana, ny volona mifanesy dia indro tonga ny faran’ny taona. Ny taona iray miverina no tsingerin-taona. Tratrin’ny tsingerin-taona ny Asaramanitra isika. Tolorana ny arahaba voadinidinika sy ny akory voafatipatina tsy misy avakavaka na ny kely na ny lehibe.
Raha mijoro eto ny tenako, dia nomena hay ny fitenenana ka mahamailamailaka fa raha tsy nomena mahasakodiavitra, ary voninahitra hifanomezana, haja ifanolorana ny antsika, fifanajana mitahy fiavanana koa dia iaraha-mizara izay ho atao.
Ny filohan’ny fikambanantsika, niteny teo aloha dia nanilika sy nandevina ny tsiny amam-pondro tsy ho eto amin’ity korana ity, koa tsy iverina amin’izany intsony aho. Raha afaka ny tsiny dia hangata-dalana ao raha iteny eto anoloanareo.
Nomen’Andriamanitra tombon’andro isika ka tratry izao Asaramanitra izao. Andro hifampiharabana nahatafitana soa aman-tsara ny taona lasa, na dia tao aza ny zava-tsarotra maro nahabe tebiteby sy tsy nahitan’tory. Ny faniriana dia tsy ho dila fahasalamana anie ianao, izaho ka hanefa an-kafaliana ny andraikitra tandrify anao, tandrify ahy.
Andriamanitra no nitantana teo amin’ny lalana samihafa nodiavin-tsika teo amin’iny taona lasa iny. Izy no namafa ny ranomaso raha jo-mpaoriana ary nanome aravoana feno teo amin’ny fotoam-pifaliana. Izy no nitarika nahatonombana izay rehetra vita teo aloha ary tohizana ankehitriny. Ho azy irery anie ny dera, ny laza sy ny voninahitra tsara indrindra.
2. Ranja-kabary
Izay no ela Tompokolahy sy Tompokovavy, tsy tokonana azo nodinganina na fampita azo nihodivirana izay voalaza teo aloa fa lalana tsy maintsy narahina hahafana manao ny manaraka dia : ny arahaba sy ny firariantsoa amin’izao Asaramanitra izao.
Tsy nasesikin’ny taotra, na nasesik’henatra isika raha vory etoana, fa natosi-mpitiavana hizara hafaliana. Ilo mby an-doha tsy araraka an-tany, koa isika rehetra no iara hikalo, iara handihy, dia ho tomombana tokoa ity lanonana amin’ity Asaramanitra ity. Ny arahaba sy ny firarian-tsoa mantsy amin’izao andro anio izao dia toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana, ary tsy ny tonon-andro, iray toa zato toy ity andro anio ity va no fotoana tsara indrindra hifampiarabana sy hifampirarian-tsoa…, koa aza omen’tsiny ahao raha hameriberina izany.
Sambasamba notahin-Janahary Tompoko. Arahaba soa, arahaba tsara tratri-izao Asaramanitra izao. Ny fiainana tsy ialan-java maro mifamohafoa, ny tsiky mandrakariva harahin-tsento…, izany dia didi-mpiainana eto an-tany ; tao koa ny zava-maro nahabe tahotra sy nampihorohoro fo aman-tsaina ; ka ny faniriana dia : ho hambinina amin’izay rehetra isasarana, tsy ho solafaka an-dalana na ho tafintohina am-pandehanana, hieren-doza amin’antambo, ho tojo ny soa izay tadiavana, ho sendra ny tsara izay katsaina anie ny tsirairay, ary dia ho entin’iny taona nivalona iny ny ratsy rehetra nanorisory.
Isaorana Andriamanitra nohon’ireo asa maro vita nandritra iny taona 2015 lasa iny. Asa nitondra hafaliana sy nahitana fahafinaretana – loharano mpahasambarana – tsy voavidi-mbola aman-karena...
Andro hitodiana ny lasa, hibanjinana sy hamolavolana ny ho avy ny andro toy izao. Izay rehetra ho hatoa dia hitaky ezaka avokoa ; ny firaisan-kina sy ny fandavan-tena harahin-kazotona no hahatontosana izany eo amin’ny fikambanan-tsika, koa andea ary hiara-hientana ka ny tsy mahay sobika hanao fantam-bary fa tsy misy mafy tsy laitrin’ny zoto ; dia ho taom-pahombiazana tokoa ity taona vaovao ity.
Tsetratsetra tsy aritra no atolotro ho antsika ho enti-manomboka ity taona vaovao ity.
Eo anoloan-ny fahasarotam-piainana amin’ny fanabehazana ny zanaka aman-jafy – vato fehizoro ny fianakaviana rahampitso – dia miverina ao an-tsaina ny fahendren’ny taolo manao hoe : « Zaro amin’ny lalana tokony ho halehany ny zaza fa ho tsaroiny sy ho fidiny lalandava izany na dia antitra aza. Handroso fahendrena omba-mpahaizana mandrakariva anie ireo madin-tsika ka sady ho reharehan’ny fianakaviana – hitondra avo ny anaran-dray sy reny, no ho andry azo antoka eo amin’ny ady piainana rehetra.
Indro ianareo tanora maintso volo : « Tsy haniry olona fa ho hirin’olona. Hajao izay efa anjaranao dia hanaja anao izy ; fa raha tanora no tsy jejo hono, aleo maty ho razana. Ataovy toy ny talenta ny anjara nomena anao ka na izay kely ananana aza ento-mitia-havana hanamafy ny fiaraha-monina. Tsy ho aviavy ravakin’ny tanana daholo, na ho songosongo, hazo kely mpiaro-voly fotsiny ihany daholo koa ny rehetra, fa maro sosona ny fiainana ka ny fototrin’ny fanjakan’ny mpitongra dia ny vahoaka tsy vakivolo, ary ny filaminana sy ny fiadanam’bahoaka dia ny manam-pahefana no tsara fitondra. Raiso ny adidy sy ny andraikitra omena anao fa ny olom-banona no tolorana izany.
Ny kintana an-danitra hono sakaizam-mbolana ka mahay mifanotrona, isika olom-belona iray mpihary sy mpitondra ka raha te-ho sambatra aoka hifampitsinjo. Nefa tsy ho atao toy ny sitrak’andro anaovana toy ny tongontromby miosy anie izay soa hifanaovana fa kosa ho sitraka enti-matory, telina ho tsaroana raha mifoa.
Ho taona hahaizana manome sy mandray ny soa sy ny tsara rehetra anie ity taona ity satria fanomezan’Andriamanitra daholo ny aina sy izao zava-boahary rehetra izao.
Androso ho amin’ny fiaraha-misakafo sy ny korana isika. Mihira sy mifalia arak’izay fahafam-ponao. Ary dia hiara miredona isika mianankavy hanao hoe : « Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany ». Misaotra Tompoko.
--------------
Raha handray fitenenana eto ao anefa, dia toy ny mitafy lamba eo imaso ny tompony nefa indreo manoloana ahy ianareo avanana sy tsara laza raha kabary no resahina, koa dia hailiko ny tsiny. Manao aza tsiny aminareo ao Tompokolay sy Tompokovavay. Ny tsiny mantsy toy ny tsipak’ombilahy, raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina, ary ny tsy afa-tsiny-zava-doza daholo izay atao rehetra koa dia ho alevina, tsy ho afa miverina ny tsiny ho any andavakin’ny elo.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary 150206b
10. Fanokafana Fampiofanana
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny hisavasavana ny ravina, hahitana ny fotony, ny hianaran’ hain-teny sy kabary hikaroana ny fiandohan’ny teny. Ny ranomasina no mafy fanonja, hono, ny volana no feno manana, isika no mihaona eto dia noho ny fanirina hianara-miteny sy hikabary. Mijoro eto ny tenako, misolo-tena antsika mpianatra ; notolorana adidy ka sady voninahitra izany no mari-pitokisana koa. Am-panetrehan-tena no andraisako fitenenana eto anoloanareo mpampianatra. Ny haja Tompoko ifanolorana, ny voninahitra ifanomezana koa manao azafady raha hiteny mialoha anareo fa teny fanokafana ny fampiofanana no anjara natolotra ho ahy. Sarotra anefa ny miteny koa dia mbola miala tsiny koa raha hiambakavaka raha handahatra, ary raha ho votsavotsa ny lela raha hivolana. Manana adidy ny vava miteny, ary ny teny maro tsy ilaozan-diso. Tsy aviavy ravakin’ny vohitra koa anefa aho fa songosongo fanao sisim-boly fotsiny ihany, ka atao azafady re tompoko izay mety tsy ho lavorary, ary aza omen-tsiny raha misy diso ny fiteny. Manaraka izany dia hisaorana Andriamanitra nanome fahasalamana sy hery ary nitantana antsika ho tonga eto ankehitriny na dia eo aza ny atsiaka. Ho hajaina mandrakizay anie ny anarany. Mbola atolotro ho antsika tsirairay avy koa ny arahaba toy ny arahaban-drivotra é, ka ny lehibe voatehatehaka, ny kely voasafosafo, ho tojo amin-ny soa sy ny tsara lalandava anie isika rehetra.
Izay no ela tompoko, koa dia hiroso amin’ ny fanokafana ny fotoam-piofanana isika. Fotoana nandrasan-tsika tamim-paharetana ity andro ity, satria tonga amin’ny hoe : « Nitady toko ka sendra vato, nitady ho atao ka tojo andraikitra ». Atrin’ ny ela no nanirian- tsika hianatra hain-teny sy kabary, ka feno mitafotafo ny hafaliana ankehitriny fa tafaray ny tia sy ny tiana. Izanykoa no atao hoe mangetaheta ka tojo rano, noana ka tojo-tsakafo. Dimy volana anefa no hanarahina izao fiofanana izao ary dia be dia be tokoa ny fahalalana sy fahaizana tokony ho azo mandritr’ izany fotoana izany, izay hofaranana amin’ fanadinana. Ho toy ny eo an-dranomasibe midadasika isika mandritr’ izany fotoana izany : mbetikia hitopatopaka, mbetika hanonjahonja, ny sambokelin-tsika miaritra izany onja izany, ny faniriana dia ny ho tafita daholo nefa mety koa hisy ho rendrika raha sendra ny onjan-drano mahery loatra. Ny amisavisaina ny ratsy, hono, iavin’ nisoa, koa samia ho tahin’ Andriamanitra atramin’ ny farany ; tsy misy mafy sy laitrin’ ny zoto ; izay maharitra vadin’ Andriana, izay tsy maharitra vadin’ Ikotokely. Fahombiazana no tadiavin-tsika ka aoka ny ezaka no atao avo loha. Nahafoy fotoana, nahafoy andro, nandao asa na fialam-boly, ka tonga eto ankehitriny ; ny faniriana dia ho tonga ventiny anie ny nisasarana fa fifaliana ho an’ny mpianatra ary ho mari-pisaorana ho an’ ny mpampianatra izany.
Mbola be no tiako ho lazaina, nefa efa eto daholo izao ny avy amin’ ny vazatany efatra ary vonona ny masaka koa andeha ary re androso. Arahim-bavaka, arahin-tsodrano izay rehetra ho atao. Tonga eto nasesim-pitiavana isika ka ho faly handray ny tandrifiny avy, tsy ho diso anjara, ho arahim-pahasoavana. Misoatra Tompoko.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary 050215a
11. Fisehoana : kabarin’ ny mpangataka amim-panabadiana
1. Fanotaniana hivorina
Ny manontany, hono, tompoko, tsy ananan-tsiny, ny manadihady tsy ananam-pondro ; nefa kosa ny andraso, andraso mahariva ny andro, ary ny andao, andao mahavery entana ; koa na maika aza isika mianankavy hanatrika ny fampisehoam-pitian’ireto zanatsika, dia tsy hitondra entan’ tsy voafehy. Ka hoy izahay hoe : « Efa eto ve ireo andrianjahonoan’ ny fianakaviana ahafahana mandroso amin’ ny resaka sy ny dinika sa mbola misy ny andrasana ?
(Valin ny pamohaka )
2. Famaliana noho izany itohizan’ny hataka
Ry izy mianankavy, ny haja ifanolorana, ny voninahitra ifanomezana. Ny mpaka afo, hono, manatsafa na dia efa midonoka aza ny tapenaka, mba ho fanajana ny tokonana hodinganina. Misoatra tompoko satria nampandroisonareo tsy nisy fihambahambana izahay. Afaka hiroso amin’ ny atin dresaka sy ny dinindinika isika satria efa eto daholo ireo angady mahatapak’ ahitra, solon-tenan’ ny fianakaviana, atrehi-mahahefa, iambohon-mahavita izy ireo. Aloan’ny hidiran-tsika amin’ ny anefa dia tsara tokoa ny hisaorana an’ Andriamanitra, nitantana sy nivimbina antsika ho amin’ ny izao, andro anio izao. Ho azy irery ihany anie ny haja sy ny dera ary ny saotra… Dia afaka hiroso amin’ny resaka Tompoko fa tsy noheverinareo ho teny amoron-dalana teny ny resaka tokony hifanaovantsika, fa atao eto ambany tafon-tranonareo ankehitriny.
3. Ranjan-kabarin’ ny pangataka
a) Savaravina, antso, tari-dresaka
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny hisavasavana ny ravina, hono, hahitana ny fotony. Koa indreto eto daholo inanareo, ray sy reny nahitana masoandro, nitaiza nahalehibe. Isika no mihaona ampifaliana etoana, dia ho vavolombelina ny fikiavan’ ibema an’ I Nivo zanakareo.
b) Tetezamita
Koa andro iray toa zato lehibe ity andro anio ity, fitia roa nifankahita, vonona hiara-dia mandra-maty, no antso-pon’ ireto zanan-tsika hotronina etoana izao.
Nandondona izahay, ary nampandrosoanareo. Nomenareo toerana manokana i Bema, zanakay. Misoatra tompoko.
c) Fanirian’ ny zatovolahy sy fanotrorana azy
Tedrombohitra niteraka havoana, havoana nisin’ ny vodivona, vodivona nanome ny tanety, ny tanety nisin’ ny lohasaha, lohasaha nampiboika ny loharano, loharano niteraka ny ony, ony nimpoiran’ireto zanantsika ireto. Eny Tompoko, marina sady hitsiny ny fangatahanareo hifankalalantsika misimisy kokoa satria manalasala ny mitafo amin’ olon-tsy hay
d) Tetiaran’ny zatovolahy sy zatovavy
Bema : Randria sy Rasoa
Ranaivo sy Razafy (avy amin-drainy)
Ramaro sy Ranoro (avy amin-dreniny)
Misaotra Tompoko amn’izany fampahafantarana nataonareo izany ; raisinay am-pifalina ny voalazanareo. Alohan’ ny hitohiza’ ny tafa dia ataonay ho setrin’izany ny anomezanay ireo anaran-dray sy reny i Nivo.
Nivo : Ratsimba sy Ravelo
Rakoto sy Rabodo (avy amin-drainy)
Rafidy sy Rahely (avy amin-dreniny)
e) Fanasohasoana ny zatovavy
Eto aminareo no mahitan’i Bema ilay rofia ravakin’ny ala, sahondra ravakin’ vato, railova andriam-borona an’ala manga feo ary maro ny tovovavy, raha jerena ety ivelany mamerovero fa ny zanakareo, Nivo, ihany no nandrian’ ny sainy ka nofidiny hamoron-tokantrano miaraka aminy.
f) Fangatahina
Ny anton-dianay eto aminareo izany tompoko, dia ny fangatahinay an’i Nivo, zanakareo, hanoron-tokantrano izy roa ary ny dina hifanaovany dia ny hifanafy raha rovi-damba, hifamahana raha noana, hifapionona raha tra-pahoriana ary hifanotrona raha faly.
g) Fisaorana ombam-panetren-tena
Amim-panetren-tena no anaovanay izao fangatahana izao satria ny mpangataka, tompoko, tsy mahery, nohon’ ny mpanome, ary ny fanambadiana no lavorary sy tanteraka dia teny ierana avy amin’ny fototra niandohana, na dia eo aza ny fanirian’ izy roa hanoron-tokantrano. Manantitra ny fisaorana sahady amin’ izay valin-teny omenareo tompoko.
4. Ranjan-kabarin’ ny mpamoaka
5. Tokim-pitiavana sy ny adidy aman-daloha
a) Fisaorana noho ny fanontaniana tokim-pitiavana
Hoy ny razan-tsika hoe : « Raha misokatra ny vilany , dia, hita ny ao anatiny, ary raha miteny ny olona dia hita ny ao am-pony. » Tsapanay ny hasarobidin’ ny zanakareo sy ny fitiavanareo ny zanakay. Koa fitia mifamaly no mampiray antsika ary ny herin’ Andriamanitra anie hiaro sy hitantana izany haharitra mandrakisay.
b) Tokim-pitiavana sy fanehoam-pahavononana amin’ny adidy aman-doloha
Ny hazo no soa fidoroboka, tsara vahatra mpamelon’aina, ny lehilahy no meva fiatrana toy izao, dia efa ao anatin’ny fahamatorana. Ny mpianala tsy manadino famaky, ny lehilahy hangata-bady tsy misaraka amin’ny fitia toy ny loharano tsy manam-paharitana : raha ririnina misy ho tsihifina, raha fahavaratra be hatsakana. Mpitondra teny anefa ny tenako koa iangaviako ianao, zanako lahy, hitsangana sady hihatoka raha marina izay voalazako izay.
c) Fananterana ny fangatahana ny zatovavy
Izany no ela ry izy mianankavy, fa ny manina hono tsy mena-manafatra, ny tia tsy mena-mitafa, koa mangataka re ka omeo ê !
6. Fanomezana ny zatovovavy
a) Fisaorana noho ny valim-panontaniana sy ny fanomezana an-drazazavavy
Misoatra, tompoko, noho ny valim-panontaniana nomenareo, fa voninahitra ifanomezana ny antsika. Omem-pahakasitrahana feno ianareo satria vonin’kaja ny fianakaviana. Namaly anay tamin-panajana sy fitiavana ianareo koa dia isaorana eram-po, sitrahina eran-tsaina.
b) Fanantitranterana ny maha zava-masina ny fanambadiana
Ny fitia fitafy ka izay manaja azy omeny voninahitrea koa mahaiza mitondra tokan-trano ianareo roa sombin-naiko ; ataovy ho rehareha mandrakariva ny fianrahamoninareo. Ho toeram-piadanana amin’ny soa izay omen’ Andriamanitra. Nefa raha sanatria toa mievaeva ny fitiavana, ataovy ho adidy masina ny fitadiavan-hery vao,eo anoloan-ny tsy lavorary mahaiza mandefitra sy manetri-tena, fa henatra sy nenina mangidy no ho vokatrin-ny fisarahana. Koa hajao ny tokatranonareo hanajany anareo. Eto am-pahendrena ny firaisanareo aman-kavana fa tsy hisy ho havako sy havany, fa ataovy ho iray.
c) Fanekena ny fanomezana ny tovovavy
Raha tonga teto izahay tsy nanao sinto-mahery fa tonga tamin’ny teny malefaka sy rarim-pihavanana, ka hoy ianareo hoe : « Tsy misy volo manohi-drandrana, na vato misakan-dalana izahay aty, koa dia atolotray amin fo feno fitokiana, tsy misy ahiahy i Nivo zanakay hanoron-tokantrano amin’ i Bema zanakareo. ». Ary satria teny lany eran’ ny fianakaviana izany, Tompoko, ka tsy iova intsony, ataovy tsara tsodrano iretro sombinain-tsika. Misaotra eram po.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary mars 2015
12. Fisaorana farany
Andriamatoa
Ramatoa
Ry mpampiofana
Tompokolahy sy tompokovavy,
Izay kely vita ifalian-tsika mianakavy fa tosaky ny fo, teraky ny fitiavana. Resy ny ankiviana, tanteraka soa aman-tsara ny nihezahana ary tody ilay tanjo niriana ho tratrarina.
Koa arahaba soa ho antsika rehetra.
Raha iteny am-panetrehan-tena sy fanajana eto anoloanareo anefa dia arosoko ny azafady ; mangata-dalana hitafa eto anoloan’ny voninahitrareo, satria tsy aviavy ravaky ny vohitra aho fa songosongo fanao sisim-boly ihany. Ny teny tsy ifandrombahina fa natoa ifanomezana, ny teny maro anefa tsi ialan-diso ka manao aza tsiny raha nisy tsy ho voalaza na diso izay ho ambara. Ny miteny tsy afa-tsiny dia toy ilay naka rivotra tany Imamo, rivotra no notadiavina, atody tazo no nentina nody. Koa ialako ny tsiny mpitera-doza, halevina lalina any an-davakin ny elo tsy hitera-doza na amiko na aminareo. Ari ny fitadiavana ny marina sy hitsiny kosa no hihezahana ho mari-piainana mandrakariva.
Andriamanitra ilay efa nanome tombon’ andro ho antsika dia isaorana eram-po eran-tsaina-eram-panahy, noho ny fitiavany ka, nanome hery hanatotosana ity andro ity.
Izay no ela Tompokolahy sy Tompokovavy,
Zava dehibe no tanteraka androany.
Fisaorana feno no atolotra ho anareo avy lavitra, tsy nahalala fahalavitan-tany na hasasarana fa nandao tokandrano, nandao fahazarana ka tonga etoana. Noho ianareo no hitohizan’ ny fahalalana ny hatsaran ny fiteny malagasy. Ny fitiavana sy ny finoavanareo no loharano niseoan-izao asa goavana ataonareo izao. Mankasitraka tompoko. Ao koa ireo mpiray andraikitra sy mpiray asa aminareo na ny eto Frantsa izany na ireo any an-tanindrazana. Tsy mitandro asasarana fa andro aman’ alina, mitady izay hampandroso sy ampiely ny kabary malagasy. Ento ho amin’ izy ireo ny fisaorana sy fankatelomana atolotray tsy misy an-kanavaka fa arahaba drivotra : ny lehibe voatehatehaka, ny kejy voasafosafo, tsy hisy ho diso anjara eo amin’ny valin’asa izay natao.
Ho tody soa any amin’ ny tany niaingana anie ianareo tompoko.
Ho lava velona hamafy soa ka ho tratra antitra hioty hasambarana eo anivon’ ny fianakaviana sy ny firenena.
Eto an-toerana dia tsy hadino ireo mpamiofana, nantsoin-andro dia indreo, nantsoina alina dia mbola indreo ihany koa. Ny adidy tsy an-olon-dratsy, ny andraikitra tsy an-olo malaina, ny soa atao levenam-mbola, ny tsara vita tohatry ny ho avy. Tanteraka an-tsakany sy andavany ny fampianarana nanpanantenai-izy ireo koa fisaorana feno no atolotra ho azy avy. Sitraka ety-matory tompoko ny finiavana nasehonareo, ho tsarona raha mifoa. Ny marainanareo anie hahafinaritra, ny antoandro hahasoa ny alina hahatretrikia. Ho ela velona anie iaranareo hizara fahasambarana amin-bady aman-janaka. Mankatelina tompoko.
Dia indreto isika mpiara-miofana. Natetika kivy nefa nahay nifanoana. Tsy adino koa ny fihomehezana sy ny fiara-nikorana. Ny tavan’ ny rahalahy maharanitra ny tavan’ny sakaiza hoy ny fitenenana : nifankahery, nifampitsinjo isika ka izany no maha-androm-pifalihana ity andro anio ity. Ho ela velona anie ny firaisankina sy fifankatiavana teraka teo amin-izany.
Ho faranako nt teny. Andramanitra anie homba mandrakariva ny tsirairay avy. Ary ny firenena malagasy anie : ny atsimo tsy ilaozan-kafaliana, ny avaratra ombam-pasoavana, ny atsinanana ho henik’ aravoana, ary ny andrefana ho feno fiadanana.
Andriamanitra manank’ haren-pitiavana no mbola hiaro sy hitarika hampahatanteraka izany.
Mankasitraka tompokolahy
Mankatelona tompokovavy.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA Kabary mars 2015
13. Fanontaniana ny tokim-pitiavana
ataon’ny mpamoaka
Misaotra amin’izao fijoroan’ nareo eto anoloanay izao mba hidinidinika ny ho avin’ireto zanantsika. Ny hisavasavana ny raviny ahitana ny fotony ary tsy hisin’ ny nenina handatsa any aoriana. Tsy mpamoaka mila voatsiary anefa izahay (na mpila vanona !) fa matoa manao aro-riaka raha main’ andro, hono, matahotra ny tondra-drano raha fahavaratra. Ny manontany tsy mbatsiny.
Atao ny azafady ary ialana ny tsiny. Azafady raha hiteny ary aza omen-tsiny koa fa resaka hifamaliana mahatsara fiavanana fa ny ampo tsy milaoka mandrava firaisana.
Andriamanitra izay nanome tombon-andro sy nitantana ny dia ka nahavorian-tsika eto ankehitriny anie mbola hanome ny fahasoavany hahalavorary ity andro ity.
Izay no ela ry izy mianankavy koa dia hiroso ho amin’ ny lalidalina kokoa isika ary ho mivantana ny fanontaniana : « Manao ahoana tokoa ny tena fitiavanao an’ i Noro zanakay », sao lahy fitiavana fotsiny teny am-pakan-kitay ka levona eo am-pisoronana na afo zozoro miredareda am-piandoana, fa mora maty fa ny lavenona tsy mahamasa-bary. Ny fanambadiana anie ka toy ny lamban’ akoho ka faty no isarahana. Hitanay etoana ny fitianao ankehitriny fa ny ampitso sy ny ho ela no tianay ho fantarina, hahazoana toky sy hanomezan’ tsodrano.
Raha manadihady izahay andriamatoa dia satria, hono, raha tiana hateza ny lamba tinafy, tsongoina ny tenony fandrao tsy mafy.
Tsy zaza tsy tiana ny zanakay, ka zara raha misy mpangataka na akoho tsy hoby fisoko ka avaoka voa maizim-mbolana fa io ny anay no tsikitsiky fanala toreo, io ny anay no kalokalo fanala hamohamo.
Ny vavaka sy ny entsim-po ankehitriny dia ho maro andro hiara-misaina anie ianareo roa, koa sitrakao ve ? ny :
- hitsabo raha marary,
- hanafy raha rovi-damba,
- hamahana raha noana,
- hanome rano raha mangetaheta,
ary raha ho tonga ny tsy azo ielana, fa izany no lalam-piainana ny manan’ aina :
- handevina amin-panajana sy amin-kaja raha maty.
Manampy izany ireo adidy aman-doloha tsy maintsy ho atreina satria raha tiana, hono ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha, koa ianao no :
- handeha amin’ ny ira pohy sy ira-dava,
- hanala ny songon’asa tsy vita,
- hanarona trano vaky vovonana,
- kiady ny kamboty, ho andry ny manano-tena
ary indrindra indrindra ianao no ho :
-voninahitry ny fianakaviana.
Ireo sy ny maro koa no mbola ho adidy sy andraikitra miandry sy hiankina aminao andriamatoa. Ao koa ireo eo amin’ny fianakaviana. Aza manao havako sy havan’olona fa ataovy mitovy lanja ny fiavanana, fa trano atsimo sy avaratra ireo ka izay tsy mahalehy-kialofana. Koa “ambava homana, am-po mieritreritra”. Raha sanatria mbola misy fisalasalana aleo mijanona amin’ izao ihany.
Atolotra anareo am-pahatsorana izay voalaza ka ataovy ho masaka tsra ny fanapahan-kevitrao andriamatoa mba tsy hisy hanenenana raha se-pahoriana na fahasahiranan-dehibe, na eo anoloan’ ny tsy nampoizina, ka tsy ho henatry ny tena sy ho fahafaham-baraka ho an’ ny mpianankavy.
Nefa tompoko, matoa hianareo tonga eto, ka mifanatrika isika mianankavy dia ataonay fa efa vonona ianao andriamatoa. Loha-miara-mihevitra isika koa raha be ny fanontaniana dia tsy ananan-tsiny, tsy hisy fondro satria zava-dehibe no resahina : ny fanambadiana dia ho mandra-maty ; koa mametraka indray ny fanontaniana tery am-piandohana izahay : “ Manao ahoana tokoa ny ftiavanao an’i Noro zanakay ? “
Andriamanitra anie hanome fahendrena ho an’ tsirairay hitarika ny saintsika ho eo amin’ izay ho fandaharany. Ho azy mandrakariva ny haja sy ny voninahitra avo indrindra.
Dodona tokoa izahay handre ny vali-teninao Andriamatoa.Misaotra tompoko.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
14. Ianao no mpitondra-tenin-ny fianakaviana
Amin’ ny fiarabana taom-baovao ny
Ray aman-dreny
Eny, ry dada sy Neny, nahitana masoandro,
Arahaba notahin-Zanahary
Hisaorana Andriamanitra be fahasoavana, loharano-pahendrena sy fitiavana nitantana antsika mianankavy ka tafaona amin’ izao andro taom-baovao izao.
Hoy ireto zandriko manoloana anareo hoe : ny manan-joky afak’ ola teny, koa dia nomeny ho ahy ny fitenenana. Raha ivolana, isolo tena azy ireo aho dia manao azafady aminareo fa teny nomena izao ka mahasolanga, fa raha tsy natolotra dia mahajoko. Hiondrika hanao azafady, hangata-dalana raha hiteny mialoha anareo. Manaraka izany dia miala tsiny fa mitafy lamba eto imason’ny tompony, satria hiteny eto anoloanareo Ray amandreny. Ny tsy fialan tsiny, mamery hasina ny mpianakavy. Koa ialako ny tsiny satria tsy zakan’ny teo aloha, ka ombako tsy mahazaka ihany koa. Handeha alevina any an-davakin’ ny elo ny tsiny ka ho levona. Ary ny mitadiavana ny marina sy ny hitsiny kosa no hihezahana ho mari-piainana mandrakariva.
Tsy ho lava tari-dresaka aho, nefa tsy azo ho hadinoana ny fisaorana an’ Andriamanitra nanome antsika tombon’andro, hiara-mifaly sy mikorana etoana. Ho azy ny saotra sy haja lehibe indrindra.
Izay no ela ry Dada tsy foy, izay no lava ry Neny malala fa indreto ny zanakareo nasesim-pitiavana, tsy noterena fa tonga an-tsitrapo eto anoloanareo, loharano nisehoana. Faly sy feno haravoana tokoa izahay mahita anareo miaina eo anivom-pahasambarana feno hery sy tanjaka ary fahasalamana toy izao.
Raha izay rehetra mametsovetso ao ampo, no hoborahana etoana dia arain’ andro eto isika ; nefa ao ny fiaraha-misakafo sy ny korana noman’ireo zafinareo, koa dia ho afohizoko ny teny.
Ho mari-pisaorona sy fankasitrahana dia manolotra fahatsiarovana kely izahay . Kely tokoa raha ampitahina amin’ ny soa sy ny hafalina no mameno tsara noraisinay avy aminareo, nefa ny fo manolotra sy ny hafaliana no mameno izany ry Dada sy Neny fa toy ny tsintsina mitondra vonin-tenona ihany ka izay eran’ ny vava no nentina.
Andriamanitra hanome ho antsika mianakavy taona maro hiaraha-mirisarisa. Ny fahasoavany no homba antsika hahatratrarana ny tsingeri-taona maro hanaraka.
Tsofi-rano ireto zanakareo mba hahatontosa izay rehetra hokasaina hatao mandritra ity taona vaovao ity ho araky ilay fiten hoe raha mety ny atao na saobakaka aza mampidin-dranon-ketsa, nefa raha tsy mety kosa ny atao na ronono aza mahakofona.
Ary ianareo mivady ho mamy tian’ soa, ho mangidy lavitry ny ratsy, dia ho taom-panambinana, sy ho taom-pinjizana anie ity taona vaovao ity.
Ho ela velona hifanatitra an-taona maro amin-janaka aman-jafy anie ianareo. Mankasitraka indrindra, ry dada sy neny malala.
|
15. Fampahafatarana ny tena
Jacqueline Kohler Rasoazanany no anarako
avy amin-rantsana : Mulhouse
andian’ Soimanga
Andriamatoa…
Ramatoa…
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Faniriako atrin’ny ela ny hanalidalina ny fiteny amam-pahalalana ny fomba aman-panao malagasy, araka ilay fiteny hoe : ny fahalalana tsara ny tenin-dreny no tsy hanadinoana ny tany niaviana.
Lian-kabary koa aho, nefa tsy afa-nanoatra nohon’ny fotoana sy ny antony maro samihafa. Koa tamin’ ny faran-ny taona lasa iny, raha nanolo-kevitra hanokatra rantsana teto mulhouse ny namana tao Strasbourg, dia tsy nisalasala aho nisoratra anarana hanaraka ny fampianaran’ny fimpima natao ho amin’izany. Tojo tokoa izay niriana fa :
Nitady toko ka sendra vato,
Nitady mamy ka nomen-tantely.
Raha efa izay fampahafataran-tena izay dia hiroso amin’ ny lalin-dalina kokoa isika raha sitakareo.
Am-panajana feno fanetrehan-tena no ijoroana eto antrehanareo mpanadina ; hamaly arak’ izay azo atao ireo fanontaniana an-tsapaka tandrify. Sarotra ny miteny ary ny teny maro tsy ilaozan-diso, fa raha mihinam-mbary aza, hono, misy latsaka, koa aza omen-tsiny re tompoko raha hiambakavaka na ho votsavotsa-mpivolana satria ao ny tsy fahazarana omban-ny fitempotempo-po mafy. Sahirana ihany ny saina satria fohy ihany ny fotoana azo nanomanana ity fitsapa-pahaizana androany ity. Koa ao ireo foto-kevitra tsy tratra nianarana ka mahabe ahiahy, ary koa ireo adino nohon’ ny fisalasalana.
Atao anefa izay rehetra azo atao ; ny sisa dia araka ny fiten’ny mpiantsambo raha andao ny moron-tsiraka ny sambo, hoe : « Apetraka eo amin’ Andriamanitra ny fitondrana ny ho avy ».
Arosoko ny azafady ho fangatahan-dalana hiteny eto anoloanareo, ary alako ny tsiny tsy ho vato lehibe misakan-dalana na ho kely mananfitohina, fa izay ho atao eto anio dia ho mary-pisaorana ho an’ny tompon’adidy sy andraikitra rehetra eo amin’ ny fimpima.
Andriamanitra izay manome tombon’ andro ho antsika, nitantana ny dia ny avy lavitra ary nanome hery sy fitokiana ny teto an-toerana dia hotolorana saotra sy dera mandrakariva.
Misaotra Tompoko
|
16. Famaranana
Tompokolahy, Tompokovavy,
Tonga ny fotoana hamaranana ity fiofanana ity, ary nomenareo ho ahy ny fitenenana amin’izany famaranan-potoana izany. Solon-tena ny « ratsana » Mulhouse no fototrin’ny hijoroko eto anoloanareo mpampiofana avy any Strasbourg : be fahombiazana lavitra noho izaho ianareo amin’ny fanaovam-kabary. Koa am-panetrehantena no hijoroko eto. Fitenenana nomena anefa izy ity, ary ny teny natolotra hono tsy mahajoko ka hoy aho hoe : ekeo tompoko ny ala-sarona harosoko eto anatrehanareo.
Raha hefa izany dia hangata-dalana aminareo koa Tompokolahy sy Tompokovavy raha hiteny eto satria toy ny mitafy lamba imason’ny tompony - vato nahitana ianareo - ka maha-sadikadika hiany ny hiteny eto anoloanareo. Omeo lalana ary re tompoko, hahatontosa ny adidy fa nomena ahy izy ity ary noekeko.
Raha afaka ny sarona, vita ny azafady dia hiala tsiny koa aho amin’izao fitenenana fohy ho arosoko izao : sarotra ny miteny, mety ho diso izay ho hambara, koa dia alako mialoha ny tsiny. Voninahitra hifanomezana ny antsika tompoko koa ahoka izay hahitan-tsoa mampiray no horaisina, ka tsy hifanomeza-tsiny izay mety hampisolafaka.
Fotoana nahafinaritra sy feno faneovam-pitiavana no niharahantsika teto tamin’ity tolakandro-hariva ity. Tanteraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra nokasaina, koa mankatelina tokoa tamin’izay rehetra vita teto izahay eto Mulhouse. Ny fampianaram-piofanana nentinareo dia arembe tsy voavidim-bola aman-karena, koa dia fisaorana eram-po, eran-tsaina Tompokolahy sy Tompokovavy mpampiofana no atolotray ho anareo.
Tonga anefa ny hisarahana satria misy farany avokoa ny zavatra rehetra, koa na ao aza ny faniriana hitohizan’ny fifanakalozan-kevitra manentana ao am-po, sy ny faniriana hitohizan’ny fikoranana, dia voatery hisaraka isika. Mandroso ny ora ; hisaraka isika satria zarazarain-ny tokantrano samy manana ny azy ; nefa kosa dia mbola hihaona tsy ho ela, hoy ny faniriana feno, satria tianay tokoa ny hitohizan’izao fianarana hain-teny malagasy izao.
Ho faranako ny fitenenana, koa dia mbola fisaorana no hiriko hiantefa aminareo tsirairay avy ka hoy ny ventso-po hoe : Andriamanitra fitiavana, tsy misy fiafarana atramin’ny niandoana ka mandra-kakehitriny ary ho mandrakizay, Andriamantra tsy manavakavaka fa mampiposa ny masoandro ho an’ny rehetra anie hanome ho antsika, tsy misy fetra, ny andon’ny lanitra sy ny tsiron-ny tany, ary ny fahasoavany feno tsy handao antsika mandritra ny taona maro mbola hifandimby. Raha handeha isika hahavoan-dalana, raha hitoetra hahavita zava-tsoa, ary izay rehetra hisasarana dia hody ho ventiny avokoa.
Izany fanirian-tsoa izany koa atolotro ho an’ny tsirairay avy amin’ izao fiandohan’ny taom-baovao dimy ambin-ny folo sy roa harivo izao. Dia tsara-dia ary Tompokolahy, soava-dia ary Tompokovavy.
Misaotra Tompoko.
Jacqueline Kohler Rasoazanany
|
17. Kabary pour le départ à la retraite de Do et Harry
Saint-Marc, 30 mars 2019
Antso : Tompokolahy, Tompokovavy,
Tari-dresaka : Ny hazo no soa doladola, hono, ny rivotra no be tositosy ; ny ranomasina no mafy fanonja, ny volana no fenomanana ; isika mianankavy no mihaona am-pifaliana etoana, dia satria, ianareo mivady tsy nandika ny fanomezan-Zanahary ka indro mandray ny vokatsoa avy amin’izany ankehitriny. Tsy misy hasoavana tsy ho azon’izay miandry am-patokisana.
Ala-sarona sy Azafady : Ny fitenenana tsy ifandrombahina, fa hifanomeza-mboninahitra. Ny landim-boatavo mandady amin’ny tany, ny landim-pihavanana sy firaisana kosa nifaningotra amin’ny fifanajana. Toy ny mitafy lamba imason’ny tompony aho raha mandray fitenenana eto anolo-anareo. Tazako eto ianareo zoky sy zandry, za-draharaha ; nefa teny nomena izao, fahefana natolotra, koa dia ho tanteraiko am-panetren-tena sy am-pitiavana. Ary nohon’ny lantolantom-pitenenana, dia manao azafady aminareo koa aho raha hiteny.
Ala-tsiny : Manaraka izany, miala tsiny koa satria : miambakavaka raha handahatra, votsavotsa raha hivolana, mety hisy diso izay ho ambara, hisy ho adino izay nampitondraina. Ny miteny aman-tsiny mantsy, hono, toy ny voalavo misangy an-davenona, ka ny atao ihany no mahadisoka. Koa ialako ary alako ny tsiny tsy hahatratra ahy, ary tsy hahavoa na hahatratra anareo itenenako.
Raha afaka ny tsiny fanalan’ny vava, fa teny ihany izany ka teny, ary resaka ka resaka, fa ny fanaovana ny tsara sy ny marina no fototra mafy indrindra hiainana am-piadanana.
Hasina sy Arahaba : Koa dia ho arosoko ny arahaba. Tolorana ny arahaba vaventiventy ianareo Tompokolahy, rosoina ny arahaba voafantimpantina ianareo Tompokovavy.
Vory eto isika, nohon’ny fitahian’Ilay Avo indrindra, Ilay Nahary izao rehetra izao. Izy no nitantana sy nanome fahasoavana ka nahatratrarana ity andro ity ary mbola hitari-dalana eo amin’ny fanatanterahana ny faniriana sy fikasana rehetra ao aoriana. Ho an-Andriamanitra irery ihany anie ny hasina sy ny saotra tsara indrindra.
Ho antsika mianankavy ny fahasambarana feno, ka hiada-mpinaritra ny isan-tokantrana.
Izay no ela, izay no lava, fa tokonan-baravarana nidirana io ka tsy azo natao ambany maso tsy ita ary lalana idirana amin’ny voto-ati-ndresaka, koa dia handroso, aho, manao azafady, fa ny mandalo tsy manao azafady, hono, olo-tezitra.
Ranja-kabary : Ny adidy tsy an-olon-dratsy, ny andraikitra tsy an-olo-malaina, indro ianareo nivady tonga eo amin’ny vanim-potoana hitsaharana eo amin’ny asa notanterainareo tamin-mpahendrena sy fahazotoana ; nanehoanareo fahaizana sy fahalalana nandroso arakin’ny toe-andro. Tsy mora anefa izay rehetra nosalanina. Tao ny fisalasalana, ny sorisory, ny atezerana koa aza angamba ; ny nahaketraka sy nahakivy-satria Randria na Razafy, mpiara niasa, namana akaiky, na Ranaivo, andry niankinana, noheverina ho fototra mafy fanorenana – indro izy ireo namokatra hevitra tsy mazava, namposaka fisainana toa tsy voavola tsara na nojerena ankaiky. Izany rehetra izany tsy naharesy ny zoto-po sy ny finiavanareo teo amin’ny asa. Nataonareo toy ny fihavanan-dandy ny fiaraha-miasa ka ny tapaka natoy, izay nandilana notetenina ; ary ny tsikalokalo-mpihavanana no fanilo nentinareo ho fanazavana mahery sy mahomby teo amin’ny fiaraha-miaina ; satria ny mpiara-miasa iray aina, hoy ny ntaolo.
Nasandratrareo ho avo, toy’izany koa, teo amin’ny asa sy teo amin’ireo fikambanana maro nandraisanareo andraikitra - anisan’izany ny fikambanana FIMPIMA eto Mulhouse - ny firaisan-kina, nanamafy ny fifankatiavana. Tao ny rony niaraha-nisotro, ny ventiny niaraha-nitsako, ny trosa niaraha-nanilika, ny alahelo niaraha-nitondra, ary koa ireo ora nifaliana niaraha-nikoranana toy ny mpianakavy iray aina tokoa, manamarina ny fitenenana hoe « ny mitabe tsy lanin’ny mamba ».
Ny mpiara-miasa natao hifanampy sy hifameno. Nisikina hery, nitafy fahavononana sy faharetana fa tsy nanao tsombon-dranon-dRamangaly ka ny marivo nirobohana, ny lalina nihemorana, fa nahay nifarimbona ny mpiara-miasa hanatanteraka ho lavorary ny sata sy ny adidy nampandroso ny asa manotolo : « ny toe-trano tsy vita tsy ifarimbonana ». Noho izany dia nandroso sy toa mora ny nidirana teo amin’ny fivoarana, satria nahita fahafinaretana teo amin’ny asa ny an-kamaroan’ireo namana. Tontosa izay nikirizana. Nahitan-tsitraka izay nilofosana.
Namakivaky taona am-polony maro niasana ianareo. Nantsoina andro, dia teo, nantsoina alina dia mbola teo ihany koa ; tsy nitandro hasasarana, tsy nitoloko noho ny havizanana fa nanatanteraka antsakany sy andavany ny asa nekena na ny andraikitra noraisina.
Rariny ankehitriny raha tonga ny fotoana, hisitroan-dronono, hitsaharana amin’ny asa nahazatra ; fotoana koa hidirana amin’ny fomba fiainana vaovao, hifameno hiany anefa amin’izay natao teo aloha. Taona fanavaozana sarotra eo anoloan’ireo fomba aman-panao sasantsasany, nenti-pahazarana nandritra ny taona maro. Fivoarana lalina, feno ny tsy nampoizina na dia nandrasana sy nomanina atrin’ny ela aza. Ny tanora no hanoy ny asanareo, ary hitondra talenta vao sy hafa koa, satria tsy hitsahitra ny fandrosoana noho’ny fahalalana vaovao, afa-drakotra ; nefa dia mbola ny herin-po sy ny finiavana nahazatra nampitainareo eo amin’izy ireo no anentana azy ireo amin’izany.
Indraindray mety ho sondrian’ny adin-dreniomby ny tanora ka hanadino ny adin-ombalahy ; ianareo no ray aman-dreny azo hidodododoina, hanolo-tsaina, hanoro lalana, dia ny lala-dian-tana, ohatra : ibanjina ny zava-kendrena eo aloha, hanara-maso ny ao ivoho isorohana ny loza amin-antambo mety hitranga.
Mila mpanoro-lalana-mahitsy, pamindra aina ireo tanora ireo.
Zoki-olona ianareo, arahi-teny ary hanovoza-mpahendrena.
Ny asa navelanareo koa dia ho reharehan’ny zanaka aman-jafy. Raha afaka dimy ambi-roapolo taona na dimam-polo taona, dia mbola iray feo ireo taranaka manaraka, hanao hoe : « Izy ireo no dada sy neninay », sento fahakasitraina ho an-ireo nahitana masoandro, fola-damosina sy trotraka an-tsoroka.
Famaranana : Ry Do sy Harry ho faranako ny teny satria maro ireo mbola handray fitenenana. Ao koa ny fotoana ialana hetaheta sy ny hitoizan’ny korana ary ny iarahan-tsika manoy ny tafa.
Toloranay saotra sy fankasitraina feno ianareo tamin’ireo asa sy ny fiaraha-monina nahafa-po tokoa nandritra ny taona niarahan-tsika teto amin’ny antoko FIMPIMA eto Mulhouse.
Ho, vy, vato aina anie ianareo, hanoy ny asa sy ny fihavanana nahazatra ka sady hisotro ronono, no hitory ny hatsaran’ny ohabolana malagasy. Izay tia mizara, hono, no hanambe sy handray be eo amin’ny fiainana. Koa herezo ny fampielezana ny fahendrena malagasy fa izay mamafy voa tsara, hinjinja aman-zatony, ifalian’ny aman-arivony ; ary mandrosoa amin’ny lalindalina kokoa ho voninahitrin’ny tany niaviana sy naha-lehibe.
Mbola ho ela velona taona am-polony maro anie ianareo, ho rosoan-janaka aman-jafy sy jafiafy vary amin-dronono, tondray tantely.
Mahaleova, mahalasana, hiada-pinaritra, ho sendran’ny mamy atrany ny fiainanareo ka raha hiondrika hiano-tantely, raha hitraka higoka ronono.
Saotra sy fankatelemana ho antsika rehetra manontrona azy mivady eto ankehitriny. Misaotra Tompoko.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
18. Ho fahatsiarovana ny ordinasiona pastoraly
an’i Dimby Ratovonarivo
Chapelle Saint-Marc à Mulhouse, le 29 octobre 2016
Tetezamita : amin’ny ara-mpinona ho amin’ny fomba ama-mpanao
Ianao manarahy ahy
Sambatra Rafody fa manam-podiana,
Sambatra ny ambiaty fa nahazo to tamin’Andriamanitra, ka nataon’ny olona ho famataran-taona.
Fa sambatra raha samy sambatra kosa ianao izay nandre sy nanaiky ny antson’i Jehovah. « Ianao manarahy ahy ». Arahaba soa, arahaba tsara.
Tompokolahy, Tompokovavy,
Ny azafady fitarian-teny, ny haja hifanolorana, ny voninahitra hifanomezana, koa mandroso ny azafady aho raha mijoro eto anoloanareo. Ny jafajafa dia fanaon’ny mantanjaka, ny rodorodo-mpamindra an’ny mahery, fa izaho kosa avy amin’ny lantolanto-mpitenenana ka manao azafady aminareo raha hiteny.
Manaraka izany, alako ny tsiny tsy ho amiko, tsy ho aminareo ; ny tsy afa-tsiny tsindritsindriany toy ny tsindronin’ny lefo maranitra. Tsy zakan’ny teo aloha izany ka ombako tsy mahazaka ihany koa. Sarotra koa anefa ny miteny ka miala tsiny aho fa toy ny mitafy lamba imason’ny tompony raha fitenenana no resahina : tsinjoko eto ianareo zatra fitenenana, tompo-mpitenenana, goavana tokoa amin’izany – railovy andriam-borona – hoy ny razantsika ; ny tenako anefa dia kijeja vao miana-manidina fotsiny ihany. Koa, alaoko ny tsiny fa ny afa-tsiny, na ny saobakaka aza, hono, mampidin-drano-ketsa. Koa aza tsiny, aza fondro Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina.
Raha hefa izany dia atolotro ho an’ny rehetra ny arahaba vaventiventy sy ny akory voafantimpantina, ka ny lehibe ho voatehitehika, ny kely ho voasafosafo.
Andriamanitra no nitantana ny dia ka nahavory antsika mianankavy toy izao. Isaorana mandrakariva anie ny halebe ny fitiavany. Izy koa no nanolon-tsaina sy niaro ary nahatontosana ireo rehetra asa hefa teo aloha ka mbola hitahy sy hanome hery amin’izay rehetra mbola ho atao anie.
***
« Ianao manarahy ahy »
Ny lakana raha toka-mpivoy tsy tsara fisosa, hoy ny fahendren-ny taolo. Indreto isika mianankavy avy amin’ny lafiny efatra :
Ao ny avy ao Atsinanana sy Andrefana
Indreo ianareo avy ao Atsimo sy Avaratra
miran-tava mifanatrika, baliaka fo mifankahita
sariaka endriaka mifampitafa, ravo am-panahy mifampiresaka.
Vory eto isika mankalaza ity andro iray toa zato ity. Tsy nataonareo antso an’efitra ny fanasanay ka ako no namaly, fa novalianareo tamin-kafaliana ka ny lehibe nasesi-mpitihavana, ny kely tonga tsy noterena na hama-taotra.
« Ianao manarahy ahy »
Ny antson’i Jehovah, dia tsy ho mpitory fomba amam-panao hahazoana vola aman-karenan-be, na antso handraisana anjara toerana ao an-dapa feno rava-mbolamena mamirapiratra andro aman’alina. Fa « manarahy ahy » hitory ny « Teny soa mahafaly » eo amin’ireo izay miondrika, tsy afa mitraka intsony – ny kibo noana tsy anana-kavana – very saina am-pitadiavana’izay ohanina anio sy ny hametrahana ny loha raha tonga ny alina ; dia ireo rehetra zoi-mpahoriana sy toy ny hejehin-doza, lavo ny adi-mpiainana ka maro no tsy mahaloa-mpeo intsony. Ny tsirairay amin-tsika no hihetefan’izany antso izany androany eo amin’ny toerana sy ny asan-tsika avy. Ny valiny dia tsy noho ny maha-kristianina antsika fotsiny ihany fa mikasika ny fototrin’ny fiaraha-monina manontolo sy ny ho avin’ity tany ity : fanomezan’Zanahary - ho an’ny olon-drehetra - ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Ny antson’i Jehovah dia adidy aman-draikitra sady hasina no voninahitra, koa aoka samy handray ny anjara tandrifiny avy : ny vato ampiriana ny rano, ny rano amelona ny voly, dia ho velo-mpinaritra ny rehetra – hihemotra ny zava-mahory eo amin’ny fiaraha-monina fa handroso kosa ny firaisan-kina.
« Ianao manarahy ahy »
Ary satria ny toe-trano tsy vita ny irery. Mitaky ny faharetan-ny maro ny fampandrosoana ny teny soa mahafaly, hiantsoana anareo mivady sy isika rehetra, koa aoka ho saina miara-mievitra, ho tanana miara-mandray, ho soroka miara-milanja ary ho tongotra miara-mamindra eo amin’ny asa rehetra ho atao. Tsy ho asa an-terivozona na ho didy jadona na dia iaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanana aza fa ho mafy tokoa ny hezaka tsy maintsy ho harahin-panetrean’tena sy faombiazana feno. Koa ny fiaraha-niasa no ndeha hajoro handresena ny sarotra fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Ny fiaraha-mientana eo amin’ny andavanandro-mpiainana no hery iray azo antoka hahatontosana izany, satria ny akanga maro hono tsy vakin’amboa.
***
Tsetsatsetsa tsy haritra ny ahy izay voalaza. Ho faranako eto ny anjara fitenenako. Hoy ny ventso-po hoe :
Hahahefa be, hampita sy hizara izay tsara voarambim’ny maso sy voarain’ny saina anie ianareo mivady. Izay mifidy ny marina, hono, hinjinja ny soa tsy voavidi-mbola aman-karena, dia soa tsy ho halaina aminy mandrakizay ; koa aza ho resy ny akivina eo amin’ny asa-ny Tompo. Hasandrato avo eo amin’ny tany ama-monina ny teny soa mahafaly, ka ho hasoavin’Zanahary tsy ho tafitohina na ho lavo an-dalana anie ianareo, fa haharitra izay ela indrindra. Soavà dia tompoko.
Eo koa ianareo havana aman-tsakaiza sy vahiny isan-tsokajiny, tonga etoana :
Izay mahavangivangy tian-kavana.
Ny lanonana tsy hatrehinareo dia toy ny mikalo irery tsy amim-baliha, na mandihy tsy amin’amponga.
Lavorary ny lanonana noho izao fahatongavanareo eto izao, tsy nahalavi-tany, tsy nijery hasasarana.
Mankatelina Tompokolahy,
Mankasitraka Tompokovavy.
Misaotra Tompoko
Jacqueline Kohler Rasoazanany
.
|
19. FPMA - Étude biblique 09.12.2018
« Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan’i David, dia Kristy Tompo » Lc 2, 11
« Aujourd’hui, dans la ville de David, il vous est né un Sauveur, qui est le Christ, le Seigneur »
Sava-ravina
Fianarana baiboly (étude biblique) no nofidintsika ho atao amin’ny izao fiaonana tolan-kandro izao. Inona no zavatra handrasantsika amin’izany fianarana baiboly izany ? Tsy mpivoan-teny (exégètes) manana fahaizana manokana eo amin’ny Soratra Masina anefa isika, koa inona ary no andrasantsika ary ho azo raisina ho fanantenana eo amin’ny fifanankalozan-kevitra ho atao ?
Hahalalana mazava ka hitanana izay tian’ny teny ho hambara, dia ho ampy ve ny hihaino sy itana ara-bakiteny izay voasoratra na izay nampianarina antsika an-tsianjery fony isika Sekoly alahady ? Sa kosa azo everina ny ametraka izay lazain’ny tantara ho eo amin’ny toerana sy ny toe-tandro nisehony fahizay ? Ny valiny dia itarika antsika ampiditra izay voasoratra hivaotra araka ny fandrosoana sy ny fahalalana vaovao tao aorian’ny nanoratana ny tantara ary indrindra manoloana ny toe-tandro iainantsika ankehitry. Tsy ivoana na ivoaka amin’ny maha-Krismasy ny Krismasy isika fa iverina sy itana mafy koso ny tena foto-trantony ny maha-Krismasy.
Ho Krismas tokoa anie ny Krismas
Ny tantara ny nahaterahan’i Jesosy dia haharitra mandrkizay ho tantaran’ny Teny Soa Mahafaly, tonga eto an-tany ho an’ny olona rehetra. Zava saro-patarina, tsy takatrin’ny sainy ny olombelona, Andriamanitra tonga nofo, hanafaka ny fahotana tao edena ary itondra ny olona tsy misy ankanavaka ho eo amin’ny Fandriapahalemana sy ny Fahasoavana feno. Ity Zaza nampiray ny lanitra sy ny tany no hitondra izany fivoarana na fanavaozana goavana tsy aina ho saitsainana. Ny olona rehetra kosa no hanefa izany dia ireo manaiky sy manaraka ny fampianarana izay ho avelany. Ny Krismasy dia fotoana faneoana fitiavana feno satria Izy Andriamanitra no voalohany, mialoha, maneo ny fikiavany ampandroso ny fiaraha-miaina mifampiantoka ka ny fahalemenan’ny tanana an-kavanana dia fahosana koa eo amin’ny tanana an-kavia. Ady sarotra satria sarotra havahana nanoloana ny hasarota-mpianana maro lafy eo amin’ny manan’aina rehetra.
Raha iverina eto amintsika Jesosy ankehitriny
Tsy anao tantara vaovao nisika na hanova ny teo aloha. Fa mba handraisana tsara izay voasoratra fa niseo fahizay kahazoana mitana mafy ny fampianatrana tokony ho raisina sy toizana ankehitriny, dia azo atao ny mievitra hitondra ny tantara fahizay ho eo anivon’ny toe-mpianantsika amin’ny izao fotoana izao.
Ny tantara eto dia nosoratana 50 taona taorian’ny nahafatesan’I Jesosy. Ny nahaterahany sy ny fahatongavany tety an-tany, dia tsy azo sarahina amin’ny maha-Jiosy azy : fanantanterahina izay rehetra voasoatra ao amin’ny Testamenta Taloha (avy amin’ny taranaky i’Davida, zanaky ny vehivavy virijina, fanatanterahina ny didy sy lalana jiosy, etc.).
Jesosy dia zanakolona tsotra, pandrafitra. Tsy teraka tao antrano ny ray sy reniny anefa fa tao antranon-omby, tamin’ny fotoana sarotra, feno ahiahy sy sento ireo ray aman-dreniny. Ny fisian’ny XXX sy ireo XXX ary mpiandry ondry dia fomba mahazatra hentina itantarana ny fahanteran’ny zaza manana.
Hita amin’izany fa atreo ampiandoana dia feno fahoriana, alahelo, ranomaso, havizanana ny tantara nefa koa hafaliana sy arena be no nomena ity zaza vao teraka ity. Koa tsy mahagaga raha nandritra ny telo taona rehefa nitety toerana sy vohitra maro izy dia vahoaka marobe no nanaraka azy, nefa indrisy fa hifarana araka ny efa fantantsika koa ny fiainanany.
Raha androso eo amin’ny fifinankalozan-kevitra dia tong any fanotaniana hoe : “Ilona no fidy ho ataon’Andriamanitra hanehony ny fahatongavany eto amin’tsika ankehitriniy ?” Eo anivon’ny fianakaviana mahantra fa be herinpo ve (quart-monde) sa eo anivon’ny fiakavina tsara toerana sy feno haja (établi et socialement reconnu) ? Sa eo anilan’ireo mahantra tsy manana ny hamentrahany ny lohany akory aza, any ivelan’ny tanana sa eo an-tokatran’ny mpitondra tany sy fanjakana ary fivavahana ka ho heni-kaza sy voninaitra ?
Tsy isika no afaka hamaly ireo fanotaniana ireo. Fa araka ny fampianarana navelan’I Jesosy ho an’ireo mpianany sy ireo izay nanaraka azy dia any amin’ireo mahantra indrindra, ireo mpifindra monina nohon’ny antony maro no niaviany.
Eriteritra fotsiny ihany izany, sa fisainana lasa lavitra loatra, sa kosa fanontaniana mendrika sy tsy azo idivirana na odian-tsy heno raha ekena sy inoana fa tamin’iny alin’ny Krismasy voaloany iny dia nifandray ny lanitra sy ny tany ka tonga tety ny “Teny Soa Mahafaly” dia Andriamanitra tonga itoetra eto amin’ny olona eran’izao tontolo izao.
Krismasy an-koatra ny tantara (au delà d’une lecture attachée à la lettre)
Toy ny mpianatra rehetra nanao an-tsoratra, i’Luc dia mitantara ny nahaterahan’ny Tompo araka izay tadidiny 50 taona tao aorian’ny nahafatesan’I Jesosy. Ny ankamaroan’ny mpivoanteny ankehitriny dia miray sy mitovy fanapahan-kevitra fa ny tantara dia nentina hanambarahana ny finonoana teo amin’ny vahoaka tamin’izany fotoana izany araka ny finoana sy ny fomba jiosy, ary koa ho entina manamparitaka ny finoana sy zava-niseo tamin’izany fotoana izany.
Ankehitriny dia tsy zava-dehibe ny ahalalana ny toerana nahaterahan’ny Tompo na tao Nazareth na tao Bethlehem, sarotra inonana koa fa avy amin’ny taranaky i’David izy, etc. Zavatra tokana navelan’i Jesosy dia ny nahatongavany eto amin’ny izao tontolo.
Krismasy isan’andro
Sarotra sy manairana tokoa anefa izany fiaraha-miasa izany, hitondra fahagagana eo amin’ny fiainana satria mitaki finoana sy fanetreantena lehibe.
Ny fototra ijoroan’ny fiangonana ka ankalazaina amin’ny andro Krismasy ankehitriny dia Andriamanitra eto amin’ny tsika miasa sy manohy ny fanatanterahana ny fampianaran’ny Tompo : mahantra eo anilany ireo mahantra indrindra ; fahasaihina izara ny aren’ny tany ka sany anana ny antjara avy ny rehetra ; fitolomana ho amin’ny marina, etc.
Ho fahamaranana dia hovakiko ny diary 1942 ny Etty Hillesum tao camp de regroupement et de transit établi par les Nazis à Westerborck en Hollande, partie pour être solidaire avec les siens alors qu’on lui proposait d’être exfiltrée vers les États-Unis, et de Westerborck elle sera acheminée vers Auschwitz en Pologne pour être gazée en 1943.
Amaranako ity fianarana baiboly androany ity amin’ny fomba mifanentana sy mailamailaka manoloana ny fiainana ankehitriny dia atoltro ho enti-mody ha an’ny tsirairay ny tonon-kira ny Odette Vercruysse hoe : “C’est Noël tous les jours”. Misy amintsika angamba no efa mahalala io tonon-kira io.
Misaotra Tompoko
|
20. Izay nahita hay, dia naita ny Ray (Jn 14,9)
1. Fanambarana mahazendana
Teo amin’ireo teny novakiana tamin’tsika, ny nitana ny saiko, ka nofidiako andraisana fampiaranara fohy androany, dia ny fanambarana nataon’ny Tompo hoe : « Izay nahita hay, dia naita ny Ray ». Filazana mahagaga ary mahazendana koa satria sarotra ekena ary koa sarotra inoana. Tsy itany ireo mpianany ny fomba andraisany izany teny izany. Valy tenin’i Jesosy ho an’i Thomas sy Philipo ity fanambarana mitoy amin’ny hoe : « Izaho no lanana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Ray tsy amin’ny alalako. » Nandritra ny telo taona no niarahan’i Jesosy sy ny mpianany niaina, andro aman’alina, nandrenesan’izy ireo ny fampianarany, nahitany ny fahagagana nataony nefa tsy nazava tamin’izy ireo ny tena anto-mpiainana sy anto piavian’ity lehilahy jiosy-palestinianina ity, lehilahy mana-mpalalana feno ny lalan’i Mosesy : « Tsy handrava ny lalana no nahatongavako, fa hanatanteraka ny lalana hoy izy, tiava ny namanao toy ny tenanao, hoy Mosesy, Izaho kosa manao aminareo hoe tiavo na ny fahavalonareo aza. » Jesosy koa dia Jiosy ny tandrina sy nanaraka ny lalan’i Mosesy, ka hoy izy tamin’ilay lehilay nandoalika teo anoloany, ary nanontany izay tokony ho ataony handovany ny fiainana mandrakizay : « Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra » (Marc 10,18). Izany hoe : « Andriamanitra irtery ihany no hiankohofanao. »
Raha miresaka momba ny Rainy amin’reo mpianany Jesosy dia mazava ao an-tsainy ny fiaonan’i Mosesy tamin’Andriamanitra tao an-tendroboitri’i Sinay, dia io ilay Ray, Andriamanitra tsy azo tononina anarana, ary nilaza tamin’i Mosesy hoe : « Tsy mahazo mahita ny tavako ianao, fa tsy misy olona mahita ny tavako ka ho velona…, ny vohoko no ho hitanao, ho saronako ny tanako ianao mandra-pandaloko, ny tavako tsy ho itanao. » (Exodos 33,18-23)
Koa ahoana ary no fomba ahazoana mandray sy ahazoana mino ity fanambaran’i Jesosy ity : « Izay nahita ahy dia nahita ny Ray ».
2. Fandalina-mpahalalana ny Baiboly arakin’ny fizotran’ny tantara
Ity resakin’ny Tompo sy ny mpianany eto ity dia miankina tamin’ny finoan’ny mpianatra ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty ary hiverina hitsara ny velona sy eo anilan’Andriamanitra. Tsy tantara, ara-baky teny no andraisana izay lazaina satria eni-polo na fito polo taona, tao aorian’ny nahafatesan’ny Tompo no nanoratan’i Joana izay voasoatra – araka izay tadidiny sy zava-niseho tao aorina ny nahafatesan’i Jesosy. Koa dia arakin’ny finoany, ny fanantenanany ary ny fitokisany feno teo amin’fampianarana navelan’ny Tompo no nanoratany izay voalaza.
Ny tantara ny fahafatesan’ny Tompo sy ny nilazany ny maha-zanak’Andriamanitra azy, izay mifanarak eto dia zava mifaneno sy mitovy lanja teo amin’ny fiainan’ny Tompo. Teo amin’ireo kristianina voalohany dia fampianarana telo no notsoahiny tamin’izany :
- tsimisy olona nahita ny tavan’i Jehovah na nifanatritava tamin’ny
- Andriamanitra Ray dia miseo eo amin’ny olombelona tamin’ny alalan’i Kristy, koa dia ny fahatokisana feno ny fampiaran’i Kristy no mitarika ho eo amin’ny fahalalana ny Ray, ary nilazany hoe : « Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko ; raha nahafantatra ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Ray koa. » Tamin’ny nanekeny atrany amin’ny fahafatesana no naneony ny maha olombelona azy ary ny fandresena izany fahafatesana izany no naharesy lahitra ny mpianatra amin’ny zanaka Andriamanitra azy, ary ny lazany tamin’izy ireo hoe : « Andeha amboatra fitoeratra ho anareo aho…, ary ho avy indray ka handray anareo ho any amikio, ka izay itoerako no itoeranareo. »
3. Andriamanitra dia fitiavana tsy mana – mpitsaharana ary zaraina maimaipoana
Jesosy tsy naneo ny finoany sy ny fanekeny ny asa nanirahin’ny Ray azy tamin’ny antso sy feo vatravatra-piavy, tsy nanome fanakem-pinoana ho tanisaina toy ireo mpitondra sy filoha-piangonana taty aoriana.
Fiainana feno fenetrehan-tena no voto atin’ny fiainany satria Andriamintra Ray no nitoetra tao aminy : « Izaho ao amin’ny Ray ary izy ato aniko » hoy izy. Ary atrany amin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana no naneony sy nanekeny xxxx ny asa nanirahy ny Ray azy, dia fahafatesana toy ny an’ny Jiolay. Fitiavana arahi-pinoana ary tsy nisy fetra no nanirahin’ny Ray azy ho vavolombelona eo amin’izao tontolo izao, ary nahavelo-mbava azy hoe : « Izay nahita ahy dia nahita ny Ray » .
Raha nanafatra ireo mpianany hanoy ny asa nanirahin’ny Ray azy Jesosy dia nanome toky azy ireo tsy ho irery, fa : « Ny Ray izay mioetra ato amikio no hanome hery anareo, ka hahefanareo asa toy izay nataoko ary mihoatra noho izany aza…, dia ho fantatrareo fa Izao ao amin’ny Ray ary ianareo ato amiko. Izay mitandrina ny teniko, ka manao ny asa dia izy no tia ahy ary dia ho tian’ny Ray koa izy ary dia ho ao aminy aho. » (Jn 14, 20-21)
Mazava eto ny fampianarana navelan’ny Tompoko. Ny asa izay nataony no naneony ny maha zanak’Andriamanitra-Ray-azy, ary ihantsony ny mpianany anohy izany arakiny hiavin’ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, ka hanatanteraka ny asa izay xxxx.
4. Finoana arahin’asa tsara antoka sy mafy orona
Tsy izay mihira harahin’anponga sy valiha amin’ny feo mahery no handova fiainana mandrakizay raha ny asa izay ataony tsy tanterahin amin’mpikiavana ka mifandray am-pahendrena sy famarinana ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina : « Tsy izay manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra ao amin’ny fajakan’ny fa ireo izay manao ny sitrapon’ny Raiko ». (Mt 7,21)
Arak’izay efa nolazain’ireo mpaminany teo aloha toy Amos, na Osée, na Isaïe tsy ny fanajana na fanarahina ara baki-teny ny lalana na fahazarana niangona ny alahady fotsiny no hitondra eo amin’fanjakan’Andriamanitra fa amin’ny fanaovana miasa am-pikiavana tsy ankanavaka na mifidy izay mendri- kotiavina satria : « Ny fiantrana ny kamboty sy ny mpitondra tena no tiako hoy Jehovah fa tsy ny fanatitra ataonareo » (Mt 9,13).
Raha fehezina izay nolazain’ny Tompoko dia foana ny finoana tsy arahin’nasa sy fikiavana satria eo amin’ny fitsarana farany dia : « Noana aho ary nomenareo hany, vahiny ao ary noraisinareo hiantrano, narary aho, tao antranomaizina aho , novanginareo… Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa araka izay efa nataonareo tamin’ireo madinka ireo no nataonareo tamiko koa » (Mt 25, 35-40).
Jesosy tsy niambahamba tamin’ny fampianarany fa ny fiantrana arahy pitiavana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no lalana tokana azo anefana sy anohizana niasany ka nilazany ohe : « Tiavo ny fahavalonareo, mivavaha ho an’ireo izay manenjika anareo fa izany no hahalalan’izao tontolo izao fa pianatro ianareo, koa dia zanak’Andriamanitra koa » (Mat 5,44-45).
Izay nahita ahy dia nahita niray izay naniraka ahy. Ary ianareo efa nahita ahy ary nahita niasa izay nanirahin’ny Ray ahy. Izaho ao amin’ny Ray, ary ianareo ato amiko. Ramanoy ny asa izay nataoko ianareo dia ny Fanhy Masina no hiaro sy hitantana anareo amin’izany asa izany.
|
21. Izay tia ny Tompo, dia hanaraka azy
(Toriteny FPMA, Mulhouse, 10 avril 2016)
Raha namaky ny soratra masina manomtolo ren-tsika teo aho, dia sadaitra tokoa raha hifidy izay andininy ho raisina an-toriteny anio. Inona no tao an-tsaina izy ireo izay nifidy izany ary tian’izireo ho ampitaina ao amin-ny mpiangona izay mihaino izany koa.
Ny teny novakiana tamin-tsika dia mampiseho ny fahefana feno sy ny laza aman-boninaitra tsy manam-paharoa ho an’Andriamanitra nohon’ny fahagagana maro nataony teo amin’ny firenena Israel. Ny zava-mboahary manotolo koa no hiara hiredona ny hira sy ny tsanta iaraka amin’tsika ho amin’izany.
Teo am-pisalasalana dia fanontaniana telo no tonga teo antsaiko :
1. Izany haja aman-boninaitra avo indrindra izany ve no tian-Andriamanitra ary handrasany avy amin-tsika ? Inona no ho valiny ho azo raha hiezaka isika ka aha efa izany ?
2. Ny fanomezan-dera sy haja ve no lalana hahazoan-tsika manatona akaiky an’Andriamanitra ?
3. Ny fomba fiderana toy izany ve mbola ho azon’ny zanaka aman-jafintsika haraina sy tohizana miatrika ny mpiara-belona amin-izao taon-jato iainantsika izao ?
Andriamanitra nifidy an’Israël natokany ho firenena voafidy, ary nitahy sy niaro io firenena io tamin’ny fahavalony maro, ka nandefa loza handreseny sy handringanany ireo fahavalo ireo.
Andriamanitra eo amin’ny Testamenta vaovao dia tsy Andrianamitra i Israely irery intsony hihany fa Andriamanitra ny firenena rehetra, mitsara tsy misy an-kanavaka ary mampiantra lala-mpahamarinana iray eo amin’ny rehetra.
Izay rehetra novakiana avy ao amin’ny Baiboly dia aoka anefa ho tsahivina fa ahitana ny rehetra sy ny mifanohitra aminy. Andriamanitra tsy nanao sora-tononina tamin’ireo panoratra na dia tao aza ireo mpaminany nalefany hitondra ny tiany ho ambara teo amin’ny firenen’Israely. Ny ankamaroan-ny tantara ao amin’ny Baiboly dia angano toy izay hita teo amin’ny tantara ny firenena maro tamin-izany fotoana izany.
Tsara ho tsahivina koa fa ny boky ny Testamenta vaovao dia tsy nosoratana teo no eo teo anilan-i Jesosy fa taona maro, ampolony, tao aorian’ny nahafatesany araky izay fahatsiarovana sy fitadidiana an’ny tsirairay izay nanoratra.
Jesosy teo amin’ny fiainany mantolo – 33 taona fotsiny ihany, 3 taona fohy niasana-dia tsy ilay feno laza aman-boninahitra sy fahefana fa matetika dia teo anilan’ny mahantra, ireo tsy manan’kolazaina na nomena adidy aman’draikitra na zo, ireo norohaina ivelan’ny tanana sy lavitra ny mpiara-monina satria marary tsy nahitana fanafody na mitondra areti-mifindra tsy mbola hahy nositranina, ireo mpamory hetra ratsy laza, ary ireo ratsy fitondran’tena indrindra koa moa satria vahiny, etc.
Ireo rehetra ireo dia nositraniny sy nitoriany ny teny Mahafaly ary tsy sitrana teo amin’ny aretin’ny nofo fotsiny ihany fa mbola handray anjara sy toerana koa eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ny fahagagana nataony teo amin’ireo olo-mahantra sy kely indrindra teo amin’ny mpiara-monina ireo no nanehony sy nilazany ny haben’ny famelan-keloka sy ny famindram-po Andriamanitra. Izany dia nasehony koa teo amin’ny mpianany tamin-ny fanetrean-tena feno, ka ny mpampianatra no tonga ho mpanompo raha tamin’ny alin’ny paska, izy no nietry ka nanasa ny tongotrin’ny mpianany.
Eto amin’Jaona 21 dia fisehoana fanin-telony, tao aorian’ny nahafatesany, no nataon’i Jesosy teo amin’ireo mpianany. Ny fankalazana ny Pasika eo amin’ny fiangonana kristianina dia tsy milaza fotsiny ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty fa ho fampisehoana indrindra kosa ny fanatanterahana ny fampianaran’i Kristy hahalavorariana ny lalana sy ny faminaniana hoe :
- ho rovitra ny lamba mampisaraka ny masina sy ny masina indrindra koa
- tsy misy intsony Tompo sy panompo,
- tsy misy intsony voafidy sy tsy voafidy.
Io Jesosy io koa no nanao tamin’i Piera, intelo mifanesy hoe : “Tia ahy va ianao ? Manaraha ahy.” Ny fitiavana sy fanarahana an’i Jesosy dia fanekena hitondra sy hizaka miaraka aminy, amin’ny finoana feno fa ao amin’ny fahalemena sy ny tsy fahombiazan’ny mahantra no hisehoan’ny fahagagana araka izay voasoratra ao amin’ i Matio 25, 34-45, nofehezin’ny Tompo hoe : “Izay nataonareo tamin’ireo madinika ireo no nataonareo tamiko koa”.
Izany dia filazana ny endrikin’ny fitsarana ho avy ary azo lazaina fa fanambarana izay sitrak’Andriamanitra, tiany iveloman’izay mitady sy manaiky azy, manambara koa ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny fitsarana amin’andro farany dia tsy inona fa ny fiseohan’ny tsy ambararoa teo amin’andavanandro ny tsirairay. Isika no Tompon’ny fomba aman-tsafidy hiainantsika ary tsy azo hidifirana koa ny tenin’i Jesosy hoe : “Tsy izay manao Tompoko, Tompoko no hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra fa izay manao ny sitrapon’ny raiko”. Tsy ny fanolorana haja amam-boninaitra ho an’Andriamanitra ara-pahazarana no hijereny ny fiainantsika fa ny hetsika avy ao ampo atao ho amin’ireo madinka sy tsy manan-kitafy, tsy manan-kohanina, tsy manana izay hipetrahan’ny lohany akory aza ; ary maro dia maro izy ireo ankehitriny.
Ho famaranana : inona ary no fomba fampiaranana Kristianina tokony ho haraina ka azon’ny zanaka aman-jafy tsika ho tohizana. Ny voto anton’ny fampianaran’i Jesosy dia : “Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo.” Ni fitiavana mahay mifampitondra, ny fitiavana tsy mirehirehy. Ny fitiavana dia fahefana mampanaiky ny fahalemena rehetra ho tonga hery manao fahagagana mihoatra nohon’izay tratrin’ny saina, fitiavana arahi-pinoana mahafindra tendrobohitra hoy ny salamo. Ny fitiavana takin’ny Tompo amin’tsika ankehitriny dia fivoara-dehibe tsy ara pitondrana fotsiny ihany fa fivoarana ara-pivavahana indrindra koa, araka ny fandrosoan’ny fahalalana isan-karazany sy ny fiara-monina tsy azo odian-tsy hita na idivirana.
Andriamanitra anie hanome ny Fanahiny Masina hitarika sy hanokatra ny sain-tsika hanatsara sy hitondra fitiavana bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika. Fa hoy izy anio : “Tia ahy va ianao. Fahano ary ny ondriko. Manaraha ahy”.
Tsy fandaozana ny fiainana eo anivon’ny fiara-monina sy ny asa izay atao no takin’ny Tompo amin’tsika fa fiainana hitondra fitiavana ho an ireo Rahalahiny mandinika eo amin’ny amin’ny toerana sy ny asa misy anao.
Jacqueline Kohler Rasoazanany
|
22. Izay nahita ahy, dia nahita ny Ray (Jn 14,9)
- Fanambarana mahazendana
Teo amin’ireo teny novakiana tamin’tsika, ny nitana ny saiko, ka nofidiako andraisana fampianarana fohy androany, dia ny fanambarana nataon’ny Tompo hoe : « Izay nahita ahy, dia nahita ny Ray ». Valy tenin’i Jesosy ho an’i Thomas sy Philipo ity fanambarana ity, manaraka ny hoe : « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Ray tsy amin’ny alalako. » Fomba fiteny mahagaga no itantsika eto ka nahazendana ny pianatra. Sarotra tamin’izy ireo ny hino sy hanaiky avy atrany izay nolazain’ny Tompo. Nandritra ny telo taona no niarahan’i Jesosy sy ny mpianany niaina, andro aman’alina, nandrenesan’izy ireo ny fampianarany, nahitany ny fahagagana maro nataony dia tsy mbola nazava tamin’izy ireo ny tena anto-mpiainana sy anto piavian’ity lehilahy jiosy-palestinianina ity. Lehilahy mana-mpalalana tsara ny lalan’i Mosesy koa i Jesosy : « Tsy handrava ny lalana no nahatongavako, fa hanatanteraka ny lalana hoy izy, koa raha Mosesy nanao hoe, tiava ny namanao tahaka ny tenanao, Izaho kosa manao aminareo hoe tiavo na ny fahavalonareo aza. »
Jesosy koa dia Jiosy nitandrina sy nanaraka ny lalan’i Mosesy, arak’izay navaliny tamin’ilay lehilay nandoalika teo anoloany, nanontany izay tokony ho ataony, mba handovany ny fiainana mandrakizay, na dia efa nitandrina tanteraka ny lalan’i Mosesy aza izy atramin’izao. Hoy Jesosy taminy : « Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra » (Mc 10,18). Izany hoe : « Andriamanitra irery ihany no hiankohofanao. »
Raha niresaka momba ny Rainy tamin’ireo mpianatra Jesosy dia nahalala tsara koa ny fiaonan’i Mosesy tamin’Andriamanitra tao an-tendroboitr’i Sinay. Dia Ilay Andriamanitra-Ray, tsy azo tononina anarana, ary nilaza taminy hoe : « Tsy mahazo mahita ny tavako ianao, fa tsy misy olona mahita ny tavako ka ho velona…, ny vohoko no ho hitanao, ho saronan’ny tanako ianao mandra-pandaloko, ny tavako tsy ho itanao. » (Ex 33,18-23)
Koa ahoana ary no fomba hahazoana handray ka hahazoana mino ity fanambaran’ny Tompo ity : « Izay nahita hay dia nahita ny Ray ».
2. Fandalina-mpahalalana ny Baiboly arakin’ny fizotran’ny tantara
Ity resakin’ny Tompo sy ny mpianany eto ity dia miankina tamin’ny finoan’ny mpianatra ny hitsanganan’i Jesosy tamin’ny fahafatesana ary ny hiverenany indray hitsara ny velona sy ny maty. Tsy ara-baky teny no tokony andraisantsika izay voasoratra satria eni-polo na fito polo taona, tao aorian’ny nahafatesan’ny Tompo no nanoratan’i Joana ny filazantsarany, koa dia araka izay tadidiny sy ny zava-niseho tao aorina ny nahafatesan’i Jesosy no nosoratany eto. Ny finoany, ny fanantenany ary ny toky azony teo amin’fampianarana navelan’ny Tompo no fitarika notanany tamin’izany, ary dia misy koa noho izany marikin’ny toe-tsainy. Dia mety hisy koa ny tsy itovizan’ny fomba fanambarana na fomba hifampitohizan’ny tantara teo amin’ireo soratra navelan’ny apostoly efatra.
Eto ny fahafahafatesan’ny Tompo sy ny nilazany ny maha-zanak’Andriamanitra azy, dia tantarain’I Jaona ho tantara iray ihany satria mifameno sy mitovy lanja ny fandraisany azy. Teo amin’ireo kristianina voalohany dia fampianarana telo no notsoahin’izy ireo teo amin’izany :
- Tsy misy olona nahita ny tavan’i Jehovah na nanambara fa nifanatritava taminy
- Andriamanitra-Ray dia miseho teo amin’ny olombelona tamin’ny alalan’i Kristy, koa dia ny fahatokisana feno ny fampianarany no mitarika azy ireo ho eo amin’ny fahalalana ny Ray, arakin’ny nilazany hoe : « Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko ; raha nahafantatra ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Ray koa. »
- Ny faneken’i Jesosy, atrany amin’ny fahafatesana, no naneony ny maha-zanaka’olona azy, ary ny fandreseny izany fahafatesana izany ka hitsanganany amin’ny maty no nahareseny lahitra ny mpianatra amin’ny maha-zanaka Andriamanitra azy, ary nilazany tamin’izy ireo hoe : « Andeha amboatra fitoeratra ho anareo aho…, ary ho avy indray ka handray anareo ho any amikio, ka izay itoerako no itoeranareo. »
3. Andriamanitra dia fitiavana tsy mana – mpitsaharana ary zaraina maimaipoana
Jesosy tsy naneo ny finoany sy ny fanekeny ny asa nanirahin’ny Ray azy tamin’ny antso sy feo vatravatra-piavy, na nampianatra fanakem-pinoana ho tanisaina toy ny nataon’ireo mpitondra sy filoha-piangonana taty aoriana.
Fiainana feno fanetrehan-tena (tsara ho tsaivina eto ny nanasany ny tongotrin’ny mpianany), fiainana lavitrin’ny fitiavantena sy ny fitadiavam-bola am-boninahitra no fomba niainany, ny fanatanterahina ny sitrapon’Ilahy naniraka azy no zava-tokana nandrandrainy, satria Andriamintra-Ray no nitoetra tao aminy : « Izaho ao amin’ny Ray ary izy ato aniko ».
Ny fahafatesany teo amin’ny azo fijaliana, nampiarana tamin’arakin’ny fanapaha-kevitry ireo pitondra jiosy sy vahoaka nanodidina azy, izay fahafatesana mafy sy mahafa-baraka indrindra satria natokana sy nampiarina ho an’ireo olon-dratsy teo amin’mpiara monina, no naneony ny fankatoavany tanteraka ny nanirahin’ny Ray azy ary ho mari-mpitiavana tsy mana-paharoa navelany eto amin’izao tontolo izao. Izy Ilay tsy nana-tsiny na meloka na dia kely akory aza.
Raha nanafatra ireo mpianatra hanoy ny asa nanirahin’ny Ray azy Jesosy dia nanome toky fa tsy hamela azy ireo ho irery, fa : « Ny Ray izay mioetra ato amiko no hanome hery anareo, ka hahefanareo asa toy izay nataoko ary mihoatra noho izany aza…, dia ho fantatrareo fa Izao ao amin’ny Ray ary ianareo ato amiko. Izay mitandrina ny teniko, ka manao ny asa dia izy no tia ahy ary dia ho tian’ny Ray koa izy ary dia ho ao aminy aho. » (Jn 14, 20-21)
Mazava eto ny fampianarana navelan’ny Tompo. Ny asa izay nataony no naneony ny maha zanak’Andriamanitra-Ray-azy, ary ihantsony ny mpianany anohy izany ary dia ho avy ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, hoy izyn ka handroso sy ho tanteraka ny asa izay efa mafy orona.
4. Finoana arahin’asa tsara antoka sy mafy orona
Arak’izay efa nolazain’ireo mpaminany teo aloha toy Amos, na Osée, na Isaïe tsy ny fanajana na fanarahina ara-baki-teny ny lalana na ny fahazarana miangona fotsiny isan-alahady no hidirana eo amin’fanjakan’Andriamanitra fa ny asa natao tami-pitiavana ho an’ny mahantra, ny fandraisana ireo resin’ny fiainana ka very saina tsy mahalala intsony na izay tokony ho alehany aza, ny fiantrana tsy manao avakavaka amin’ireo rehetra mila fanampiana ka tsy misy ny mendrika na ny tsy mendrika fa madinikin’ny Tompo daholo izy ireo : « Ny fiantrana ny kamboty sy ny mpitondra tena no tiako hoy Jehovah fa tsy ny fofona avy amin’ny fanatitra ataonareo » (Mt 9,13).
Tsy izay mihira harahin’anponga sy valiha amin’ny feo mahery no handova fiainana mandrakizay raha ny asa izay ataony tsy tanterahina amin’mpitiavana ka mifandray am-pahendrena sy fahamarinana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina : « Tsy izay manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra ao amin’ny fajakana fa ireo izay manao ny sitrapon’ny Raiko ». (Mt 7,21)
Raha fehezina izay nolazain’ny Tompo dia foana ny finoana tsy arahin’nasa sy fitiavana satria eo amin’ny fitsarana farany dia : « Noana aho ary nomenareo anina, vahiny aho ary noraisinareo hiantrano, narary aho, tao antranomaizina aho, novanginareo… Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa araka izay efa nataonareo tamin’ireo madinka ireo no nataonareo tamiko koa » (Mt 25, 35-40). Ny fiantrana arahy pitiavana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no lalana tokana azo anohizana sy anefana ny asan’ny Tompo ka nilazany hoe : « Tiavo ny fahavalonareo, mivavaha ho an’ireo izay manenjika anareo fa izany no hahalalan’izao tontolo izao fa pianatro ianareo, ary dia zanak’Andriamanitra koa. » (Mt 5, 44-45)
Izay nahita ahy dia nahita ny Ray izay naniraka ahy. Ary ianareo efa nahita ahy ary nahita ny asa izay nanirahin’ny Ray ahy. Izaho ao amin’ny Ray, ary ianareo ato amiko. Raha manohy ny asa izay nataoko ianareo dia ny Fanahy Masina no hiaro sy hitantana anareo eo amin’izany asa izany, ary dia hanao asa lehibe mihoatra noho izay nataoko aza ianareo, hoy ny Tompo amintsika ankehitriny.
Jacqueline Kohler Rasoazanany
|
FPMA Jubilé février 2010
23. Vers le christianisme de demain
Une fructueuse mise en commun
La célébration du jubilé de l’Église Protestante Malgache en France (FPMA) et du 25ème anniversaire de la paroisse malgache de Mulhouse, le 31 janvier à la Fraternité, a non seulement constitué une chaleureuse rencontre interculturelle, mais a ouvert des horizons nouveaux aux personnes qui y ont participé. Plutôt que de s’en tenir à une commémoration focalisée sur le passé et interne à une communauté ethnique, l’Église malgache s’est résolument inscrite dans le contexte religieux et social actuel pour se tourner vers l’avenir. De leur côté, interpellés sur leur vocation à accueillir les croyants qui viennent d’ailleurs, les Européens présents se sont montrés solidaires d’un christianisme en recherche dépassant l’horizon paroissial coutumier. Un petit pas effectué en commun dans la bonne direction.
La table ronde qui a ouvert la journée s’est donné pour objectif de montrer quels sont les défis que les Églises doivent relever pour témoigner de façon fidèle et crédible de l’évangile dans l’environnement contemporain. Avec discernement et audace, les pasteurs Jean Ravalitera et Philippe Aubert, respectivement président synodal de la FPMA et président du consistoire réformé de Mulhouse, ont analysé les hypothèques qui pèsent sur les Églises à l’heure présente et ont planté de précieux jalons pour imaginer le christianisme de demain. Face à la routine d’une gestion plus ou moins sociologique de l’héritage religieux, ils ont insisté sur la nécessité de retrouver la force originelle de l’évangile et de s’engager sans réserve au service du monde. Une quête et des tâches qui exigent conjointement piété, intelligence et générosité.
Un état des lieux
La pratique religieuse s’effondre, de nombreux lieux de culte sont à vendre, les autorités ecclésiastiques sont contestées. Comme les autres institutions, les Églises souffrent de l’effritement des valeurs et de la rupture des liens qui ont assuré la cohésion sociale jusqu’à récemment, cependant que les creusets du devenir commun se désintègrent – à commencer par la famille. Exalté par le système marchand, le consommateur est proclamé roi et la société est menée par la publicité qui ne vise que des satisfactions immédiates. La science et la technologie concourent à cette évolution portée par la démocratisation, l’urbanisation, et l’ensemble des déterminations économiques. L’espérance d’un avenir meilleur pour tous a laissé la place à des stratégies de survie ou d’ascension sociale individuelles, en sorte que la religion finit à son tour par être perçue à travers le prisme des seuls intérêts de chacun, la solidarité ecclésiale étant congédiée.
Un bouleversement profond et global. Les vérités véhiculées par les Églises sont bousculées par l’émergence d’un monde laïque qui se veut indépendant de la religion. Le développement des connaissances relativise les savoirs traditionnels, et la société promeut des valeurs et met en œuvre des pratiques qui contreviennent à la morale classique. Même parmi les fidèles, la Tradition et les Écritures n’ont plus l’autorité littérale et irrécusable qui leur était attribuée autrefois. De fait, le monde s’est sécularisé tandis que les Églises restent, en dépit de leurs déclarations d’intention, prisonnières de leur univers ancien, intangible à leurs yeux parce que sacré, et volontiers sacralisé pour le maintenir intangible. Il s’ensuit qu’elles se trouvent marginalisées, cantonnées dans la sphère privée ou dans les fonctions cérémonielles et de représentation. Pour se libérer de cet enfermement, certains théologiens préconisent un christianisme non religieux, dégagé des structures ecclésiastiques.
Pour une Église selon l’évangile [i]
Les institutions ecclésiales sont-elles immuables, ou faut-il imaginer de nouvelles formes de présence et d’engagement aptes à mieux témoigner de l’évangile aujourd’hui ? Sans doute convient-il, pour commencer, de s’interroger sur la pertinence du modèle d’Église qui, théorisé par St Augustin au début du Vème siècle dans « La cité de Dieu », prévaut encore de nos jours. Matrice de la puissance et de la gloire du christianisme qui a façonné l’histoire de l’Occident, ce modèle préconise une Église triomphaliste qui ramène à elle toutes les réalités humaines, un projet qui a été brillamment illustré par le foisonnement des cathédrales au Moyen-Âge et qui a été propagé partout par les missions depuis lors. Mais ne faut-il pas plutôt, aujourd’hui, une Église humblement au service du monde, dans le respect de l’autonomie de celui-ci ? La conception passéiste de la paroisse est-elle encore pertinente ? Le christianisme ne peut entrer en dialogue avec nos contemporains qu’en respectant leurs repères et leurs valeurs, en reconnaissant leur humanité indépendamment de toute appartenance religieuse, l’Église se dissolvant en quelque sorte dans le monde profane.
Quels sont les critères de la majorité spirituelle des croyants et de leurs communautés, et quelles sont les responsabilités sociales qu’implique une telle majorité ? Le religieux mène au meilleur et au pire. Souvent grimé d’un visage inhumain, le Dieu présenté aux hommes à travers les idées et les pratiques de la chrétienté a été largement utilisé pour justifier le contrôle social exercé par les Églises et leurs alliés politiques. Il s’en est suivi, au profit d’un cléricalisme funeste, une infantilisation des fidèles entretenue par une religiosité privilégiant les émotions au détriment d’une adhésion responsable au message de la foi. Aujourd’hui, une religiosité délirante éclipse la théologie : Jésus est partout, jusqu’à déloger la pensée, la liberté et la responsabilité humaines ! Mais satisfaire le besoin infantile de sécurité et de confort en proposant un Dieu tout-puissant qui s’occupe de tout maintient l’homme dans la dépendance et l’empêche de grandir. Le fondamentalisme ne propose de refuge que dans de fausses certitudes. Le temps n’est-il pas venu de se rappeler que Dieu est au-dessus de la religion, et que l’évangile rend le croyant adulte et libre, participant de multiples façons au sacerdoce universel des chrétiens ? Penser l’accueil des Écritures et les modalités de la vie chrétienne est plus évangélique que de s’époumoner à chanter alléluia.
Est-il possible de passer d’une conception exclusivement mystico-religieuse du « Corps du Christ » à une vision qui soit intelligible dans l’environnement sécularisé contemporain ? Le monde s’étant défini dans le giron de l’Église jusqu’au XVIIIème siècle, les problèmes profanes étaient alors absorbés par la sphère religieuse sans conflits majeurs. La morale et l’ensemble des activités sociales se trouvaient placés sous l’autorité ecclésiastique. La culture était chrétienne – peinture, musique, et littérature entre autres –, et la civilisation s’arrêtait aux frontières de la chrétienté. Il n’en est plus ainsi : le monde s’est émancipé, s’est élargi aux civilisations autrefois méconnues, conteste les modèles anciens et en produit de nouveaux, et l’héritage religieux apparaît obsolète. Même l’amour et le mariage sont vus autrement. Prise de nostalgie et privée de son ancrage traditionnel, la religion est désemparée et tend à dériver vers des formes charismatiques douteuses et vers le fondamentalisme. Mais ne revient-il pas aux institutions d’incarner la fidélité à ce qui forme le noyau de l’évangile tout en respectant la laïcité et les conquêtes récentes de l’humanité ? N’ont-elles pas à prêcher le Christ sans compromis tout en prenant en compte la modernité ? Sécularisation ne signifie pas fin du religieux, et le crucifié du Golgotha peut encore libérer les hommes des angoisses qu’engendre la trompeuse religion actuelle du plaisir et du confort.
Ne faut-il pas désormais penser et construire l’unité dans l’optique d’une communion plurielle mondialisée, rassemblant les hommes par delà leurs frontières traditionnelles ? Ignorer les différences confessionnelles pour promouvoir un consensus informe et mou au nom d’un œcuménisme superficiel ne mène à rien. Le cheminement vers l’unité est respectueux des confessions particulières en même temps que des valeurs qui les transcendent. Pour ce qui est de la mondialisation, il est bon de rappeler qu’elle a sa source dans les Écritures et manifeste la justesse du christianisme. En désacralisant la nature, la Bible a ouvert la voie aux techniques qui permettent à l’homme d’unifier le monde. Et c’est l’apôtre Paul qui, le premier, a proclamé l’égale dignité de tous les humains, sans acception de race, de sexe ou de condition sociale – « il n’y a plus ni Juif ni Grec, ni esclave ni homme libre, ni homme ni femme » (Gal 3, 28). Toute forme de repli identitaire et d’exclusion des autres est de ce fait à rejeter, et la solidarité impose le partage des richesses. Mais la mondialisation ne peut être heureuse qu’en assumant, aux antipodes de toute mainmise totalitaire, la légitime et féconde aspiration au développement des identités existantes. Les Églises cheminent-elles dans cette voie et offrent-elles des lieux où, sans illusion ni tromperie, les peurs liées à ces identités peuvent être apaisées ?
Innover dans la fidélité à l’essentiel
Bien qu’entravé par le système occidental qui lui a assuré sa fulgurante expansion, le message du christianisme est en soi universel et libre par rapport à tous les systèmes sociaux. Il est urgent d’en prendre conscience et d’en tirer les conséquences. La foi ne se conforme à aucun modèle, mais elle a vocation à s’incarner selon les modalités que lui dictent sa créativité face aux circonstances en chaque temps et chaque lieu. L’Église ne peut donc plus, sous le prétexte de sa vocation à annoncer l’évangile, s’imposer de l’extérieur avec la culture qui l’a portée pendant les deux millénaires passés. Attendre que les voies nouvelles soient parfaitement balisées pour éviter tout risque de faux pas revient à se condamner à ne jamais avancer, mais l’évangile exige que la vie l’emporte sur la défense de l’héritage et de l’ordre établi. Que les Amériques, l’Afrique, l’Asie et l’Occident sécularisé produisent les théologies inédites qui, pour défendre l’homme des atteintes qui le défigurent, le libèrent des absolutismes usurpant la place de Dieu qui est amour et qui seul est absolu. Et que la parole soit agissante.
Le culte qui a clos le jubilé a rappelé, notamment à la faveur de la prédication du pasteur synodal de la FPMA, les valeurs fondamentales qui doivent présider à la vie des Églises : la fidélité au Christ, le respect qui reconnaît et accueille l’autre, la bienveillance qui introduit au pardon et à l’amour, la créativité donnée par le Créateur. Aucun homme ni aucune communauté n’incarne la perfection, et le partage de notre humanité est l’unique sentier menant vers Dieu.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
[i] Les quatre questions posées aux intervenants, en italiques dans cet article, se réfèrent au thème de réflexion retenu par la FPMA pour présider à ce jubilé – extrait de la lettre de Paul aux Éphésiens, 14, 11-13. L’analyse proposée ci-dessus met en valeur les points de convergence sans s’attarder sur certaines affirmations qui auraient mérité des précisions – concernant, entre autres, l’importance plus ou moins déterminante de la langue pour le vécu de la foi, les charismes au sein du Mouvement du Réveil « Fifohazana », la notion de guérison par la foi, les rapports entre l’évangélisation et l’humanitaire, ou les structures ecclésiastiques.
|
24. FPMA - Étude biblique 15 avril 2018
Galates 5, 22-23
1. Aloan’ny hidiran-tsika ao amin’ny epistily nosoratan’i Paoly ho an’Galatiana dia tiako ny hanome fanazavana fohy tamin’ny fomba nentiko nanomanana izany.
Ny « étude biblique » dia nadikako amin’ny teny tsotra hoe « fianarana ny boky baiboly ». Fianarana hanadihadiana izay voalaza ao mba hahalalana mazava kokoa izay voasoratra, ary indrindra mba handraisana tsara ny fampianarana izay feheziny. Tsy toriteny na katesisy na dogme (hevitra jadona hampiarina toy ny lalana) ny fianarana ny boky baiboly fa fomba ihany toy ny fiofanana na famotopotorana ilaina eo amin’ny asa na zavatra hafa tiana ho atao raha te-androso ary tsy ho veri-an-dalana.
2. Tsara koa ny hahalalana izay misy ny toerana izay resahina ary koa ireo mponina tao tamin’izany fotoana izany.
Koa Galaty dia faritany teo afovoan’i Turquie ankehitriny ary firenena tao anatin’ny emperora romana toy ireo firenena maro resy tamin’izany fotoana izany.
Ireo mponina tao dia :
- ny tompo-ntany atao hoe païens na Gentilisa (fifangaroan’ny olo-mpirenena samihafa : ohatra ireo taranaka ny Gallo-Celtes niala tao Toulouse tao Gaule ary nanampa-kevitra hitoetra tao Galacie IIIe siècle av. J.-C.), sy ny afa maro.
- ary koa ireo Jiosy mpirenireny mitady ny tany nampanantenain’I Jehovah ho azy. Maro teo amin’ireo Jiosy ireo no mpahay sy mpanora-dalana.
3. Hiditra eto amin’ny fampianarana nataon’i Paoly ho an’ny Galatiana isika.Tamin’ny taona 50 ap. J.-C. eo no eo no nano omboan’i Paoly nitsidika ny Galatiana ka namelaberahany tamin’izy ireo ny fahafahana azo avy amin’ny fanekena ho Kristiana ka manaiky ny nahafantesan’i Kristy ary ny nitsanganany tamin’ny maty ary mandray ny batemy : izay hahavonjy izay rehetra mino azy (Gal 3, 24). Noho izany tsy ny fanarahana ny lalana Jiosy intsony no mahavonjy fa ankeitriny tonga ny fotoan’ny finoana koa tsy eo amban’ny lalana intsony ianareo hoy Paoly (Gal 3, 23-29).
Raha nampianatra izany fahafahana izany Paoly dia hoy koa izy : « Iray ihany no lalana mifehy ny lalana rehetra dia – tiava ny namanao tahaka ny tenanao. » Ny fitiavana anefa tsy manery toy ny ara-nofo fa toe-mpanahy - avy amin’ny safidy. Ny fiangonana Kristiana tsy fiaonan’ny panara-dalana sy ny pino fa firaisan’ny pino rehetra mampiseho fomba fiainana sy toetra mendrika araka ny fanomezan’ny Fanahy Masina.
Ity epistily nosoratan’i Paoly ity dia mampiseho ny tsy maintsy hiainan’ny Kristiana amin’ny fomba tsara izay mitombo araky ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny tsirairay Gal 5, 22. Ny fiainana Kristiana dia tsy inona fa fiainan’ny olon-afaka.
Ny antony niverenan’i Paoly tao Galatie koa dia satria nisy fifandirana mafy teo amin’ny ireo Gentilisa nanaraka ny fampianarany sy ireo mpanaraka ny Jiosy panara-dalana, Gal 1, 6. Paoly dia manamafy ny maha-apositoly ny Gentilisa azy, ka ny finoana hamafisin’ny Fanahy Masina no mahavonjy fa tsy ny fanarahan-dalana. Ny finoana an’i Kristy no hamonjena antsika, izay fahasoavana avy amin’Andriamanitra fa raha avy amin’ny fanaraha-dalana ny famonjena dia foana ny fahafatesan’i Kristy hoy izy Gal 2,15-21.
Kristy maty ary nitsangana tamin’ny maty ho an’ny rehetra. Ankehitriny dia pandova fahasoavana avy amin’Andriamanitra daholo izay rehetra mino izany, na jiosy na Gentilisa ary dia afaka koa amin’ny fanarahan-dalana Gal 3, 23-29.
Paoly dia manamafy ny finoany fa tsy misy fanamarinana ho enti-tsika eo amin’Andriamanitra noho ny asan tsika-ka hahavonjy antsika, fa ny finoana an’i Kristy maty ka nitsangana avy tao amin’ny maty, izany no hamonjena antsika.
4. Raha fohizina ny fototrin’ny fampiaranana nataon’i Paoly teo amin’ireo fiangonana voalohany tao Galatie, dia toro-hevitra mba hanatsara mandrakariva ny fiara-miasa teo amin’izy ireo no faniriany, ary indrindra mba haharetany sy hihazonany mafy ny finoana ka ho vavolombelona mendrika ilay niantso azy ireo-satria efa iray ihany eo amin ny Tompo ianareo na dia maro aza. Fa henjana dia henjana kosa ny fananarana nataony ho an’ireo pitondra sy pitarika tsy nitovy fampianarana aminy : tsy avy amin ny fanarahan’dalana, ho izy, ny famonjena, satria ny olona tsy natao ho an’ny lalana fa ny lalana natao ho an’ny olona araka ny fotoan’andro niseo ; ny famonjena dia avy amin’ny fanamarinana azo avy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny Fanahy Masina izay fanomezan-pahasoavana avy amin’Andriamanitra hamonjena izay rehetra mandray sy mino azy.
Jacqueline rasoazanany Kohler
|
25. FPMA 180909 – Conclusion
Maika dia maika no tokony hivoaran’ny mondialisation.
1. Ny mondialisation dia natao hampandroso ny olona rehetra, dia ny vahoaka izany. Ny tarigetra dia ny ho fanatsarana ny fiainan’ny olona, fizarana amin’pahamarinana ny aren-ny tany, izay fanomezan’Andriamanitra ho an’ny rehetra. Ankehitriny anefa dia ny vola no tonga ho tompo-toerana eo amin’ny fifanankalozana sy ny fifandraisana samy-hafa eran-tany ; ny vola no mitondra manotolo ny fiainan’ ny vahoaka. Raha hirina marina ny hiverenana eo amin’ny mondialisation araka ny filamatra niandoany dia ny mpitondra, ireo tompo-karena, ary ny vahoaka no tsy maintsy hiara-hiady, amin-paharetana sy finoana andresy ny fitiavan-tena avy amin’ny tsy fahamarinana izay nanpisaraka sy nanbabo ny mahantra.
Ny fanorenana tetezana mba iharaha-mandroso eo amin’ny tsara kokoa dia hahazoan’ny rehetra tombony, nohon’ny fanorenana tamboho na fametrahana fil de fer barbelé hisarahana : ireo any ivelany miha-maro sy miha-mahantra atrany, ireo tsara fiarovana kosa kely anisa fa mitombo fananana atrany koa.
2. Ny fampianaran’ny Soratra Masina. Ny olona rehetra dia mpirahalahy avokoa, iray fiaviana, noho izany dia tokony hitovy ny hatsaraha-mpiainany eo amin’ny ankapobeany na aiza na aiza tany sy toerana misy azy.
Ny mahantra, ireo lavo nohon’ny tsy fahamarinana sy ny an-tery-setra, dia ireo no hialoa ny panankarena sy ny panara-dalana rahatrizay any am-paradisa, hoy Jesosy, satria « izay nataonareo tamin’ireo kely ireo no efa nataonareo tamiko koa ».
Raha raisina arak’izany tenin’ny Tompo izany, ny Soratra Masina dia manainga antsika hanova ny fahazarana eo amin’ny fomba ambaratonga mahazatra antsika.
3. Adidy ny tsirairay hiverenanan’ny mondialisation marina. Hoatra no ho raisintsika :
- ao amin’ny testamenta taloha dia nisy ny jaobily (50 taona). Ny trosa rehetra dia foanana isaky ny 50 taona. Ny tany izay voatery nilaozan’ny tompony nohon’ny antony samy-hafa koa dia miverina amin’ireo tompony teo aloha.
- eto amin’ny testamenta vaovao dia fanoarana nataon’i Jesosy no ho raisintsika : ilay vehivavy mpitondra tena nanome pièces jaunes : “izay rehetra kely nananany dia nomeny avokoa”. Eo amn’ny mahazatra antsika dia izay mahefa be sy be fanomezana eo amin’ny asa-mpiangonana no mahazo doka sy tehika fa ireo ‘tanana kely” (petites mains) manao asa ao amin’ny fahanginana dia tsy fantatra sy mora adino. Ny mpiasa dia tokony handray karama araka ny fomba nanantanterahiny ka nahalavorariany ny asa izay nataony ; nefa indrindra koa dia handray karama marina izy ka hanana fiainana mendrika ary dia hitovy saranga ny mpiara-monina eo amin’ny ankapobeany.
Raha eo amin’ny fiainan’ny tsirairay no jerena dia fiezahana ho amin’ ny fahalalana onony, ary koa finiavana hizara ny arena mihaotra lavitra ny ampy ary hanoitra ny fananan-karena tafaotran’ny hilaina sy ny mahasoa, izay mitarika fahazaka-manana (jouissance). Ireo mahantra dia miha-maro tsy mahazo araky izay anjara tokony ho azy.
Ny fananana « mihoatra » ny rariny, mandrakariva, manintona ho eo amin’ny avoavo kokoa. Tsara ny fahalalana onony na eo amin’ny arena izany na eo amin’ny asa-mpanopoana, na eo amin ny fandraisana fahefana ; izany ilay nantsoin’i Pierre Rabbi hoe « sobriété heureuse » satria eo dia mora ny mampifaly sy miara-mifaly amin’ny maro.
Ny fifandeferana sy ny fandraisana hiara-monina amin’mpanajana dia fifanomezan-mboninahitra ifanaovan’ireo tsy mitovy, ary mampiray saranga ny rehetra.
Eo anivon’ny fiangonana : ireo mpitondra dia hiaina arak’izay lazainy, indrindra eo amin’ny fitantanany ny raharaha mpiangonana ; ary tokony ho fakan-tahaka ny fiangonana eo amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Eo amin’ny asa mikasika ny fiaraha-miaina sy ny fitondrana koa dia tokony tsy hanao sofina tsy mandre, na mpitondra teny moana na maso tsy mahita ny filoa, satria izany no toetra heveriny hahazoany tombo-tsoa sy itanany ny fahefana araka ny maha-mpitondra azy. Tokony ho mpitarika marina maneo fitiavana tsy miangatra ny mpitondra fiangonana.
Raha vonona hiaro ity tany ity isika, manolona ny fandravana sy ny fambabona goavana akehitriny nohon’ny fampiasana tsy ara-drariny ny vola izay nandresy ny fahamarinana sy ny fahendrena dia fikomiana ara-panahy sy ara-politika no voatery tsy maintsy ampiarina eo amin’ny mponina rehetra (dia ny mpitondra sy ny vahoaka izany).
A - Inona no ifandraisan’ny maha-kristianina amin’ny fanotontolona ?
(Religion et politique)
Raha amin’ny fandraisana azy avy atrany, ny finoana sy ny fitondram-panjakana dia hevitra roa samy hafa, samy manana ny maha-izy azy. Hoy Jesosy « ny fanjakako dia tsy eto amin’izao tontolo izao ».
Raha izany, ny fiangonana va tsy tokony hitandro koa, ho izy manokana no hiasa eo amin’ny mikasika ny finoana sy ny fanahy, dia fitondran-tena mendrika ; ary ny mpitondra isan-sokajiny kosa dia ho feno fahefana eo amin’ny fiainam-bahoaka ? Mba tsy hisin’ny fifandirana, tsy tsara va ny mitana ny foto-kevitra « fiandohana » (fondamental) : ny mpitondra fivavahana manao ny asan-panahy, ny mpitondra fanjakana manao ny asan-pitondrana ?
1. Mba hahitana valiny ho amin’izany fanotaniana izany, tsara raha hiverina eo amin’ny fototra niorenan’ny fiangonana isika. Jesosy dia toy ireo jiosy niara-belona taminy : nihandry sy nino fa akaiky ny faran’izao tontolo izao ; nefa dia nifanesy ny andro sy ny taona, dia tsy hitan’izy ireo ny fahatongavan’izany faminaniana izany. Ary tamin’ny fotoana nanoratan’ny pianatra na ny apostoly ny epistily dia voatery izy ireo ; ary koa ireo mpitondra hiova hevitra mikasika ny tarigetra ho tratrarina arakin’ny fampianarana azony sy arakin’ny toetra andro iainany.
Ohatra : niova hevitra izy ireo mikasika ny fanambadiana : tsara raha ho maro anaka ny vahoaka satria tsy misy intsony ny taotra noho ny fara-andro efa akaiky ; teo amin’ny fananana arena koa toy izany ary ny mpitondra fanjakana dia nanamafy ary nihezaka koa hanatsara ny lalana.
2. Nahoana isika ankehitriny no mbola be fisalasalana na toa mandray an-tendrony fotsiny ny vokatrin’ny mondialisation nefa, mazava fa miankina amin’izany ny ho avin’ireo taranaka ao aoriana sy ity tany itoeran-tsika ity ? Ny firoborobon’ny mondialisation dia mitondra fanotaniana roa goavana :
- Ny mondialisation dia mikasika antsika rehetra tsy misy an-kanavaka, ary dia manankorontana atrany am-potony ny fomba-fiainana manontolo eo amin’ny fiaraha-monina manerantany.
- Ny mondialisation dia mitarika antsika handinika sy hanadi-tena noho ny maha-pino kristianina antsika satria mitondra fiovana feno, izay tsy hazo hidivirana nefa mampikorontana lalina ny finoana sy ny fomba fiainana.
B - Izay tsapa ary hazavain’ny ohabolana mikasika ny mondialisation
(Enjeux et ressenti de la mondialisation)
Hanampy antsika eo amin’ny fisainana amin’ny fitefan’ny mondialisation eo amin’ny fiainana andavanandro sy ankapobe, dia ndao hijery fohy ny tantara.
1. « Chacun chez soi, et les vaches sont bien gardées »
Ny olona tsirairay, mpianankavy, mpiray monina na tanana, dia mila toerana voafetra, tsara antoka ary manana ny maha-izy azy satria miaro azy amin’ny taotra sy ny ady avy any ivelany. Ny fivoarana tsy nahy (imprévu) avy any ivelany dia mety hanafotra (submerger) ary handrodana (détruire) ireo fananana nandanian-kery na nolovana sy najaina teo aloha, dia tonga fivoarana mampikorontana ny fiainana manontolo.
2. « S’enfermer chez soi, c’est se condamner à mourir »
An-koatra ireo fanao sy fomba sasantsasany, ny olombelona koa dia zatra ny mankamamy ny fanambadiana eo ivelan’ny mpianankavy (exogamie) nohon’ny antony roa lehibe – ialana tsy isin’ny firaisan-dra (consanguinité) - ary indrindra mba hanalebiazana ny fiaraha-miaina izay hitarika fanabiazana ny mpiray fianankavina ka hampitombo sy hanitatra ny lova isan-karazany (taranaka, tany, fahefana, etc.).
Eran-tany, ary atrany am-piandoana, ny olombelona dia nanao fifanankalozan- karena tao anaty ny toko firaisana samy hafa : ny piompy mpifindrafindra fonenana (nomades) dia nifandray tamin’ny pamboly tafa-toetra ; ireo panao asa-tanana isankarazany dia nifandray araka izay fiaonana niseho, etc.
Ny tantaran’ny olombelona koa dia feno tantara mihasika ny fifamonjen’ny piray dia teo amin’ny loza mety niainany. Ny olombelona dia mpivezivezy ary avy amin’izany no ankamaroan’ny firaisan’ny maro ka tonga ho firenena (histoire des migrants qui ont formé le peuplement de la terre à partir de groupes humains primitifs originaires d’Afrique il y a au moins 300 000 ans).
3. « Le crocodile n’est-il pas né pour croquer le poulet ? »
Raha teo am-mpiandoana ny fifanankalozana dia natao tamin’ny fomba marina teo amin’ny ankilany avy ; izy roaroa dia samy nahazo tombon-tsoa tamin’ny « varotra » natao (samy nanome sy nandray izay voafetra ka tsy nisy very antoka). Tsy naharitra ela anefa izany ary indrindra dia niha-sarotra atrany satria miha-maro ny zavatra natao takalo, ka ny ankilany sy ny andaniny dia lasa mpifanohitra, mpifaninana ; ny fifanankalozana dia niova ho fandrobana, fankana an-keriny ; ary dia alatra no niefarany (expropriation forcée et mauvaise indemnisation des petits propriétaires au profit de groupes capitalistes locaux ou étrangers ; exploitation des cultivateurs expropriés employés sur leurs anciennes propriétés ; plantations destinées à l’exportation ; transfert vers l’étranger des bénéfices tirés de ce commerce).
Ny fanjana-tany (colonisation) : ny mponina tompo-tany mandrakariva dia norohain’ny mpandresy ho amin’ny toerana tsy mahavokatra ; ny « barbares » nanafika an’i Roma ; ny Romana najana-tany an’i Gaule ; ny Arabo nanafotra ny Kristianina teo amin’ny manodidina ny ranomasina Mediterrannée ; ny tandrefana Occident nambabo ny tany mantolo ary niasa ho amin’ny tombo-tsoany manokana indrindra nanomboka teo amin’ny XVI siècle, etc.
C - Ny fototra niorenan’ny fahalalahana teo amin’ny fitondrana
ny arenan’ny firenena
(Principes fondateurs de l’économie libérale)
Adam Smith (XVIII siècle) iray amin’ireo pamorina sy pandala ny aren’pirenena (économie moderne) ankehitriny dia nanambara marimarina fa : « Misy tanana tsy hita maso » mizara ny arena arakin’izay tokony ho an’ny tsirairay vokatrin’ny fahalalahana mikasika ny toe-karena eo amin’ny fitondran-mpajakana.
- Ankehitrin’ny hevitra miely sady ampiarin’ny mpitondra mifandray amin’izany dia ny « modalité du ruissellement » : ny arenan’ny mpanankarena dia misononoka hampanana ny mahantra toy ny rano miangona avy amin’ny toerana avo, manodraka ny ety ambany, tsy misy fanerena avy amin’ireo tompo-karena satria tonga ho azy, noho ireo sakeli-drano kely, maro natao ho amin’izany.
- Ny fahalalahana (libéralisme) eo amin’ny fitondra-mpanjakana mifehy ny toe-karena izay fototra iorenan’ny mondialisation ankehitriny dia mifanohitra amin’ny hevitra mikasika ny fiaraha-monina am-pahendrena (théorie socialiste) izay mitendry fizarana marina sy mahitsy ny arena amin’ny alalan’ny fandaminana manaraka ny lalana ataon’ny mpitondra, na ireo any an-tampony, na ireo mifanerasera amin’ny vahoaka.
D - Ny fanelanelan’ny fiangonana
(Compromission des Églises)
Raha eo am-piheverana ny tokony ho toe-piainan-ny kristianina manoloana ny mondialisation isika dia tsara raha hankinina araka izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina.
Izay ho hitantsika miavaka tsara sady mazava na dia ho sarotra hampiarina aza dia hekena koa fa afatra mifanohitra mandrakariva amin’ny fomba ama-mpanao ny fiangonana ankehitriny ; ny fiangonana, izay manamaivana na manao hodian-tsy-hita, am-pahamalinana (prudence) teo amin’ny teny sy ny asa noho ny faniriany sy fitadiavany tombotsoa avy amin’ireo mpitondra manam-pahefana sy ireo tompo-karena.
Mba hampielezana ny finoana kristianina ny fiangonana koa dia matetika niasa araka ny lozika nahazatra ny be sy ny maro avy amin ireo mpitondra fanjakana. Niray saina sy niara niasa tamin’ireo mpitondra mana-mpahefana sy mahery ny mpitondra fiangonana ka nampianatra ary nampiaiky ny pino ny taotra an’Andriamanitra sy ny devoly. Ary dia lasa mpivarotra ny fiainana mandrakizay ny mpitondra fiangonana. Fahefana manokana ho azy ireo izany ary nanpiditra vola be ho an’ny fiangonana.
Ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra fiangonana dia miara niasa tanteraka, nanamaivana ny fampianarana ny Soratra Masina ary nanova koa ny finoana ho fiasana teo ampelatanan’ny tompo-karena. Ny fototra fiorenana nitsanganan’ny fiangonana (valeurs fondatrices des Églises), izay vato atin’ny fiainana kristianina dia lasa fisainana tsara lahatra vokatrin’ny asa saina fotsiny ihany (construction idéologique) ary fomba amam-panao tonga lafatra araka ny lalana izay ampiarina tsy misy adi-hevitra dia fahalalana an’Andriaminitra (théologie) sy fivavahana voasoratra sady voalahatra arak’izay voatery ho tonon’ny pino ; izany no nisolo ny firaisana am-mpitiavana sy fiaraha-mivory ara-panay sy ara-pahamarinana araka ny fototra nitsanganan’ny fiangonana.
Izany fomba amam-panao ary lalana niraisan’ny mpitondra fiangonana sy mpitondra fanjakana izany dia nitondra tombotsoa sy nampandroso ary nampiely ny fiangonana nandritra ny 2000 taona. Ankehitriny dia toa very lanja ny fiangonana satria tsy nahay nanova ara-potoana ny fitondrana araka ny fandrosoana miseho. Tsy mitana sy miaina eo amin’izay tokony ho tarigetrany fa nanalavitra kosa ireo mahantra marobe maneran-tany satria mbola voahodidin’ny fomba amam-panao lany andro noho ny nanalavirany ny fototra fiorenany. Manoloana ny fiovana lalina, maro, dia sarotra aminy ny hiova fomba amampanao nahazatra na eo amin’ny mpitondra izany na eo amin’ny pino. Nohon’izany dia indro ny fiangonana miha-miofana bebe kokoa isan’andro eo amin’ny fankalazana (cérémonies) sy ny fisehoana (représentations) ; koa dia voatery ho velo-dratsy (végéter) ary dia indro koa miorona etsy sy eroa ny antoko mpivavahana samihafa (sectes). Tsara ho marihina eto fa ny protestantisme (Luther, Calvin) dia tsy antoko mpivavahana fa sampana avy amin’ny catholicisme. Ny fivoarana anefa tsy maintsy ho atao.
|
26. FPMA – Introduction étude biblique 15 avril 2018
Galates 5, 22-23
Ho vakian-tsika Gal 5, 22-23 izay andininy voalaza hifanankalozan-kevitra eto amin’izao tolan-kandro izao : “Fa ny vokatry ny… tamin’ny hazo fijaliana.”
Iza amintsika no hanohitra izay novakiana teo ka tsy hitempo faniriana hahatratra izay voalazan’i Paoly eto. Mazava, tsotra, mora raisina izay voalaza fa toe-panahy tsara sy mendrika.
Iverina eo amin’ny andininy Gal 5, 19-21 isika. Eto Paoly dia mitanisa ny toetra ara-nofo, malemy sy mora fitahina. Iza no hanamelon-tena hifidy izany ?
Noheveriko fa tsara ho fantatra ny hahalana teo amin’ireo epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Galatiana, izay mikasika ny fampianarana nataony tao Galatie momba ny lalana, ny famonjena, ny finoana, ny hazo fijaliana ary ny Fanahy Masina, ka nitarika azy hanoratra ity Gal 5, 19-23 ity.
Aloan’ny hidirantsika eo amin’ny fifanankalozan’kevitra sy ny resaka dia hanome fanazavana fohy tamin’ny fomba nentiko nanomanana izao fotoana izao aho.
|
27. Ny kristianina eo anonoan’ny fanotontolona
Les chrétiens face à la mondialisation
Muhlbach-sur-Munster - 20.05.18
Ny tanjona iriako ho tanantsika eto, dia tsy ny hitanisa ka hahita valiny ho an’ireo fanontaniana sady maro sy mampisalasala, ary indrindra saro-pantarina, mikasika ny ara-karena (économique), ara-pitondrana (politique), ara-tsaina (culturel), eo anoloan’izao mondialisation iainantsika izao.
Ny irina dia, ny hitarika antsika hievitra izay anjara sy andraikitra tokony ho raisin’, ny tsirairay eo amin’ny fiaraha-niaina tsy nohon’ny maha-kristianina ihany fa amin’ny maha-mponina (citoyen) antsika koa.
Hozaraintsika efetra ny fitondrana ny resaka
(1) Ny mondialisation dia filamatra (processus) naharahin’ny olombelona hatramin’ny nisehony teto ambon’ny tany, nataony mba hifanampiana, hifankalalana, hifampizarana, hampandrosoana ny toe-piainany. Raha lazaina tsotra dia ADN ao amin’ny olombelona ny mondialisation.
(2) Taty aorina ny famoronana ny vola nanova izany filamatra izany ary niseho ny varotra (marchandisation) teo amin’ny ankamaroan’ny fifanankalozana maro, dia niely teo amin’ny fifanankalozana rehetra. Atramin’ny zava-madinika teo amin’ny andavanandro dia tonga novidiana daholo ; koa dia nialana ny troka (troc) - zavatra takalo an-javatra, matetika dia tsy mitovy lajan-bidy ny takalo atao.
(3) Ankehitriny ny vola dia tonga tompo-toerana, irery manjaka eo amin’ny fifandraisana sy ny fifanankalozana maneran-tany ; ka indro izy mitroka (vampiriser) ireo kely fananana ara-bola, fa mamporisika sy maneno paosy kosa ireo efa manambe, mitady tombony tsy misy fetra amin’izay rehetra ataony satria ny vola no tompo mandidy.
(4) Inona ary no azo atao hiarovana ny olombelona sy ity tany ity manoloana izany hery goavan’ny vola izany izay mitondra fandravana tsy misy mpanohitra afaka handresy azy.
Ilay fihaonana nitondra fiovana tsara maro tery, am-piandoana, ho an’ny an-kilany avy, dia lasa fiaraha-monina maheri-setra izay manababo (mépriser) ny olombelona ary mandevona tsy misy hisalasalana ny zava-mboary rehetra manodidina.
Izany no lava, izany no fohy nefa tsy azo nodinganina satria tetezana mampita idirana eo amin’ny resaka ivorian-tsika eto.
1. La mondialisation, vocation de l’humanité
1.1 Raha ny tantara mikasika ny fielezan’ny olombelona voalohany teto an-tany no haraina dia niainga tao Afrika (Maroc), tamin’ny taona 300000 av. J.-C. ny migrateurs voalohany. Nisy fivezivezena sy fifandraisan’ny mponina tamin’izany nitondra fivoarana maro tsara teo amin’ny fomba fiainan’ny ankilany avy araka ny fotoana sy ny toerana samihafa.
Andeha ho raisina ho ohatra ny mikasika antsika akaiky dia ny tantara ny ponina Malagasy. Ny ponina voalohany arakin’ny tantara dia Austronésiens (venus d’Indonésie). Niala tamin’ny lakana mozana (pirogues à balancier) teo amin’ny toerana nisy azy izy ireo, nohon’ny ady, na mosary na antony hafa dia tonga teo amoron-tsiraka i Madagascar. Nisy nijanona teo an-toerana, nisy nanohy ny diany an-tongotra, nijanona tamorin’ala ary nisy ireo nanaraka renirano an-dakana ary niditra lalina anaty tany. Izy reo no antsoina hoe Vazimba araka ny tantara, 2000 taona lasa izay. Nohon’ny toerana vaovao nofidiany dia lasa pihaza sy pioty (chasseurs-cueilleurs) izy ireo. Nisy koa ireo tonga tany amorontsiraka atsimo nijanona ka namorona ny tananany teo amoro-dranomasina. Izy ireo no razambe ny Vezo, izay nanohy ny fanjonona (pêcheurs). Nisy angamba niray fiteny sy fomba tany aloha ; nosarahin’ny toerana raha tonga tao Madagascar taty aorina anefa dia niahona indray rehefa samy niova kely avy raha hoharina teo amin’ny fanaony teo aloha.
Tonga tao Madagascar koa ireo migrants afrikan na asiatika na european tamin izany fotoana izany. Dia mitohy maro ny fihavian’ireo (immigrants) samy nanana ny fomba aman-panaony avy. Ny fifampikasoana sy ny fanambadiana teo amin’izy ireo no niteraka ny teny sy ny fomba aman-panao Malagasy.
1.2. Ela taty ahorina ny fitondram-panjakana Roman izay nandresy ny ankamaroan’ny firenena manodidina ny ranomasina Méditerranée dia tsy nanana tarigetra afa-tsy ny hampihatra fitondrana tokana eo amin’ireo firenena ireo na ara-panjakana izany na ara-karena (économique) na ara-tsaina (culturel), na ara-taozavatra.
1.3. Ny finoana Kristianina tato aorina dia nanamafy izany fitondran-panjakan’ny empire roman izany satria nifanaraka tsara tamin’ny fampianarany izany, dia fampianarana « mpanontolo » (universaliste) indrindra nandritra ny fanjakan’ny empereur Constantin tamin’ny IVe siècle izay, nampihatra ny lalana hampitovy tanteraka ny fomba fiainan’ireo firenena teo ambany fahefany.
1.4. Ny vokatrin’ny fitadiavana (recherche scientifique et culturelle) maro, mbola niafina tamin’tsika taloan’ny XVe siècle dia nanamafy orona ny mondialisation : fahitana tany vao tany Amérique, Asie, Afrique, ny asa natao teo amin’ireo finerenana ireo, indrindra ny asan’ny missionnaires (asa fanasoavana ary fanampiana nampiseho fitiavana avy amin’ny ponina avy aty Europe (pays du Nord).
Ny alavan’ny andro-piainan’ny olona tamin’ny 1900 dia 31 taona, ankehitriny izany dia mihoatra ny 70 taona, nefa izany koa dia miova araka ny toe-karena sy ny firenena misy azy ; ohatra : ankehitriny dia 70 taona any Bangladesh ary 83 taona eto France.
Ny mosary be sy ny aretina manafo-tany (épidémies) tamin’ireo taon-jato maro teo aloa dia mihemotra koa tsy toy fiveriberenany teo aloha.
Mikasika ny fampianarana indray : nandroso niroborobo nandritra ny 50 taona faharoa tamin’ny XXe siècle. Ohatra : tany Inde ny tsy nahay namaky teny dia 88% tamin’ny taona 1940 (taonan’ny Fahaleovantenany) nihena ho 26% izany ankehitriny. Na izany aza anefa dia mbola maro ireo firenena any Afrique sy Asie du Sud Ouest izay mbola 1/3 eo amin’ny tanora no tsy mahay mamaky teny ary 2/3 amin’ireo dia vehivavy.
Azo lazaina fa atreo dia zava-mahasoa sy nitondra fanavaozana tsara sady nilaina ny mondialisation teo amin’ny ankapobehany. Ny firenena nampiana dia afaka niaina teo amin’ny fomba amam-panaony nahazatra azy ary nandroso teo amin’ny fomba vaovao na dia tao aza ny didy boraingona indraindray sy ny zava-tsarotra tsy azo nioarana nefa tsy maintsy diavina raha te-hivoatra.
Tiako ny itanana ao an-tsaina ireo tombo-tsoa maro sy ireo tsiary ho tanisaina eto nilaina sady tena nahasoa tokoa nohon’ny mondialisation satria ato ahorina isika raha iresaka mikasika ny fisavororotanana ankehitriny dia mety hisy hevitra azo tsohaina fa ny mondialisation dia tsy ratsy daholo, fa ny fampiasana azy no nivaona tamin’ny filamatra niorenany, ka ny vola tonga tompo tokana manjaka ary ny olombelona sy ny tany dia voababony ho amin’ny fahaverezana.
2. Fanjakan’ny vola sy ny varotra maneran-tany
Teo amin’ny fiainana fahizay dia tamin’ny fifanankalozan-javatra no nanaovana ny fifanankalosana rehetra teo amin’izay nilaihina. Tamin’ny VIIe siècle av. J.-C. no fotoana niseoan’ny vola ho fomba nanomezan-bidy voafetra ny arena mba handaminana sy hampiely ary hahamora ny fifanankalozana.
Ankehitriny ny vola dia arena tokana lazaina fa ho fampiraisana izao tontolo izao, mampin’tsiriritra ny rehetra satria mahazo sy afaka manana azy daholo, hono, ny vahoaka ; ny varotra hampanan-karena izay rehetra te-hividy na hivarotra koa.
Mifanohitra amin’izany ny miseho sy iainana : tsy mitovy vintana daholo ny rehetra. Ny fananan-karena (capitalisme) ankehitriny dia vokatrin’ny fananaraotan’ny panankarena eo amin’ny asan-barotra satria ny tombo-barotra azony amin’ny fandri-bola (spéculation) dia volabe raha hoarina amin’ny karaman’ireo mpiasa sy ny reni-mbola (capital) teo am-piandohana.
Ireo tsy sahy (tsy ho an’ny mahantra ny fisamboram-bola, hoy ny fitenenana) dia hitoe-dava eo amin’ny fiankinana. Ny fifaninanan’ireo vonon’kiady (les battants) dia mifanohitra am’reo resi-mpiainana (les perdants - loosers) dia ireo tsy manan’asa, ny ponin’ny banlieues, ireo mpirenireny (SDF), ireo mpitady toerana hifindrana fonenana nohon’ny antony maro samihafa, sarotra hasiana faritra ; raha fehezina dia ireo ratsy vintana satria na ny kely tokony ho anjarany aza lasan’ireo efa manambe.
Teo amin’ny XIXe siècle no azo lazaina ho fiandoan’ny mondialisation amin’izao toetra sy heriny ihainantsiaka izao : fielezana tena manerantany tokoa no hitantsika ankehitriny eo amin’ny asa-barotra sy fifanankalosana isankarazana rehetra, atrany amin’ny fitondra-panjakana. Izay zava-dehibe rehetra miseo ankehitriny dia eo ambany fifehezan’ny vola, tompo tokana, masi-mandidy ny fiainan-pirenena rehetra.
Ny fanatsarana ny fitadiavana (recherche scientifique sy technologique) dia mitondra tombo-barotra be dia be ; ny famokaran-bokatra industries alimentaires sy ny asa isan-karazany sakelen’izany dia mampiditra tombo-barotra koa.
Ny mpiandraikitra ny fitadiavana fandrosoana no miadidy ny fananan-tany sy ireo ho tompon’ny arena ao ambany ny tany (richesses minières, gaz, pétrole, ressources en eau).
Ny hitoizan’ny asa fitadiavan’pandrosoana dia mila fahombiazana mivoatra tsy mitsahatra eo amin’ny ara-toe-karena (économique), koa dia olona manana toe-tsaina mafy orona anatrika ireo ady saina maro ampifanaraka ny fandavorariana ny hevitra tapaka rehetra (PDG : ambony karama no ho eo amin’izany toerana izany). Vola be koa no tsy maintsy ho lany hanaovana propagandes ; ny politica dia ho eo ambany fahefan’ny vola, toy izany koa ny fampielezan-mbaovao (médias) izay hasesika hanova ny fomba fievitrin’ny vahoaka (ny fampielezan-mbaovao rehetra dia efa eo ambany fitondran’ny panankarena 3 na 4 izao). Izay mbola te-hiady hevitra, na henahena eo amin’ny fomba teo aloha, na te-hihemotra kely hitady hevitra fotsiny ihany aza, indrindra moa ireo te-hanohitra dia omen-tsiny sy henatra eo imaso-ny vahoaka ka maro no mihemotra sy manaiky ores itsy hiady. Ireo izay manaiky ny fanoavana ny fitiavan-tena vaovao kosa (izay lazaina fa loharano-pahasambarana) dia afaka anao izay rehetra mahafaly ny fony (ho dian-tsy hita ny tsy fanaja-dalana ataony). Noho izany dia hamafisina ny lalana maro tsy hahazona mandray afa-tsy ny migrants tsara. Ao koa ny varotra marché de l’armement, resaka sarotra hiadihan-kevitra satria mampiasa olona maro sy mampidy mbola be, toy ny industries maro.
Izany toeran’ny vola eo an-tampony indrindra izany dia heverin’ny maro fa lalana tsy azo hidivirana : tsy misy sosoka hafa “There is no alternative” (“Il n’y a pas d’autre solution possible”) Margareth Tatcher. Ho an’ny vahoaka dia tery vay manta tian-kano, tsy tian-kano ; ny vola no mpanjaka tsy refesi-mandidy.
Raha fehezina izay voalaza dia ny tany sy izay rehetra eo aminy na ny jeren-ny maso na ireo mbola any amban’ny tany ary atramin’ny vahoaka dia tonga zavatra azo hamidy sy vidina daholo. Ny fampielezana mba hampaharitra izany fomba amam-panao izany dia ny fandokafana mihoam-pampana atao amin’publicité. Tsy mijery ny lany ny pamandri-mbola satria ao amparany ny tombo-barotra amin’arivony miandry azy ireo.
Pour les enterprises cotées au CAC 40, la repartition des profits a été à peu près la suivante en 2017 : les 2/3 aux actionnaires, seulement 5% aux salariés qui ont fourni le gros du travail, et 1/4 de réinvestissement (en net recul par rapport au pratiques antérieures).
Dokaina am-pahaizana sy am-pahafetsena ny vahoaka hanaiky fa ny fahazakantena dia fanaovana izay tiana atao ihany rehefa eo ny vola.
Ny fomba fiaraha miaina teo aloa dia tsy maintsy ialana hono fa lany andro ; ny fiainana ankehitriny eo ambany faneva ny vola sy ny varotra dia atao tsara doka satria araka ny safidy malalaka (pseudo-démocratique) teo amin’ny vahoaka. Vokatry izany ny fitadiavan-mbola dia lasa karazan-pinoana eran-tany (religion universelle) ary dia, fitondrana faran’izay jadona indrindra, manetry kokoa isan-andro ny ankamaroan’ny ponina indrindra ny mahandra fa mameno ny paosy ny reo efa manambe.
3. Mondialisation jamba sy pandrava
Ny fomba fiasan’ny mondialisation dia fiaraha mandinika, fikirizana ary latsa-bato, hivohahan’izay hevitra tsara indrindra mifanaraka hahazoana tombo-barotra be ho an’ireo pamandri-mbola, kely dia kely an’isa eo amin’ny firenena nefa dia izy ireo no piadidy (qui détiennent et contrôlent les circuits financiers) sy panara-maso ny ara-politika sy economika amin’ny fampiharana ny hevitra tapaka rehetra mikasika ny varotra manerantany. Ny fitadiavana tsy mitsahatra, ny fahitana ary fampielezana zava-baovao na an-tany, na an-dranomasina, na zavamaniry, etc., dia andry mafy azo toky iankinan’ireo pitan-karena ireo satria tombo-barotra be no azo avy amin’izany.
Ny mahantra aty Europe toy ireo any Afrique, manoloana izany fandrosoana rehetra izany dia mihonona amin’ny anjaran’ny zara raha manana na eo amin’ny sakafo izany na eo amin'ny arena hafa.
Eo amin’ny mondialisation koa ny antokon’olona salasala classes moyennes dia very toerana tsikelikely ary misolo toerana azy ireo ny panambola vaovao, mety ho ela hihany anefa vao ho tonga amin’izay kendreny izy ireo satria sady mafy no sarotra ny dingana tsy maintsy hihoarany.
Ita izany farany teo tamin’ny hasaranan-tsaina ny pitondra erantany tamin’ny nialan’ny États-Unis teo amin’ny COP 21 (Traité de Paris sur le climat, 2015).
4. Maika dia maika no tsy maintsy hivoiran’ny mondialisation
4.1. Ny mondialisation dia atao hampandroso ny olona tsirairay, ny vahoaka manontolo. Izay tadiavina dia ny ho fanatsarana ny fiainan’ny olona, fizarana ny aren-ny tany, izay arenan’ny rehetra, tsy misy ankanavaka. Izany anefa tsy ho tratra raha tsy ny rehetra no tapa-kevitra sy haharitra hihady amin’ny tsy faharamarinana izay mampisaraka.
Ny fanorenana tetezana mba hahazona sy hiaraha-mandroso niaraka daholo ho eo amin’ny tsara kokoa dia hahazoana tombony ho an’ny rehetra, nohon’ny fanorenana tamboho na fametrahana fil de fer barbelé hisarahana amin’ireo mahandra. Ny fiaraha-monina amin-panajana dia mampitovy saranga ny rehetra ary ny fandraisana ny zafindraony dia fanomezana voninahitra an’ireo tsy mitovy amin’ny tena.
Ny fanajana ny tsy fitoviana sy ny faha-samihafana isan-karazany dia lalana mitondra ho eo amin’ny fahamendrehana, ny fahendrena, ny fahamarinana ary ny fandriam-pahalemana, izany notokony ho kendrendra sy ho tratrarina.
4.2. Ny mampiavaka ny afatra ao amin’Évangile. Ny olona rehetra dia mpirahalahy avokoa, iray fiaviana, noho izany dia tokony hitovy ny antsaraham-piainany eo amin’ny ankapobeany na aiza na aiza tany sy toerana misy azy.
Ny mahandra, ny lavo nohon’ny tsy fahamarinana na ny hery teri-setra dia ireo no hialoa ny mpanankarena sy ny panara-dalana rahatrizay any am-paradisa hoy Jesosy satria izay nataonareo tamin’ireo kely ireo no efa nataonareo tamiko koa.
Raha raisina arak’izany voalazan’ny Tompo izany, ny Filajantsara dia manambara fanonganana tanteraka ny fahazaran-tsika eo amin’ny fanaovana ambaratonga ny asa atao, hevitra tsy mahazatra antsika anefa izany satria mandrava atrany amin’ny fakany ny fomba politika sy fomba-mpivavahana eo amin’ny tantaran’ny olombelona.
4.3. Ady mba hisin’ny mondialisation marina. Eo amin’ny fiainan’ny tsirairay : manao izay rehetra azo atao amin’ny fahalalana onony sy ny fizarana ka manohitra mafy ny fananan-karena tafaoatra sy fahazaka-manana (jouissance) na dia izany aza no heverin’ny maro ho tsara ; tsy anao tetik’ady mitady fitarihina na fitadiavam-pahefana araka ny fanirian’ny ankamaroan’ny olona, fa manampy sy mizara kosa tsy mitady valiny afa tsy ny ihiara-mifaly sy ampifaly.
Tsahivina eto nifitenenana i Pierre Rabhi “sobriété heureuse”.
Eo amin’ny mikasika ny politika : mampahafantatra ary miady hanohitra ny fitondrana tsy marina mampiasa na mandroaka ireo mahandra na eo amin’ny manodidina ankaity na ireo any lavitra.
Eo anivon’ny Fiangonana ho ampiarin’ireo mpitondra Fiangonana eo amin’ny fiainany izay lazainy indrindra eo amin’ny fitantanany ny raharaha ; ary tokony ho fakan-tahaka ny fiangonana eo amin’ny fahamarinana sy ny fahitsina, ny fahasahina ilaza ny heviny mikasika ny fiaraha-miaina sy ny fitondrana fa tsy hienahena fotsiny eo an-toerany eo hitana ny tombo-tsoa azo avy amin’izany sy ny tombo-pahefana noho ny maha-mpitondra azy.
Fikomiana ara-panahy sy ara-politika no voatery tsy maintsy ho atao raha tiana ny mbola hiaro ity tany ity sy isika olombelona eo aminy manoloana ireo mpitondra sy panao lalana mandrava sy mambabo ankehitriny amin’ny fomba fampiasana ny vola hiandraketany.
Ho famaranana dia satriko ny hamerina eto ny lohateny ity lasin-tsika eto ity : “Ary aoka isika hifampidinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”.
Misaotra Tompoko.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
28. Kabary famarahana
Saint-Marc, 7 mai 2018
Ramatoa filohan’ny FIMPIMA eran-tany,
Andriamatoa filohan’ny FIMPIMA eto Frantsa,
Andriamatoa xxxx,
Tompokolahy, Tompokovavy,
Faly sy ravo izahay FIMPIMA sampana Mulhouse nifanakalo hevitra sy nitafa tamy inareo vahiny tamin’ity harivariva ity. Tsy nahalala tany lavitra ianareo , tsy resy ny havizanana. Izay mahavangivangy, hono, tian-kavana, koa izao finiavanareo izao, ho sitraka enti-matory, telina raha-hifoha, ho tsaroana mandrankariva. Misaotra indrindra Tompoko.
Manaraka izany, manao azafady aho raha hiteny eto satria votsavotsa fiteny ihany raha kabary no resahina, indrindra manoloana anareo, fa toy ny mitafy lamba eo imason’ny tompony, ary mety hisy ho diso ny fitenenana, koa manao aza tsiny, manao aza fondro Tompoko.
Andriamanitra niaro ny dianareo avy lavitra, nanome hery ny teto an-toerana – ary dia indro lavorary avokoa izay rehetra natao. Izy anie mbola hanome saina mazava ka hitarika eo ambany fitondrany ny fikasana rehetra ho avy. Ny voninahitra sy ny haja ambony indrindra ho azy Irery ihany.
Ny fahalalana sy fahaizana miteny ny tenin-dreny dia sady rehareha no mari-pahakasitrahina ho an’ireo nahitana masoandro. Nahavita soa aman-tsara ny fiofanana ho amin-izany tarigetra izany teto amin-ny FIMPIMA ianao ry Christian, tontosa ny natao, vita soa ny fanadinana : ny rano nantsakaina nody ventiny, feno haravoana ny saina. Hitohy tsy hitsahatra anie ny fanambinan-Zanahary eo amin’ny ankohonanao.
Manaraka izany, mamela ahy hitodika indray aminareo vahiny. Kely anisa izahay eto Mulhouse raha mifanatrika amin’ireo sampana maro eto Frantsa nefa tonga hianareo mamangy anay, raisinay ho voninahitra izany satria na dia kely aza izahay dia tsy nohadinoinareo.
Hahavita be amin’ny adidy aman-andraikitra napetrakin’ny firenena hiadidianareo anie ianareo. Tsy ho lavo an-dalana fa ho toky tokoa hanamafy lalandava ny fahalalana ny ohabolana malagasy. Ny fahalalana sy ny fitiavana ny fahendren’ny taolo ampiharina eo amin’ny fiainana, ary ny fomba, iainan-tsika ny fivoarana ankehitriny dia tsy azo sarahina, raha tiana ny androsoan’ny ankapoben-bahoaka satria izany no maha-olombanona antsika mihaina am-pahamarinana sy ny rariny eo amin’ny fisavororotana sy faoriambe miseho etsy sy eroa ankeitriny, izay azo lazaina fa maneran-tany.
Hofaranako ny fitenenana. Hifam-pitso-drano isika mianankavy fa ny tsodrano, hono, zava-mahery, mahabe fanambinana. Samia ho-lava-andro iainana isika, hifamaly soa ; ny fikasana hampiahona antsika mandritra ny taona maro hifanesy anie tsy ho azon-tsampona.
Ary satria Zarazarain’ny tokandrano samy manana isika ka tsy maintsy hisaraka.
Andriamanitra manan-karem-pahasoavana hamaly fitia anareo ary mbola hitantana ny dia ho tafaverina soa aman-tsara any antanindrazana.
Dia mbola maneo sitraka sy saotra ho anareo nanotrona anay tamin’izao andro mpifaliana izao.
Misaotra indrindra Tompoko.
Jacqueline Radsoazanany Kohler
|
29. FIMPIMA – Illzach, 10 novembre 2018
Fanokafana ny taom-pianarana 2018-2019
Teny fohy mikasika ny FIMPIMA
Ny « fikambanan’ny mpikabary » dia fivondronana mahazatra ny Malagasy atrin’ny ela.
Telo ambin’ny folo lahy izy ireo tamin’ny taona 1963 - mpikabary tsara laza, olona za-draharaha raha kabary no resahina – izay niray saina, hiara-handinika lalina izay fomba azo hanorenana fikambanana mifanentana amin’ny fandrosoana sy ny toe-andro ankehitriny. Dia tapaka ny hevitra fa ho atsangana ny « Fikambanan’ny Mpikabary eto Madagascar ». Vita soa aman’tsara izany, araka ny lalana, koa dia nanomboka ny asa tamin’io taona 1963 io ihany koa.
Ny tanjona nofidin’izy ireo tamin’izany dia :
- fiarovana sy
- fanamafisana ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny kabary, izany hoe : fahalalana sy fampielezana ny fomba aman-panao malagasy miankina amin’ny kabary sy ny hain-teny.
Ny filamatra lanin’ny maro nanangana ny fikambanana ary mbola zava-deibe ankehitriny eo amin’ny mpikambana rehetra dia : « Izay tia ny tenindrazany, dia tia ny tanindrazany ».
Toe-trano tsy vitan’ny irery, koa mba hiarahan-mientana tanteraka eran’ny Nosy ka hahatratrarana y tanjona dia maro ny sahan’asa nofaritana :
- fikarohana manerana ny Nosy ireo tantara maneho kabary sy hain-teny.
- fifanankalozana sy fanadihadiana ifotony ny fomba amam-panao sy amam-pitenenana samihafa eo amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny vanim-potoana miavaka
- fampianarana (manomboka eo amin’ny fahazazana) kabary izay mirakitra fahendrena sy fahalalana eo amin’ny lafim-piainana rehetra (eo amin’ny fiainam-pianakavina, eo amin’ny fiaraha-monina, etc.) Raha vao teraka ka atramin’ny fara-fofonainy ary alohan’ny hametrahana azy eo amin’ny farafara vato mangatsika dia tsy afa-misaraka amin’ny maha Malagasy sy ny Kabary.
- fampielezana ny kabary amin’ny fomba rehetra ampiasaina ankehitriny :
- fandraisana anjara amin’ny etsika rehetra isan-karazany eo an- toerana (fiangonana, sekoly, etc.)
- fandraisana anjara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena maro.
Noho izany rehetra izany, ankehitriny ny FIMPIMA dia manana mpikambana aman’arivony manerana ny Nosy, ary miorina koa tsikelikely aty ivelan’i Madagasikara (France, Suisse, Allemagne, Belgique, Canada, etc.)
Misy rantsana marobe koa eo amin’ny fiangonana sy sekoly any Madagasikara ary ny faritany, amin’ny akapobeny, dia manana sampana avokoa.
Mampitovy saranga ny rehetra ny FIMPIMA ka mandray ao amin’ny fikambanana ny sokajim-piaraha-monina sy sokajin’asa rehetra ; tsy nisy fanavakavahana na antoko-politika, na antokom-pinoana na fivavahana na fiaviana ao amin’ny fikambanana. Ny FIMPIMA dia manana ny maha izy azy eo amin’ny fiaraha-monina malagasy, tsy mena-mijoro manoloana ny fikambanan’ny mpikabary maro ary dia tsara ho soritana izany na dia tsy toa lavorary avokoa aza izay rehetra atao satria raha mihinam-bary aza, hono, misy latsaka, koa tsy mahagaga izany eo anoloan’ny asa goavana iantsorovan’ ny FIMPIMA ankehitriny. Mbola ho feno fanambinan’ny Avo Indrindra anie ny asa rehetra volavolaina ho amin’ny ho avy.
Ho fanarako ny teny ; ny hery sy tanjaka teo amin’ny ireo 13 mirahilahy, nanorina ny FIMPIMA anie ho aminao pitarika vao eto Mulhouse, ka hamafy hahavokatra ianao, ho taom-pahasoavana hahefanabe sy hitondra vokatsoa ho an’ny maro anie ity taom-pianarana 2018-2019 ity.
Ho ela velona anie ny FIMPIMA-Mulhouse. Misaotra Tompoko.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
30. Asaramanitra 21 janvier 2017
Chapelle Saint-Marc, Mulhouse
Fisaorana sy Firarian-tsoa
Tompokolahy, Tompokovavy,
Nomen-Zanahary tombon’andro, isika mianakavy ka nahatratra ity andro iray toa zato ity, dia ny Asaramanitra malagasy.
Koa arahaba soa, arahaba tsara, tsy misy ankanavaka.
Mifampiharahaba isika fa velon’aina, feno haravoana fa tafahoana etoana, faly sariaka na ny kely na ny lehibe. Hitohy tsy hisy fitsaharana anie ny fanambinana avy amin’Ilay Tompon’ny aina, dia Ilay teo am-piedoana ary mbola mitsinjo ny tsirairay mandrakariva koa.
Raha mijoro eto izahay mivady dia sadaikitra ihany satria, sarotra ny miteny ary mety hisy diso ny ambara, nefa haja hifanolorana sy voninahitra hifanomezana ny antsika mianakavy, indrindra amin’ny tonon’andro toy izao toy ny « ladi-pihavanana mifaningotra » sady koa fomba ama-mpanao fehezin’ny fifanajana ; tsy hita izay maharatsy izany, koa « ilo-by an-doha, hoy ny razana, tsy ho hararaka an-tany ». Nefa na izany aza dia manao azafady ihany raha hiteny manoloana anareo.
Fisaorana eran-tsaina, eran-po, eran-panahy no atolotray ho an-ny tsirairay amin’izao faneom-panajana sy fitiavana aseonareo izao, ary dia honera amin-anjato, amin-narivony anie ny lany. Sitraka ho enti-matory, ho tsaroana raha mifoha Tompoko izao etsikareo izao koa dia mbola misaotra indrindra.
Ny vetso-po, sady firariantsoa amin’izao fiandoan’ny taona izao dia atolotra voalohany ho anareo reny sy ray mpianakavina manoloana etoana : « Niasa nahatotosa ianareo, reny sy ray niangotiana , laka nampita tsy naharendrika, nikiry ka nahazo zara ; tsy ho vaky vovonana fahavaratra anie, fa ho maro safidy hialofana sy hiada-pinaritra, hifanatitra amin’bady aman-janaka, ho tratry izay ela indrindra Tompoko, ka hotoloran-jafy tehina.
Manaraka izany dia eo koa ianareo tanora, zanaka aman-zafy : maro ny andraikitra sy ny adidy eo antsorokareo. Nefa, dia handroso fahendrena sy fahalalana ara-drariny sy ny marina anie ianareo, tsy hahamena maso ny anarandreny fa hitondra avo ny anarandray ; ho reharehan’ny fianakaviana sy ny tany niaviana satria ho « saonjo mihoatra akondro » - ary dia ho tsara antoka sy ho mafy orona tokoa ireo rehetra hanaraka ao aoriana.
Tsy vitam-bava toa trano-pody anefa ny fiainana, indrindra raha tiana ho tonga lafatra, fa mila fo-mitia sy tana-mikolo ; koa ny rehetra no tsy maintsy hiray soroka hahalavorary izany eo anivon’ny fianakaviana sy ny tany ama-monina.
Ho faranako ny fitenenana - na dia satry tokoa aza ny hanoy ny tafa mandra-maraina - satria ao ny korana voahomana miandry antsika : « Ho ela velona anie isika mianankavy ; ho tojo ny soa sy ny tsara mandrakariva, ho sendra ny mamy tian-kozaraina sy iaraha-kifaliana. Dia mbola ho maro ny andro hifankaitana toy izao. Tsy ho tafi-tohina na ho lavo an-dalana fa ho ambin-Zanahary amin’izay rehetra ho atao anie ny tsirairay. Koa soava dia daholo Tompoko hahatratra Asaramanitra maro mitsingerina.
Mankatelina indrindra Tompokolahy,
Mankasitraka feno Tompokovavy
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
31. Rencontre FIMPIMA : Accueil
Oberdorf, 16 mai 2015
Ramatoa filoha isany,
Ry namana tia sy lian-kabary,
Tompokolahy sy Topokovavy,
Ny akoho tsy mba fihinana amam-bolony, ny koba tsy fitsako aman-kodiny, ary ny lanonana tsy fanao tsy tarihina.
Tsy sanatria fisoko nilaozan’akoho, na kijana nilaozan’omby ny Fikambanan’ ny Mpikabary Malagasy aty amin’ny Sampana Atsinanana aty Frantsa, fa manoloana maro eto ianareo avanana sy tsara laza raha kabary no resahina. Ny tenako izay mijoro eto ankahitriny tsy aviavy ravakin’ny vohitra fa songosongo fanao antsim-boly ihany. Nefa nomena ahy ny fitenenana ka mahamailamalaka, fa raha tsy nomena mahasakodiavatra. Koa raha salovanin am-pitenenana ianareo Tompokolahy, raha seranina am-pivolanana ianareo Tompokovavy, dia ianareo indrindra koa no mendrika omen-kaja, hitsiny omem’boninahitra, koa hangata-dalana aho, ary manao ny azafady raha hiteny eto anoloanareo.
Arosoko manaraka izany koa ny fialan-tsiny noho ny fiambakavakako am-pitenenana sy ny fahavotsavotsana raha mivolana. Miala tsiny aho satria toy ny mitafy lamba imason’ny tompony raha handray fitenenana eto. Ny tsiny mantsy maivana am-pilazana fa mavesatra am-pitondrana ary ny olona andrian’ny tsiny, hoy ny razantsika, savihin-doza amin’izay rehetra atao.
Koa sorohiko ny tsiny hisitaka amin-tsika amin’izao korana mpianakaviana izao. Tsy ny tsiny ho ahy ihany anefa no ahiliko, fa ny ho an’izay rehetra mbola iteny aho aoriana koa. Hanao maro vava tahaka ny sodina aho ka ho esoriko sy ho ariko ny tsiny tsy hiatra amiko ary tsy hianjera aminareo.
Noho izany andeha ary ny faniriana hanao ny marina mandrakariva sy ny fanaovana ny marina amin-izay rehetra atao no ho tarigetra ho tratranina fa ny asa atao no mahasoa na maharatsy ny fiaraha-monina. Raha afaka ny tsiny dia tsara antoka ny fifanajana ary dia ho mora am-panaovana ny fiavanana.
Afaka ny tsiny fanalan’ny vava, ny fondro fanalan’ny molotra dia ho mazava ny lala-kizorana ary dia ho maivana ny teny ambara.
Raha efa izany, dia atolotra anareo Andriampanana azy avy ny hasina sy ny arahaba fa tsy ho, kobonina anaty ankajo na ho fonosina anjoron-damba.
Ny zava-drehetra samy manam-tompo sy ny toerany avy ; ny loha samy manana ny azy, ny aina dia avy amin’Andriamanitra Irery ihany ; koa andeha ary ho atolotra azy ny laza , ny dera ary ny voninahitra ambony indrindra. Ka izy no hitantana hahatomombana izao lanonana anio izao.
Hitodika amin-tsika vory eto aho, tsy ho asina an-kolafiny tahaka ny akondro na hasikasinana tahaka ny voasary fa ho toy ny molo-bilany iray mihodidina ihany eo anivon’ny fianakaviambe ny pirahy tanindrazana malagasy aty am-pita, koa tolorana ankapobe ny arahaba voadinidinika sy ny akory voafantimpatina. Arahabaina manao ny soa, ho asoavina ; arahabaina manao ny tsara ho tsaroana. Tsy ho dila ny asambarana anie ny tsirairay avy, ho manan-jara tsara mandrakariva, ho feno fahombiazana amin’ izay rehetra atao.
Tompolahy sy Tompokovavy,
Izay no ela, ela saran-ny lalana sy voha-vavahady ela naha lehibe ny kely, ela nahamasaka ny manta, Raha nifampitaona isaka nandritra ny fotoan-mpiofanana fa hiara-paly anio ary dia tomombana antsakany sy andavany ny kinasa rehetra dia hafalina lehibe sy voninahitra ho antsika izany ka tsy ho atao ampatram-bary ary ilo mby an-doha ka tsy ho araraka antany.
Tonga eto ianareo havana sy namana hizara hafaliana aminay, tsy nataonareo toy ny antso an’efitra ka ako no ho namaly ny fanasanay fa tonga ianareo mira-tava ary baliaka fo, tonga ianareo tsy nasesikin’ny taotra, na ny enatra fa tonga nasesi-pitiavana ; faly sy ravo izahay mianankavy nomenareo voninahitra amin’izao fiara- mikorana izao ; satria hoy ny ohabolan-drazantsika hoe : ny mikalo irery manjoretra, ny mikialo tsy am-baliha tsy manga, ny mandihy tsy amin’aponga maivana ary ny lanonana tsy hatrehinareo tsy ho lavorary. Koa makasitraka sy mankateline indrindra Tompoko.
Maneo koa ny fisaorana ho anareo mpanpiofana aho : tsy ho avakavahana toy ny voly na ho soritsoritana toy ny volo ianareo. Nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ; ny azo hono no vanon-ko lakana dia ny tany naniriany no tsara ; telina avokoa izay nomenareo ho tsaroana atrany. Andriamanitra anie hanome andro lava ho anareo hifanatitra amin’janaka aman-jafy.
Ny fisaorana, hono, Tompoko, toy ny fary lava vany ka tsy lany amamiana koa hampitao ho amin’ireo tompon’andraikitra isan-ambaratongany sy isan-tsokajiny ny fisaorana azy ireo noho ny finiavany nahatomombana ny hetsika tao Châtenois sy tao Paris. Sitraka sy telina ny asa lehibe vita noho ny fanda-vatena nizy ireo
Hitodika amin-tsika mpikabary vao aho : ny zavatra ananana hono mitaky adidy, koa raiso ary ny adidy sy ny andraikitra mpiray dia tsy azo sarahina amin-ny fahalalana : « Hiaro, hanondrotra, hampiely ny fomba sy ny fahendrena malagasy ». Tsy adidy ny samy irery izany na ny samy manana ny azy, fa adidy tsy mainty iraisana, andraikitra hiaraha-mitondra raha tiana ho lavorary.
Ny andraikitra tsy an’olon-dradsy fa an’olon-kendry ary marikin’ny maha olom-banona. Raha to izany dia isika rehetra no hiara-miredona hoe : « Izay tia ny tenin-drazany, tia ny Tanindrazany ».
Mankasitraka Tompokolahy hajaina,
Mankatelina Tompokovavy fanaja,
Misaotra Tompoko.
Hiroso amin’ny lanonana isika koa mandroso fa ho hery sy tompo-kafaliana daholo isika mianankavy amin-izay rehetra ho atao.
|
32. Ordination pastorale de M. Dimby Ratovonarivo
Chapelle Saint-Marc à Mulhouse, le 30 octobre 2016
Ianao manarahy ahy
Sambatra Rafody fa manam-podiana,
Sambatra ny ambiaty fa nahazo zo tamin’Andriamanitra, ka nataon’ny olona ho famataram-taona.
Fa sambatra raha samy sambatra kosa ianao izay nandre sy nanaiky ny antson’i Jehovah. « Ianao manarahy ahy ». Arahaba soa, arahaba tsara.
Ny azafady fitarian-teny, ny haja hifanolorana, ny voninahitra hifanomezana, koa mandroso ny azafady aho raha mijoro eto anoloanareo. Ny jafajafa dia fanaon’ny mantanjaka, ny rodorodo-mpamindra an’ny mahery, fa izaho kosa avy amin’ny lantolanto-mpitenenana ka manao azafady aminareo raha hiteny.
Manaraka izany, alako ny tsiny tsy ho amiko, tsy ho aminareo ; ny tsy afa-tsiny tsindritsindriany tohy ny tsindron’ny lefo maranitra. Tsy zakan’ny teo aloha izany ka ombako tsy mahazaka ihany koa. Ny afa-tsiny, na ny saobakaka aza, hono, mampidin-drano-ketsa. Sarotra koa anefa ny miteny ka miala tsiny aho fa toy ny mitafy lamba imason’ny tompony raha fitenenana no resahina : tsinjoko eto ianareo zatra fitenenana, tompo-mpitenenana, goavana tokoa amin’izany – railovy andriam-borona – hoy ny razantsika ; ny tenako anefa dia kijeja vao miana-manidina fotsiny ihany. Koa aza tsiny, aza fondro Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina.
Raha hefa izany dia atolotro ho an’ny rehetra ny arahaba vaventiventy sy ny akory voafantimpantina, ka ny lehibe ho voatehitehika, ny kely ho voasafosafo.
Andriamanitra no nitantana ny dia ka nahavory antsika mianankavy toy izao. Isaorana mandrakariva anie ny halebe ny fitiavany. Izy koa no nanolon-tsaina sy niaro ary nahatontosana ireo rehetra asa hefa teo aloha ka mbola hitahy sy hanome hery amin’izay rehetra mbola ho atao anie.
***
« Ianao manarahy ahy »
Ny lakana raha tokam-pivoy tsy tsara fisosa, hoy ny fahendren-ny taolo. Indreto isika mianankavy avy amin’ny lafiny efatra :
Ao ny avy ao Atsinanana sy Andrefana
Indreo ianareo avy ao Atsimo sy Avaratra
miran-tava mifanatrika, baliaka fo mifankahita
sariaka endriaka mifampitafa, ravo am-panahy mifampiresaka.
Vory eto isika mankalaza ity andro iray toa zato ity. Tsy nataonareo antso an’efitra ny fanasanay ka ako no namaly, fa novalianareo tamin-kafaliana ka ny lehibe nasesi-mpitihavana, ny kely tonga tsy noterena na hama-taotra.
« Ianao manarahy ahy »
Ny antson’i Jehovah, dia tsy ho mpitory fomba amam-panao hahazoana vola aman-karenan-be, na antso handraisana anjara toerana ao an-dapa feno rava-mbolamena mamirapiratra andro aman’alina. Fa « manarahy ahy » hitory ny « Teny soa mahafaly » eo amin’ireo izay miondrika, tsy afa mitraka intsony – ny kibo noana tsy anana-kavana – very saina am-pitadiavana’izay ohanina anio sy ny hametrahana ny loha raha tonga ny alina ; dia ireo rehetra zoi-mpahoriana sy toy ny hejehin-doza, lavo ny adi-mpiainana ka maro no tsy mahaloa-mpeo intsony. Ny tsirairay amin-tsika no hihetefan’izany antso izany androany eo amin’ny toerana sy ny asan-tsika avy. Ny valiny dia tsy noho ny maha-kristianina antsika fotsiny ihany fa mikasika ny fototrin’ny fiaraha-monina manontolo sy ny ho avin’ity tany ity : fanomezan’Zanahary - ho an’ny olon-drehetra - ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Ny antson’i Jehovah dia adidy aman-draikitra sady hasina no voninahitra, koa aoka samy handray ny anjara tandrifiny avy : ny vato ampiriana ny rano, ny rano amelona ny voly, dia ho velo-mpinaritra ny rehetra – hihemotra ny zava-mahory eo amin’ny fiaraha-monina fa handroso kosa ny firaisan-kina.
Ianao manarahy ahy.
Ary satria ny toe-trano tsy vita ny irery. Mitaky ny faharetan-ny maro ny fampandrosoana ny teny soa mahafaly, hiantsoana anareo mivady sy isika rehetra, koa aoka ho saina miara-mievitra, ho tanana miara-mandray, ho soroka miara-milanja ary ho tongotra miara-mamindra eo amin’ny asa rehetra ho atao. Tsy ho asa an-terivozona na ho didy jadona na dia iaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanana aza fa ho mafy tokoa ny hezaka tsy maintsy ho harahin-panetrean’tena sy faombiazana feno. Koa ny fiaraha-niasa no ndeha hajoro handresena ny sarotra fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Ny fiaraha-mientana eo amin’ny andavanandro-mpiainana no hery iray azo antoka hahatontosana izany, satria ny akanga maro hono tsy vakin’amboa.
***
Tsetsatsetsa tsy haritra ny ahy izay voalaza. Ho faranako eto ny anjara fitenenako. Hoy ny ventso-po hoe :
Hahahefa be, hampita sy hizara izay tsara voarambim’ny maso sy voarain’ny saina anie ianareo mivady. Izay mifidy ny marina, hono, hinjinja ny soa tsy voavidi-mbola aman-karena, dia soa tsy ho halaina aminy mandrakizay ; koa aza ho resi-ankivina eo amin’ny asa-ny Tompo. Ento avo eo amin’ny tany ama-monina ny teny soa mahafaly, ka
ho hasoavin’Zanahary tsy ho tafitohina na ho lavo an-dalana anie ianareo, fa haharitra izay ela indrindra. Soava dia tompoko.
Eo koa ianareo havana aman-tsakaiza sy vahiny isan-tsokajiny, tonga etoana :
Izay mahavangivangy tian-kavana.
Ny lanonana tsy hatreninareo dia toy ny mikalo irery tsy amin-baliha, na mandihy tsy amin’amponga.
Lavorary ny lanonana noho izao fahatongavanareo eto izao, tsy nahalavi-tany, tsy nijery hasasarana.
Mankatekina Tompokolahy,
Mankasitraka Tompokovavy.
Misaotra Tompoko
Jacqueline Kohler Rasoazanany
|
33. Takalo : Fandraisana mpianatra tonga
avy any Madagasikara
Ny teny tonga ao am-bava amin’izao fifankaitan-tava izao dia : « Arahaba tonga soa ! » Tsy sanatria, finiavana hiataka amin’ny fomba mahazatra raha kabary no resahina, fa « arahaba tonga soa » no mameno ny fo satria niampita ranomasina be ianao, namakivaky rahona ka mihaona soa aman-tsara eto isika ankehitriny.
Hoy ny ohabolan-drazana hoe : « Izay adala no toa an-drainy ». Tsy nianina tamin’izay azo tao an-tanindrazana ianao fa nanapa-kevitra hitady sy hanamafy fahaizana ama-pahalalana aty an-tany lavitra aty.
Raha hiteny aho dia manao aza tsiny, manoa aza fondro fa nomena ahy ny fitenenana ho fandraisana anao, fa raha tsy nomena izany dia mahajoko fa nomena ka mahasolanga ; ary ny tsy afa-tsiny hono arahan’doza amin’izay rehetra ataony koa dia halako ny tsiny tsy ho amiko, tsy ho aminao.
Andriamanitra no nitantana ny dia ka toha izao andro anio izao. Isaorana Izy ary ho henin-kaja mandrakariva anie ny anarany. Ny fanomezan-tsoa avy aminy tsy anam-pitsaharana eo amintsika rehetra.
Tonga eto ianao nandao tany nahazatra, nandao ray-aman-dreny naha-lehibe, nandao havana aman-tsakaiza maro nizarana ny tsara sy ny ratsy, ao koa ireo andry nahatoky teo amin’ny sokaja-mpiainana samihafa. Tsy ho voatanisako eto avokoa ireo fomba niainana nahazatra, nozakaina, nahitana fahafinaretana na indraindray nampitomany koa aza. Nilaozanao daholo izany. Indro ianao aty an-tanin’olona : fiteny samihafa, fahazarana samy manana ny azy, ny tany itoerana no iraisana fa ny fomba amam-panao toa mifanalavotra avokoa. Aty an-tanin’olona ianao nefa tsy maintsy hihezaka hanakaiky ny tompo-tany fa izany no hahamora ny fihezahanao hanatanterahana ny fianarana kasainao.
Mbola lavitra koa ny tanjo banjininao ho tratrarina ka ho feheziko ny hafatra irinay ampitaina eo aminao arakin’ny fiteny ny razantsika, zary vazivazy manao hoe : « Izay maharitra vadin-andriana, izay tsy maharitra vadin’i Ikotokely ». Koa mahaiza maharitra. Mitomboa faharetana sy finiavana fa tsy misy, hono, mafy tsy laitrin’ny zoto. Tadiavo ao an-tsimo, ndeha mandoa-baravarana ao avaratra raha sendra ny mafy toa tsy ho zaka irery fa ny mita-be, hono, tsy lanin’ny mamba. Ary raha sendra ny tena mafy tsy azo idifirana satria fantatra fa tsy ho lavorary izay atao dia ataovy toy : « Ny ovy am-bato, tsy ho voasaka-mbato fa haniry ihany na tsy ho tomombana aza. »
Ataovy ho tarigetra ny fahaiza-niara-monina fa io no voaloham-pahendrena satria ny diavolan-ko lava, ny kilalao mbola ho ela, ary ny anaovana ny nongonongona ho avo, hono, hitsinjovana ny iva. Atsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby, atsipy ny teny ho eny am-po ny mana-mpanahy
Efa lava izay voalazako rehetra izay, ka ny tsodrano dia : « Tongava amin’ny ambony indrindra, hitondra avo ny anara-ndray, tsy hahamena maso ny anara-ndreny, ho rehareha ny firenena » ; dia isika rehetra hiara miredona hoe :
« Aza mba manadino ny ray sy reninao, fa ireo no nitaiza sy nahabe toy izao.
« Aza mba manadino ny tanindrazanao, tsarovy ny tanana izay nahabe anao.
« Aza mba manadino Ilay Nahary anao, dia ho tony sy sambatra ny fiainanao, satria tsara tsodranon’Ilay avo indrindra. »
Soava dia Andriamatoa.
Jacqueline Rasoazanany Kohler
|
FIMPIMA
34. Tenin-dreny, tenin-drazana
Ohabolana sy hain-teny
(St Marc, 24 juin 2017)
Tompokolahy, Tompokovavy,
Ny havozo, hono, hanitry ny ala, ny rambiazina hanitry ny tanety, ny voasary hanitry ny saha, ary ny ohabolana kosa hanitry ny teny. Ny teny tsy voahangy tsy mandry lalana : apetraka izy ravaky ny trano, entina izy endriky ny dia.
Raha misy tono-kevitra tiana ho aroso na soso-kevitra tiana ho toanana, dia manomboka ilay olona hiteny hoe : « Hoy ny ntaolo hoe… » na « Araka ny tenin-drazana hoe… ».
Ny ohabolana dia fehezan-teny voarafitra tsy mahazatra satria tsy fampiasa mahazatra loara andavanandro ; ny hainteny koa dia fiteny misy angolangolany koa, tsy fandre-matetika ihany koa.
Fomba fitenenana fohy ny ohabolana sy ny haiteny, nefa enti-milaza hevi-dehibe koa sady mafonja izany no atao ampiheritreritra.
Ny teny ifamaliana no mahatsara fiavanana. Koa aza mikombo-mbava fa samia mamoaka ny heviny. Ataovy tera-bary, samia mamoaka ny ao am-poany, fa izay tsy miteny, hono, no diso, nefa kosa izay to-fo mpamosavy.
Tsy hevitra tonga teo no hoe izany ny ohabolana na ny hainteny fa fehezan-teny vokatry ny fanarahina akaiky ny fiainana andavanandro ny be sy ny maro, fisainana lalina mikasika izay niseho, fandalalina maharitra ny hevitra nifanakalozana : izany rehetra izany mitambatra no anantsoaina fehiteny ho ohabolana sy hainteny. Taona maro sy fiainam-bahoaka marobe no tehirizin’ny ohabolana sy ny haiteny. Ka ny tenin’ny ntaolo dia tsy hasiana ady hevitra fa mipetraka ho eken’ny maro ary ho ankatoavin’ny rehetra, mandresy lahatra ny mpiteny sy ny itenenana. Raha tsorina ny ohabolana dia fomba atao ahababo fo ny ambanilanitra manontolo.
« Teny tsara lahatra ny ohabolana dia toy ny olona misakelika fary, mibaby akondro, ary miloloha tantely, izay entiny mamy avokoa. »
Ny ohabolana koa dia toy ny tany ketsa ka izay mahalana sosohana, ary toy ny atody raha fohy manan’elatra.
Ny ohabolana sy ny haiteny koa dia teny feno fahendrena satria vokatry ny « maintimolaly » na ireo ela niainana nanao hoe : ny nify aloha no hitsako aloany ny vazana ! Samy manana ny laharana sy ny adidy tandrifiny azy avy ny tsirairay ka izany no hahalavorary ny fiaraha-monina. Koa teo amin’ny ady hevitra mikasika ny fiaramonina no ampiasaina matetika ny ohabolana.
Isika malagasy araky ny fantasika dia feno fanajana ny ray amandreny sy ny zoky olona.
« Tiavo sy hajao ny ray sy ny reny fa ireo no nahitana masoandro, solon’Andriamanitra tsy hita ny maso, nahandro nahamasaka.
Aza manao teny fosa ny mpiray monina, ao an-trano vaky vovonana mitondra niteny ivoaka ka ho afa-baraka eo amin’ny manodidina.
Ny teny maro tsy ilaozan’ota koa tandremo ny teny lava toria sao maningotra ny tena.
Mahaiza ary mandinika sy misaina vao mandefa ny teny atao. »
Ny ohabolana sy ny haiteny raha fomba fitenenana mampibaribary fahendrena feno dia rariny sy hitsiny raha ho atao raki-mbolamena ho lovay ny taranaka mifandimby. Ny firenena rehetra samy manana ohabolana avokoa ary mandrakariva dia fahendrena no tehirizin’ireo ohabolana ireo. Noho izany tsy tokony aha-mena maso antsika ny hitandro ny tenindrazana fa hanome hery indrindra kosa ho an-ireo taranaka ho avy. Na ao aza ny tsy fahaizana miteny malagasy, aoka ho tsaroana lalandava fa ny fahalalana ohabolana sy haiteny dia arena lehibe tsara sady soa tokony ho ananana ho enti-miaina na aiza na aiza tany ho aleha.
Voninahitra ifanomezana ny fahaizana teny mpirenenana hafa, fa ny fitenin’drazana mamy koa raha mamy koa fokary fa aza adinoina fa soa ho anao. Nefa aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika, fa ataovy fitia-ketsa ka izay amindrana azy aniriany avoko.
Tadidio koa fa ny teny toy ny zipon’ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony koa mahaiza mahalala ny fetra tsy azo ihoarana raha tianao ny ho tafita ny ony.
Ho faranako ny dinika : tiavo re ka tsinjovy tsy ho very ny ohabolan-tsika fa arena tsy voavidy bola amankarena ireo, fa ny olon-ory, hono, tsy an-olo-tia, ny omby mahia, hono, tsy lelafiny ny namany.
Tsarovy koa fa lakalaka ny fiainana, tsy misy manan-aina tompo ny ampitsony nefa ny aina tsy mifametra koa ataovy am-pahendrena izay rehetra atao fa izany no antoka mafy fototra sy tsara indrindra.
Misaotra Tompoko.
Jacqueline Kohler Rasoazanany
|
|
|
|
|
|